Eto Madagasikara, tsy sakana amin’ny fisitrahana fanabeazana ny fahasembanana

-

Aubry Razanakoto
Fitiavana, en bleu, obtenant tout le soutien de son enseignante
UNICEF Madagascar/2022
12 Jolay 2022

Any amin’ny sekoly ambaratonga fototra misy azy ao amin’ny tanànan’i Mahajanga, any avaratra-andrefan’i Madagasikara, i Fitiavana, 10 taona, dia afaka misitraka fanabeazana manara-penitra, miaraka amin’ny fanaraha-maso manokana avy amin’ny mpampianatra azy, Ranjaharisoa Randimbizakanirina.

Tsy izany foana anefa no zava-nitranga. Tsy maintsy niatrika sakana maro i Fitiavana sy Ranjaharisoa mba hahitana ny vahaolana mety. “Manana fahasembanana i Fitiavana : sarotra be ho azy ny mamindra raha tsy mitehina amin'ireo namany izy. Mangovitra be ny tanany rehefa manoratra izy. Tsy maintsy manao ezaka be izy vao afaka miteny ara-dalàna. Tsy mahavita zavatra ara-potoana mihitsy izy”, hoy Ranjaharisoa. Misy fiantraikany amin'ny kilasy iray manontolo izany satria matetika sarotra ny mamita ny fandaharam-pianarana ara-potoana sy ny mitantana ireo teny maneso sy feno fimenomenonana ataon'ireo mpiara-mianatra ireo.

“Mpianatra mazoto anefa i Fitiavana, kanefa tena fanamby goavana ho azy ny fianarany”, hoy ilay mpampianatra. Anisan’ny vahaolana apetraka ho fiatrehana izao karazana toe-javatra izao ny fametrahana politikam-panabeazana mampiaty. Raha ny mahakasika ny UNICEF dia mampiasa vola amin'ny fampiofanana amin'ny fanabeazana mampiaty ho an'ny mpampianatra, miaraka amin'ny fanohanan'ny Hempel Foundation izy.

Araka izany, tamin’ny volana jolay 2021, i Ranjaharisoa dia anisan’ireo mpampianatra 267 niofana ho fanohanana sy fanampiana ireo ankizy toa an’i Fitiavana. Ireo taranja fampahafantarana mikasika ny fanabeazana mampiaty sy ny Tetik'asa fampianarana manokana dia nahafahan'izy ireo nahazo fahalalana ary koa fahaiza-manao manokana mba hanomezana an’i Fitiavana fanabeazana tsara kalitao kokoa. “Nanao fanentanana ireo ankizy hafa aho mahakasika ny fahasamihafana izay iainany mba hanamaivanana ny tranganà fanilikilihana. Nomena tehina izy mba hialana amin'ny fiankinan-doha be loatra amin'ny hafa; mipetraka eo akaikin'ny ankizy lehibe iray izy ary manakaiky kokoa ny solaitrabe mba hanarahany tsara kokoa ny lesona. Miditra an-tsehatra ihany koa ny ray aman-dreniny: hadika an-tsoratra ireo lesona am-bava, ary manao famerenana any an-trano izy, araka izay fahafahany », hoy Ranjaharisoa, nijoro vavolombelona tamin’izany traikefa vaovao izany. Ho an’i Fitiavana sy ireo ankizy manana fahasembanana hafa eto Madagasikara dia efa miha-hita soritra miandalana ny fahazoana fanabeazana tsimialonjafy.