Ny fanaovam-baksiny ao an-tanàna dia tsy mandreraka ny zaza amin’ny dia an-tongotra lavitra

Volasoa est parmi les mères qui ont amené leurs enfants se faire vacciner pendant la stratégie avancée réalisée dans son village Analabe. Elle témoigne de l’utilité des stratégies avancées pour la vaccination des enfants dans les villages éloignés.

Domoina Ratovozanany
Campagne de vaccination polio
UNICEF/UN0484857/Ramasomanana
06 Aogositra 2021

Volasoa Fanjanirina NOMENJANAHARY, 23 taona, dia manan-janaka telo lahy 6 taona, 3 taona ary 2 volana. Monina ao amin'ny tanànan'i Analabe izy, 10 kilometatra miala ny tobim-pahasalamana fototra (CSB2) Fihaonana (distrikan'ny fahasalamana ao Ankazobe, faritra Analamanga). Izy no reny tonga voalohany tao amin'ny toby fanatontosana ilay paik’ady manakaiky vahoaka any Analabe ny 29 jona 2021 mba hanao vaksiny ny zanany faralahy antsoina hoe Mamisoa Florent NOMENJANAHARY.

« Noho ny halaviran'ny tobim-pahasalamana dia voatery niteraka tao an-tanàna aho rehefa nahazo ny fanampian'ny mpitsabo mpanampy sady mpampivelona  na dia nanao fizaham-pahasalamana teny anivon’ny tobim-pahasalamana aza aho nandritra ny fitondrana vohoka. Tsy maintsy niandry aho mandra-paha 2 herinandro an’i Mamisoa, izay vao nitondra azy teny amin'ny tobim-pahasalamana mba hahazoany ny vaksiny voalohany izay tokony natao tamin'ny andro nahaterahany. Tsy maintsy nandeha an-tongotra adiny roa izahay nandroso ary adiny roa niverina; reraka be ilay zaza », hoy i Volasoa.

Taorian'izay dia tsy niandry ela izy nitondra ny zanany lahy tany amin'ny toerana fanaovana vaksiny tamin'ny andro fanatanterahana ny paik’ady manakaiky vahoaka tao Analabe. « Ny 23 jona no fotoana voalohany tokony nanatanterahana taminy ny andiany voalohan’ny vaksiny. Saingy rehefa tsaroako fa tena reraka be ny zanako nandritra ilay dia an-tongotra lavitra dia nisalasala aho ny hitondra azy ary naleoko niandry mandra-pananako vola bebe kokoa handoavana ny saram-pitaterana. Faly be aho nahita ireo mpanao vaksiny tonga taty aminay. Ho fanampin'izany, ilay zaza dia tsy voatery miontsakontsana mandritra ny adiny efatra. Toy ireo zokiny dia ho voaaro amin'ny areti-mandoza i Mamisoa, » hoy izy.

Tena resy lahatra tokoa i Volasoa tamin'ny tombotsoa azo avy amin’ny  fahavitana vaksiny feno ho an’ny zaza, mifanaraka amin’ny tetiandro fanaovam-baksiny ary mandritra ny fanentanana ho an’ny fanaovam-baksiny isaky ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ny zanany roa voalohany. Mijoro ho vavolombelona izy: « Ny zanako volohany, Fanantenana izay 6 taona dia narary indray mandeha. Tamin'ny taona 2019 dia voan'ny kitrotro izy nandritra ny valan’aretina kitrotro. Fa satria efa vita vaksiny izy dia mora ny fitsaboana ilay aretina. Ny zanako faharoa kosa, Henintsoa, izay 3 taona dia mbola tsy narary mandraka androany. Mino aho fa mampitombo ny hery fiarovan'izy ireo ny vaksiny. »

Ny tompon’andraikitry ny fanaovana vaksiny faobe (PEV) eo anivon’ny CSB2 Fihaonana, Andriamatoa Lantonirina RAKOTOMANANA, dia nitatitra fa ny paikady rehetra manakaiky vahoaka mba hanarenana ny fahatarana eo amin’ny vaksiny mahazatra sy ny fizarana vitamina A ho fanampin-tsakafo, izay notanterahan’ny CSB2 Fihaonana tamin'ny 28-29-30 Jiona 2021 nandritra ny fanentanana momba ny fanaovam-baksiny hisorohana ny valan’aretina polio dia nahafahana nahatratra ankizy 115 izay tsy vita vaksiny feno.

Noho ny famatsiam-bola voaray avy amin'ny governemanta amerikana, ny UNICEF Madagascar dia nanolotra ny vaksiny, akora fototra, fitaovam-pitantanana ary fitaovan-tseratsera rehetra ho an'ireo faritra 15 kendrena amin'ity hetsika fanentanana ifotony ity izay notanterahana ny 28-29-30 Jona 2021. Ny UNICEF Madagascar dia nanohana ihany koa ny fanentanana ifotony izay nataon’ireo mpanentana, ny fampiharana ny paikady mitety sy manakaiky vahoaka ho fanarenana ny fahatarana teo amin’ny fanaovam-baksiny mahazatra sy fanomezana vitamina A ho fanampin-tsakafo.

 

 

 

vaccination contre la polio
UNICEF/UN0484866/Ramasomanana