Rano, fanadiovana sy fidiovana (WASH)

Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fivelomana sy fivoaran'ny ankizy ny rano madio, trano fidiovana ary fomba tsara fidiovana

Misasa tanana any an-tsekoly
UNICEF/UN0494347/Andrianandrasana

Ny sedra misy

icon WASH

Firenena faha-3 ratsy indrindra eran-tany noho ny  fampiasana loharano tsy nasiam-panamborana sy ny fampiasana  fitaovam-panadiovana fototra

icon water dropplet source

Ny  36%-n'ny mponina any ambanivohitra no manana loharano nasiam-panamboarana
 (Firenena faha-8 ratsy indrindra eran-tany)

icon wash sanitation

Ny 10%-n'ny mponina ihany no mampiasa fotodrafitrasa fanadiovana fototra

Mampiahiahy indrindra ny fahasarotan’ny fahazoana rano fisotro madio sy ny fomba fanadiovana ary fidiovana tsy araka ny tokony ho izy, noho ireo misy ifandraisany amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka sy ny aretim-pivalanana mpahazo ny zaza latsaky ny 5 taona.

Ny ataon'ny UNICEF

Une femme se lave les mains avec une bouteille en tippy-tap dans un village

Manentana ireo vondron'olona ifotony mba hihamafy ny fandraisan’izy ireo an-tanana manontolo ny fanadiovana 

Une jeune fille puise de l'eau dans une reserve d'eau fournit par UNICEF dans une ecole

Mampiroborobo ny fampiasana WASH any amin'ny tontolo ambanivohitra, ny sekoly ary ny tobim-pahasalamana sy ny toby fanjariantsakafo.

Une citerne d'eau installe dans un village dans le sud

Manatanteraka arohevitra mba hampitombo ny fandraisana anjaran’ny fanjakana sy ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatry ny WASH

Des enfants s'attroupent autour d'une pompe a eau installe dans un village

Manampy amin'ny fanatsarana ny fandrindrana isan-tsehatra, ny fanapariaham-pahalalana ary ny fahombiazana

Vokatra misongadina

  • Fandrafetana antotan-taratasy fampiasam-bola mba hametrahana ho vaindohandraharaha sy hampirisihana ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatra WASH
  • Eo an-dalam-panamboarana ny fantsona hitondra ny rano ho an'ny rehetra any atsimo, ao anatin’ny fampiroboroboana ny fampiasan-drano hitsinjovana ny fahampian-tsakafo
  • Fampiroboroboana ny haiforona mba hahazoan’ny fiaraha-monina tombony : fikarohana loharano avy amin’ny fampiasana fomba fitiliana vaovao  (ohatra: sary alaina zanabolana hitiliana ireo loharano milevina any amin’ny tany hefitra)
  • Fisintonan-drano, lavadrano ary fotodrafitrasan-drano: olona 570.000 mahery no nahazo rano fisotro madio
  • Fanadiovana manontolo raisin’ny vondron’olona an-tanana: olona maherin'ny 2.545.000 no niala tamin’ny fangerena ankalamanjana
  • WASH amin’ny hamehana: fiatrehana ny haintany (fomba enti-miarina); fiatrehana ny rivodoza (fanadiovana sy fanarenana ireo fantsakana sy loharano); fiatrehana ny pesta (mamaly ireo filàna mikasika ny WASH sy famonoana mikraoba, eo amin’ny fisorohana ary ny  fanaraha-maso eny amin'ny hopitaly)