Foanana ny fady fa amporisihina ny fitandrovana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana.
Mpanjaitra monina any amin'ny Distrikan'Ambato-Boeny, any andrefan'i Madagasikara, mamokatra servieta ara-pahasalamana miaro tontolo iainana.
Vehivavy roa miavaka no nanova ny fiainany sy ny fiainan'ny fiarahamonina misy azy tamin'ny alalan'ny fanoloran-tenan'izy ireo amin’ny maha-tantsaha sy mpanjaitra azy ireo any amin’ny faritra Boeny, toerana ambanivoitra milamindamina. Lucie, 27 taona, sy ny reniny Naritasy, 52 taona no mpisava lalana eo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanampiana ny vehivavy tsy hiankin-doha amin’ny hafa, ary tohanan'ny ONG SAHI izy ireo.
Roa taona lasa teo izay dia nanao hetsika vaovao ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana antsoina hoe SAHI, vatsian’ny UNICEF sy ireo mpiombon'antoka aminy mba anampiana ireo tovovavy amin’ny olana atrehan’izy ireo eny am-pandrantoana ny fianarana. Ny tsy fisian'ny salaka ara-pahasalamana ilaina hampiasiana mandritra ny fadimbolana dia mahatonga ireo tovovavy hanapaka fianarana ary izany dia mainka nampitombo ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy raha ny fahafaha-misitraka ny fanabeazana no resahina. Teo indrindra no nidiran'i Lucie sy Naritasy an-tsehatra, ka nitarika ny fampiasana traikefan'izy ireo amin’ny maha-mpanjaitra azy ho lasa mpamita iraka sarobidy ho an'ny fiarahamonina.
Nahazo fiofanana avo lenta tamin'ny fanjairana ary nampitombo izanyny fahaiza-manao sarobidy nananany izany izy ireo ka namorona salaka ara-pahasalamana azo ampiasaina hatrany ireto vehivavy roa be fikirizana ireto, teo ambany fitarihan'ny SAHI. Tsy vitan'ny hoe namorona fidiram-bola azo antoka ho an'i Lucie sy Naritasy ihany ity asa vaovao ity fa nanome vahaolana mifandraika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy namaha olana lehibe koa satria nampanjifa fitaovana zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ihany koa. Sady mampahazo aina no mateza ireto salaka namboarin’izy ireo ireto no manaja ny tontolo iainana ihany koa.
"Tena zava-baovao ho ahy ny naita fa azo atao ny manamboatra salaka azo ampiasaina matetika," hoy i Lucie nanazava tamin-kafanam-po. "Tsy vitan’ny hoe nanampy ny loharanom-bolanay ny fanamboarana azy fa nahafahanay koa nahafantatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fahasalama mandritra ny fadimbolana ary mampiena ny fanilikilihana atao anay. Nihatsara ny toe - bolako, ary toy izany koa ny fahasalamako mandritra ny fadimbolana. »
Nanamafy izany i Naritasy: “Nanomboka foana ireo fady mifandraika amin’ny fadimbolana taorian’ity hetsika ity. Mikasa ny hanao fampianarana mitohitohy momba ny fadimbolana ho an'ny tovovavy sy vehivavy any ambanivohitra izahay ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny ONG SAHI. Ny hampita amin'izy ireo ny maha zava-dehibe ny fahasalamana mikasika ny fadimbolana sy ny fahadiovana izay kasaina mba hisy fiantraikany tsara sady maharitra. »
Nametraka fiovana fototra lehibe eo amin'ny fiaraha-monina misy azy i Lucie sy Naritasy noho ny faharanitan-tsainy sy ny fahafoizan-tenany. Ny tantaran’izy ireo dia fakan-tahaka ary maneho fa rehefa tapa-kevitra hanao zavatra iray ny vehivavy dia mahavita. Mbola mitohy miparitaka ireo salaka azo averimberina ampiasaina ho an'ny fadimbolna fa miaraka amin’izany koa dia namela lova, voninahitra sy fahaleovan-tena ary fanabeazana ho an'ny taranaka ho avy izy mianaka.