Eto Madagasikara, tohanana ny tanora mba hahafahan’izy ireo mitantana tsara kokoa ny fiainany

Renim-pianakavina tanora iray no manohana ny ezaka fanabeazana ny tanora mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana

Abela Ralaivita
Mikaia et sa mère tenant Martino devant leur maison
UNICEF/2021/Safidy Andrianantenaina
20 Janoary 2021

Mampionona Mikaia, 19 taona, dia vao avy niteraka ny zanany voalohany, Martino. Monina ao amin'ny Kaominina Ampasy Nampoina izy, fito kilometatra miala ny tanànan'ny Fort-Dauphin any atsimon'i Madagasikara. Tsy maintsy nijanona tsy nianatra intsony i Mikaia tamin'ny faha-16 taonany satria tsy takatrin'ny reniny intsony ny nandefa azy an-tsekoly. I Mikaia no zokiny indrindra tamin'izy mpiray tampo ary tia mianatra izy. « Tena nalahelo aho rehefa tsy maintsy nijanona nianatra. Taorian'izay dia lasa mahamonamonaina be ny tontolo androko. Mifoha maraina aho manomana sakafo, avy eo dia manampy ny reniko amin’ny asa-tanana, dia toy izay hatrany, » hoy izy nitantara.

 

Faraly, reniny, dia mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Fokontany Ambalambendrana. Manampy ny karamany ny fivarotana ireo asa-tanana izay ataony ao an-trano, saingy mbola miady mafy izy mba hamelomana ilay ankohonana. Amin'ny maha mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka azy, i Faraly dia manabe ny tanora mikasika ny fahasalamana ara-pananahana. Fantany fa efa nanao firaisana ara-nofo i Mikaia, saingy taitra izy rehefa nilaza taminy ny zanany vavy fa bevohoka tamin'ny taona 2019. « Tena tsy fahombiazana ho ahy ny fitondran’ny zanako vavy vohoka eo amin’ny faha-18 taonany. Na izany aza anefa dia tsy nilavo lefona aho ary manohy hatrany mampahafantatra ireo tanora ao an-tanàna ny fomba hikarakarana ny fahasalaman'izy ireo ara-pananahana, » hoy i Faraly.

 

Fanohanana avy amin'ny tobim-pahasalamana

 

Araka ny fanazavan'i Razafimamonjy Patrick izay mitantana ny tobim-pahasalamana eo an-toerana dia tena nitombo fatratra ny tahan’ireo tanora manantona io toerana io nohon’ny ezaka nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana toa an’i Faraly. Maherin'ny ampahatelon'ny olona manantona ilay tobim-pahasalamana tokoa mantsy dia tanora eo anelanelan'ny 10 ka hatramin'ny 19 taona. Ho fanampin'izany, ny 14%-n'ny mpampiasa ny fandrindram-pianakaviana tsy tapaka dia tanora avokoa. Ny olona ao anatin’ity sokajin-taona ity dia misitraka avy hatrany fitsaboana maimaimpoana eo anivon’ny tobim-pahasalamana. Ity toeram-pitsaboana natokana ho an'ny tanora ity dia ahitana efitrano fialamboly izay ampisehoan’ ny mpiasan'ny fahasalamana horonantsary hanentanana azy ireo. Tanteraka izany rehetra izany tamin'ny alàlan'ny fandaharan’asan’ny UNICEF izay novatsian'ny Sampan-draharaha Koreana misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (KOICA) vola, izay mikendry ny hanatsarana ny fiainan'ny tanora, indrindra ny zazavavy, amin'ity faritra ity.

« Faly be aho tamin'ny fitsaboana azoko tao amin'ny tobim-pahasalamana. Nahafantatra zavatra betsaka momba ny fiainana aho nandritra izay sivy volana lasa izay, » hoy i Mikaia. « Manantena aho fa mbola afaka hiverina any an-tsekoly, saingy ankehitriny aloha dia hikarakara an'i Martino zanako lahy aho ary hanampy ny reniko amin’ny fanabeazana ireo tanora hafa mba tsy ho bevohoka aloha loatra izy ireo. »

Mikaia tenant Martino devant leur maison
UNICEF/2021/Safidy Andrianantenaina
Mikaia effectuant la consultation post-natale au centre de santé d’Ampasy Nahampoana
UNICEF/2021/Safidy Andrianantenaina