Fomba fampianarana Teaching at the Right Level
Mpampiofana iray nanana ahiahy no lasa tena mpanohana mahafatra-po
Atsimon’i Madagasikara. Ao amin’ny fari-piadidiana iray ao amin’ny Fitalevana isam-paritry ny Fanabeazam-pirenena, Raharilisy dia anisan’ireo mpampiofana 28 niofana mahakasika ny fomba fampianarana « Teaching at the the Right Level » ho an’ny fotoam-pamakian-teny izay nahazo fanohanana avy amin’ny PAEB 5 (Tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra) an’ny GPE (Fiaraha-miasa Maneran-tany ho an'ny Fanabeazana) sy ny Banky Iraisam-pirenena. Taorian’ny fanazaran-tena teny an-kianja dia nanaiky tanteraka io fomba fampianarana io ilay mpanolotsaina momba ny fanabeazana, satria resy lahatra tamin’ny fahombiazany mba hampiakarana ny tahan’ny kalitaom-pampianarana eo amin’ny zaza malagasy. Saingy nila nanaporofo ny fahombiazany izany fomba fampianarana izany mialohan’ny nahatongavana tamin’izay toe-javatra izay.
« Efa 15 taona izao no nidirako tamin’ny sehatry ny asa ary nandalovako teny amin’ny anjerimanontolo sy nanarahako fiofanana arak’asa. Manontany tena aho hoe nahoana no mampiasa soratra roa ho an'ny mpianatra. Hampikorotan-tsaina azy ireo izany ary hisy fiantraikany tokoa amin’ny voka-pianarana izany, » hoy Raharilisy tamin’ny fanombohan’ny fiofanana izay natao endrika fanazaran-tena. Raha ny marina dia noraisiny ho "mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fampianarana" ilay fiofanana, noho ilay endrika fanoratana geometrika izay ahafahan'ny mpianatra manoratra tsara sy manaraka ny elanelan'ny tsipika amin'ny alàlan'ny endrika geometrika; nanamarika ihany koa izy fa somary mamporisika ny mpianatra hanao tsianjery maimbo ilay fomba fampianarana nomena. Ho fanamafisana ny tsy fankatoavany dia tsy nety nandray anjara tamin'ny fanazaran-tena izay nasaina natao i Raharilisy taorian’ny fampisehoana notanterahan’ny mpampiofana: tsy misy hevitra mihitsy ny hipetrahana amin'ny tany handraisana anjara amin'ny hetsika « Resadresaka » na « fifanakalozana » ara-bakiteny.
Teo amin’ny lafiny pratika amin’ilay fanofanana dia voatendry teny amin’ny sekoly ambaratonga fototra iray miandraikitra mpianatra manodidina ny roapolo i Raharilisy. Ny andraikiny tamin’izany dia ny hampihatra ilay fomba fampianarana, entina mampiakatra ny tahan’ny fahaiza-mamaky teny eo amin’ireo mpianatra. Ny vondrona iantsoroany dia ny vondrona antsoina hoe « teny », ambaratonga fahatelo eo amin'ny fianarana ho an'ny sokajy « famakian-teny ». Tamin’ny andro faharoa nifampiresahana tamin’ireo mpampiofana dia gaga ny mpanatrika raha naneho ny hafanam-pony sy ny fahafaliam-pony Rahalisy ka niverina tamin’ny ampitso mba hanohizany ny fiofanana. « Saika tsy nahatsikaritra ny fandehan’ny fotoana akory aho. Naneho fahalianana manokana tamin’ilay hetsika ireo ankizy, nanomboka tamin’ny fotoana nanombohana ny tafatafa. Voamariko ihany koa fa nanana fahavitrihana miavaka izy ireo. Te-handray anjara avokoa ny rehetra saingy tsy ampy ny fotoana ka nisy ny sosokevitra ny amin’ny hanohizana ny hetsika ny alarobia tolakandro. Farany ary tena zava-dehibe tokoa, nahatsikaritra fivoarana azo tsapain-tanana aho teo amin'ireo mpianatra rehetra ary fihatsaran’ny soratanan’izy ireo taorian'ny fotoam-piofanana vitsivitsy monja », hoy izy.
Namita ny fiofanany sady tsy nanafina ny reharehany Raharilisy. Nangataka izy mba hisy hatrany ny fampiharana eny an-kianja toy itony aorian’ny fanofanana mpampiofana rehetra mba ahafahana manao fanombanana sy fanitsiana ny lesoka sy/na tsy fifankahazoana.
Marihina fa ny fomba fampianarana « Teaching at the the Right Level » (TaRL), novolavolaina tany Inde, dia nahafahan'ny ankizy nandray haingana ny fahaiza-mamaky teny fototra sy ny kajy, na firy taona na firy taona, na inona ny fari-pahaizan’ilay zaza, amin'ny alàlan'ny fianarana anaty kilalao. Ny TaRL izay nampiharina ihany koa teto Madagasikara, tao anatin’ny faritra miisa 19, tamin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF, JICA, PAEB 5 ary ireo mpamatsy vola hafa, dia nahafahana nampiofana mpampianatra mihoatran’ny 46.500 izay nahitana vehivavy maherin’ny 26.400 avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary nandray an-tanana ankizy maherin'ny 1.301.400, anisan'izany ny zazavavy efa ho 648.000.