Fanjariantsakafo
Tohanana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hanatsarana ny fanjariantsakafon’ny zaza marefo indrindra
Ireo sedra misy
Anisan’ny olana lehibe amin'ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrosoana eto Madagasikara ny tsifanjariantsakafo mitarazoka
Firenena faha-5 maneran-tany voakasika indrindra : 46%-n'ireo ankizy latsaky ny 5 taona (manodidina ny 2 tapitrisa eo ho eo) no iharan'ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, indrindra ireo any ambanivohitra.
Ny 46 isan-jaton'ny zaza latsaky ny enim-bolana no tsy misitraka ny nonon-dreniny araky ny tokony ho izy.
Misy fiantraika maharitra amin'ny fitomboana ara-batana sy ny fivelaran-tsaina ny tsifanjariantsakafo mitarazoka
Isan-taona, 8%-n'ny ankizy latsaky ny 5 taona no voan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, indrindra ny any amin'ny faritra atsimo
Hatramin'ny 2028, hiara hiasa amin'ny mpiara-miombonantoka ny UNICEF mba :
Hanatsara ny fahazoana tolotra ara-tsakafo mahomby sy fisitrahana ireo akora tena ilaina.
Hanatsara ny karazan-tsakafo sy ny fisitrahan'ny reny sy ny zaza ireo sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana.
Hanaovana laharam-pahamehana ny famokarana sakafo feno otrikaina sy mora vidy ary vokarina eo an-toerana.
Manatsara ny fampifandraisana ireo mpisehatra amin’ny fanjariantsakafo ary mandrindra izany, singanina manokana ny sehatry ny fahasalamana sy ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana
Miomana ny amin’ny mety hisian’ny krizy ara-tsakafo ary mitondra vahaolana ara-potoana raha misy izany.
Vokatra misongadina
- Fanohanana ny governemanta amin'ny fandrafetana ny ny Fandaharana asa nasionaly faha-3 ho an’ny fanjariantsakafo
- Fanombanana ny fampiasam-bola ilaina amin'ny fampihenana ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara, notanterahina tamin’ny taona 2017 ary nahafahana nanatsara ny tetibolam-pirenena ho an'ny fanjariantsakafo.
- Zaza 6 ka hatramin'ny 59 volana miisa 3.6 tapitrisa no nizarana vitamine A sy odin-kanana mandritra ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza indroa isan-taona
- Zaza 6 ka hatramin'ny 59 volana miisa 2.15 tapitrisa voan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika no voatily, ka nalefa teny amin’ny tobim-pahasalamana miandraikitra izany ireo tena marary mafy
- Ankizy latsaky ny 5 taona miisa 75.000 no voatsabo tamin'ny tsifanjariantsakafo mahery vaika hatramin'ny taona 2015, ka 50.000 tamin’izy ireo dia tao anatina tranga vonjitaitra