Fahasalamana

Ny UNICEF dia mandray andraikitra mba hanitarana ny fampiasana ny sampan-draharaha ara-pahasalamana ifotony ho an’ny ankizy latsaky ny dimy taona, amin'ny alàlan'ny fifantohana bebe kokoa amin’ireo zaza vao teraka.

Vaksiny polio
UNICEF/UN0383972/Ralaivita

Ireo zava-tsarotra

42 isan-jato

Ny tahan’ny fahafatesana eo am-pahaterahana dia 42 isan-jaton'ny fahafatesan'ny ankizy latsaky ny 5 taona.

1 amin'ny 3
 

1/3 ny fahafatesan'ny reny dia mifandraika amin’ny vohoka eo amin’ireo ankizivavy tanora.

51 isan-jato

Ny tahan’ny zaza 12 ka hatramin'ny 23 volana izay vita vakisiny tanteraka dia tafakatra hatramin’ny  62 isan-jato tamin'ny taona 2008, ary  hatramin'ny 51 isan-jato tamin'ny 2012.

I Madagasikara dia anisan'ireo firenena mitaky ezaka betsaka indrindra amin'ny lafiny fiveloman’ny zaza sy ny fiahiana ara-pahasalamana

Ireo hetsika notanterahan’ny UNICEF

Fanomezana tolotra mifantoka amin’ny vondrom-piarahamonina

Fitakiana ny fiakaran’ny famatsiam-bola eo amin'ny sehatry ny fahasalamana

Fanafamafisana ireo vaksiny mahazatra

Fampitomboana ireo asa fikarakarana tena ilain’ny zaza vao teraka mba hivelaran’ny fiantraikan’izany

Fanohanana ny fanamafisana ny rafitra misahana ny famatsiana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena

Fitantanana sy fanatevenam-pahaizana ara-teknika ho an’ireo sampan-draharaha ara-pahasalamana any amin'ny faritra

Ireo vokatra misongadina

icon check not affected

Famongarana ny polio

icon child boy

ankizy miisa 3.6 tapitrisa vita vaksiny miady amin’ireo aretina lehibe mpahazo ny ankizy

icon medical supply

Fanamafisana ireo tolotra eny anivon’ireo tobim-pahasalamana miisa 1.082

icon affected population

Fanatsarana ny fahazoana ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo 43 isan-jaton'ny mponina (izay ahitana ankizy 3,5 tapitrisa)

icon femme enceinte

Fikarakarana tsara kokoa ho an'ny
vehivavy bevohoka miisa 250.000 any amin'ny faritra
 

icon truck

Olona 95 000 no karakarain'ireo toeram-pitsaboana finday