Noho ny paikady manakaiky vahoaka, tsy mandany fotoana ny ray aman-dreny manao vaksiny ny zaza

I Bakoly Sarindraniaina dia manamarina ny tombotsoa azo avy amin’ny paikady manakaiky vahoaka ho an'ny ray aman-dreny ary ny fanaovana vaksiny feno ho an'ny fahasalaman'ny ankizy.

Domoina Ratovozanany
Stratégies avancées
UNICEF Madagascar/2021
10 Septambra 2021

Patricia Fanomezantsoa Andoniaina, 15 volana, dia nahazo ny fatra faharoa tamin’ny vaksiny fanefitry ny kitrotro tamin'ny 4 aogositra 2021. Ny reniny, Bakoly Sarindraniaina, mpivarotra 23 taona, dia nitondra azy hatao vaksiny tao amin'ny biraon'ny fokontany 3A (Antsirabe Afovoany Atsinanana), nandritra ny paikady manakaiky vahoaka ho an’ny fanaovam-baksiny mahazatra karakarain'ny tobim-pahasalamana fototra (CSB2) Atsinanantsena (ao amin'ny distrikan'Antsirabe I, faritra Vakinankaratra).

« Sambany aho vao nanao vaksiny ny zanako tao anatin’ny paik’ady manakaiky vahoaka. Talohan’izay dia tsy maintsy nanidy ny tsenako aho ary nandeha an-tongotra adiny iray niaraka tamin'ilay zaza rehefa hamonjy ny tobim-pahasalamana isaky ny tonga ny fotoana fanaovana vaksiny azy. Noheveriko fa matihanina kokoa ny tolotra nomena tany ary tsy dia tsara kalitao kosa ny fanaovana vaksiny mandritra ny paikady manakaiky vahoaka, » hoy i Bakoly Sarindraniaina.

« Diso hevitra anefa aho. Tena mitovy amin'ny kalitaon'ny tolotra omen’ny mpiasan'ny fahasalamana matihanina ilay izy. Fanampin'izany, tsy very fotoana ihany koa izahay reny mitazona tsenakely. Avelako amin'ny namako mandritra ny dimy ambin'ny folo minitra fotsiny ny tsenako, fotoana izay itondrako ny zanako atao vaksiny. Noho izany dia sady miantoka ny fahasalaman'ny zanako aho, no miantoka ny fidiram-bola isan'andro ihany koa, » hoy izy.

Mikasika ny antony manosika azy hanao vaksiny feno ny zanany mifanaraka amin'ny tetiandro fanaovam-baksiny dia nanazava i Bakoly Sarindraniaina hoe: « Tsikaritro teo amin’ny zanako vavimatoa 6 taona sy teo amin'ny fiarahamonina misy anay fa ny zaza vita vaksiny feno dia tsy marary matetika ary salama kokoa. »

Raha ny fanazavan'ny lehiben'ny Tetik’asa Fanitarana ny Fanaovana Vaksiny (PEV) eo anivon’ny CSB2 Atsinanantsena, Mathilde Harisoa, ny paik’ady raikitra dia ahafahana mahatratra 70%-n’ny zaza mba ho vita vaksiny, ny 30% ambiny kosa dia mitaky fampiharana paik’ady manakaiky vahoaka. « Ireo reny izay mamelon-tena irery, toy ny mpivarotra sy ny mpanasa lamba, dia tsy afaka manome laharam-pahamehana hatrany ny fandehanana eny amin'ny tobim-pahasalamana mba hanaovana vaksiny ny zanany. Manampy betsaka azy ireo ny paikady manakaiky vahoaka, » hoy i Mathilde Harisoa.

Ny famatsiam-bola amin’ny alàlan’ny governemanta amerikana sy ny fanomezana goavana avy amin'ny fikambanana mpanao asa soa Latter-Saints Saints (LDS) dia nahafahan’ny UNICEF Madagascar manohana ny fanatrarana ny fanaovana vaksiny mandritra ny hetsika fiadiana amin’ny lefakozatra any amin'ny faritra 15 sy distrika 85 izay notanterahina tamin'ny faran'ny volana jona sy ny fiandohan'ny volana aogositra 2021. Ny UNICEF Madagascar tokoa mantsy dia niantoka ny vaksiny rehetra, ireo akora fototra, ireo fitaovam-pitantanana ary ireo fitaovam-pifandraisana ary koa namatsy vola ny fanentanana ifotony izay tanterahan’ireo mpanentana, niantoka ara-bola ny fivezivezen’ireo ekipa mpanao vaksiny ho fanatanterahana ny paik’ady manakaiky vahoaka sy mitety vohitra mba hanatrarana ireo ankizy izay tsy vita vaksiny ara-potoana sy tsy nahazo vitamine A ho fanampin-tsakafo.