Nanova ny fomba fijerin’i Zoae sy ny ray aman-dreniny ny fanentanana momba ny fampiasana zaza.
Na dia mivelona amin'ny fitrandrahana manjarano (mika) aza ny fianakavian'i Zoae dia nanova ny fomba fijeriny izy ireo rehefa nahazo fanentanana momba ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.


Any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, i Zoae, tovovavikely 13 taona, no zaza faharoa ambinifolo ao anatin’ny fianakaviana ahitana ankizy 13 mianadahy. Miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny izy sy Benjamin anadahiny. Mivelona amin'ny fitrandrahana manjarano toy ny tokantrano miisa 201 hafa io ankohonana io. Ny mpiasa 120 dia ankizy avokoa, toa an'i Zoae.
Tsy nandia sekoly mihitsy i Zoae. Tsy maintsy mandray anjara amin'ny famelomana ny fianakaviany izy amin'ny alàlan’ny fanampiana ny ray aman-dreniny amin'ny fitrandrahana manjarano, ilay mineraly ahitana silikatina, – na fotsy, na mainty na miloko mavo manja – izay ampiasaina betsaka amin'ny indostria fanamboarana fiara, telefaona ary fanamboarana fiaramanidina, ary koa amin'ny indostria mpamokatra vokatra fikolokoloana vatana na mpamokatra loko, noho izy mahatanty hafanana avo dia avo. Ny anjara asany: mitatitra ny manjarano ho lanjaina eny amin’ireo mpanangom-bokatra. Manimba ny fahasalaman’i Zoae anefa izany asa izany. Manana olana amin’ny taovam-pisefoana mantsy izy saingy tsy manan-tsafidy, noho ny fankatoavany ny ray aman-dreniny. “Fantatry ny ray aman-dreniko fa mikohaka be aho amin’ny alina vokatr’ilay manjarano. Nahenan’izy ireo ny lanjan’ny manjarano isaky ny fitaomana ataoko; ary manohy ny asanay ihany izahay”, hoy izy. Eo koa ny fitaka ataon’ireo mpanangom-bokatra izay manararaotra ny hoe tsy mahay mamaky teny i Zoae. « Ny anadahiko, izay mahay mamaky teny sy manoratra, no miandraikitra ny fivarotana manjarano amin’ireo mpanangom-bokatra. Indray andro dia nisy dia nalehany ka tsy maintsy izaho no nikarakara ny varotra. Nisy mpiara-monina taminay nilaza tamiko fa tsy marina ilay kaonty, saingy nanaiky aho satria tsy mahay manisa, indrindra fa ny resa-bola », hoy izy. Mahazo 5 000 Ariary ($1,10) isan-kerinandro ny fianakaviana tsirairay amin’ny ankapobeny.
Ny fandraisan’andraikitry ny ONG Faravehivavy tao an-tanànany tamin'ny taona 2022 dia nahafahan'i Zoae nanaraka fampianarana mamaky teny sy manoratra ao anatin'ny tetikasa FAMAHA, izay nandray anjara tamin'ny fanafoanana ny fampiasana zaza tsy ampy taona eo amin'ny sehatra fitrandrahana manjarano. Nanome fampianarana mamaky teny sy manoratra ho an'ny olona manodidina ny 400 izay ahitana ankizy 247 (174 vavy ary 73 lahy) io tetikasa io. Ankoatra ny famerenana an-tsekoly dia tohanana sy hampahafantarina ireo fianakaviana ihany koa ny lafin-javatra samihafa mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny fampiroboroboana ny zony.
Noho izany dia nisitraka fanentanana momba ny ady amin'ny herisetra izay atao isaky ny fiandohan'ny fampianarana i Zoae sy ny ray aman-dreniny. Taorian'ny fianarana izay naharitra 4 volana dia niverina tao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra ao Tatabe i Zoae ary nahazo ny fanohanana ilainy izy mba hahazoana antoka fa afaka manohy ny fianarany ; anisan’izany ny fitaovam-pianarana sy ny fidirana amin'ny toeram-pizarana sakafo ho an’ny mpianatra. Nahitam-bokatra araka izany ny fanentanana natao tamin’ny ray aman-drenin'i Zoae. « Teny am-boalohany dia ny fahaizana mamaky teny sy manoratra no nahaliana ny ray aman-dreniko, satria izany dia manakana anay tsy ho voafitaka, toy ny nataon'ny mpandanja manjarano taminay. Rehefa nandeha ny fotoana dia nahatakatra zavatra maromaro momba ny fiarovana ny zaza ny ray amandreniko, anisan’izany ny tsy fanerena ahy intsony hiasa amin’ny fitrandrahana manjarano na ny fitsinjovana bebe kokoa ny fahasalamako, » hoy izy.
Manohy ny fianarany i Zoae amin’izao fotoana izao ary tsy miasa amin'ny fitrandrahana manjarano intsony. Te ho lasa mpampivelona izy rehefa lehibe.