Fanabeazana

Ny UNICEF dia mandray andraikitra mba hahazoan’ny ankizy rehetra tsy ankanavaka fahalalana sy fahaiza-manao, mba hahafahan’izy ireo mivelatra

Fampianarana tomombana
UNICEF/UN0571775/Ramasomanana

Ireo zava-tsarotra

icon child girl

Ankizy iray amin'ny telo ihany no hahavita ny fanabeazana fototra

icon financing

Ny fianakaviana no mizaka ny 40 isan-jaton'ny fandaniana miverimberina mifandraika amin’ny rafi-panabeazana

icon training

20 isan-jaton'ny mpampianatra ihany no mpiasam-panjakana ary 97 isan-jato dia tsy manana diplaoma hahafahana manao ny asa fampianarana

icon education book

Any amin'ny faran'ny fanabeazana fototra,  17 isan-jaton'ny mpianatra no manana ny fahaizana farany ambany indrindra momba ny famakian-teny  (frantsay) ary 20 isan-jato kosa ny matematika (PASEC * 2015).
Programme d'Analyse des Systèmes Educatifs

Ireo hetsika notanterahan’ny UNICEF

Enfant en classe avec une ardoise

Fidirana an-tsekoly, famitana ny fianarana hatramin’ny farany

 

Fanamboarana sekoly


Famerenana an-tsekoly indray ny zaza ary fampidirana ireo zaza manana fahasembanana
 

Enseignant dans une classe de primaire a l'EPP Lohanosy

Fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana sy ny fianarana

Politika sy fampiofanana ireo mpampianatra

Fanohanana ny fanavaozana eo amin’ny lafiny fandaharam-pianarana

Fampivoarana ny fampianarana « préscolaire »

Fitaovana manampy amin’ny fampianarana sy ny fianarana

Cette fille en classe écrit dans son cahier

Fanamafisana ny andrimpanjakana

Fanatevezam-pahaizana eny anivon’ny fanjakana foibe sy ny faritra (Politika sy drafitra mikasika ny fanajariana ny tany, rafitra fampitam-baovao, fitantanana tsara tantana, fandrindrana) - Fitantanana ny sekoly sy fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina

Ce jeune garcon peut continuer d'étudier grâce à la mise en place d'une école d'urgence

Fanamafisana ny faharetana

Fanatsarana ny fiatrehana ireo hamehana sy ny fomba fiharetana amin’ny alàlan’ny:
Fiofanana momba ny fampihenana ny loza sy fahavoazana mety hitranga, Fandrindrana, fanapariahana ireo  tahiry ho fiomanana amin’ny loza mety hitranga, ary hetsika fanairana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro
 

Ireo vokatra misongadina

• Rafim-pampianarana vaovao 2018-2022 voavolavola
• Fiofanana ho an’ny mpampianatra miisa 43 000 ary fanomezana fitaovam-pampianarana ho an’ny sekoly miisa 10.000
• Ankizy manodidina ny 100 000 tsy nandia sekoly no niverina an-tsekoly indray tao anatina kilasy fanenjehana ny asa tsy vita
• Fanabeazana mandritra ny fotoanan’ny hamehana