Eto Madagasikara, manampy ny ankizivavy miatrika ny fahatanorany ny fidirany anaty klioban-jazavavy.
Dingana lehibe ho an’ny ankizivavy ny fahatongavan’ny fadimbolana voalohany. Natsangana any amin’ny sekolim-panjakana fanabezana fototra ny klioban’ny ankizivavy mba hanohanana azy ireo hanana fahatokiana mandritra ity vanimpotana ity.
Nosisoa, 14 taona, miomana vao maraina ho any amin'ny sekolim-panjakana, sekoly fanabeazana fototra ao Ankilimilopaka, atsimon'i Madagasikara. Misy mpianatra maherin'ny 700 ao amin’ny sekoly ary eo ho eo amin’ny 60 minitra miala ny tranony no misy azy. Ao amin'ny kilasy faha-8 izy.
Misitraka ny tetikasa maharitra roa taona avy amin'ny Zonta International – US Natcom izay mikendry ny hanatsarana ny toe-piainan'ny tovovavy any amin’ny ny sekoly fanabeazana fototra. Mikendry indrindra ny fahaiza-mitantana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, ny fanofanana ireo mpampianatra hanohana azy ireo, ny fametrahana fotodrafitrasa na ny fananganana klioban-jazavavy. Misy fikambanan’ny ankizy vavy dimy ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra dimy any amin'ny Faritr'i Androy. Ary efa manomboka izany fanofanana ny zazavavy amin'ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana izany koa ny ity koa ny sekoly any amin’ny faritra fito hafa, dia Analanjirofo, Anosy, Menabe, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Analamanga.
Mpikambana ao amin'ny klioban'ny ankizivavy natsangan'ny mpampianatra sy ny tale i Nosisoa, (eo amin’ny farany havia) sy ny namany. Ny klioba dia ahitana ny fizarana fahalalana mikasika ny fahaza-mitantana tsara ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana sy ary mivoy ny fifanohanana eo amin'ny samy ankizivavy, rehefa tapitra ity dingan'ny fahatanorana ity.
Resahina mandritra ny taranja fahalalana ankapobeny ireo lohahevitra hafa mifandraika amin'ny fahamaotiana. Eto dia i Mendrika Andrianjara, ilay mpampianatra ao amin'ny ambaratonga fanabeazana fototra no miresaka amin'ny mpianatra momba izany. "Mpirotsaka an-tsitrapo aho hampiroborobo ny resaka fahadiovana mandritra ny fadimbolana ary hanohana ity klioban'ny tovovavy ity, izay hitako fa tena zava-dehibe. Tsy voatery hanana ny fahaiza-mandanjalanja ny firesahana momba izany ireo lehilahy mpampianatra hafa," hoy izy.
Any an-tsekoly, mihaona isaky ny afaka manao izany ireo tovovavy ao amin'ny klioba sy I Mendrika. Mihaino ny tebitebin'ireo tovovavy ireo ilay mpampianatra, satria matetika izy ireo no menatra miresaka momba izany. "Manindry mafy ny tokony hampiasana ny salaka azo sasana mandritra ny fadimbolana aho ary manoro ireo dingana isan-karazany atao hikarakarana tsara io fitaovana io" hoy izy.
Ao an-tanàna dia amidy ireny salaka azo sasana ireny mba hanaparitahana ny fampiasana azy "Fanairana ho an'ny tovovavy sy ny vehivavy hanana fitondrantena salama kokoa sy hijanona ho salama," hoy ny fanazavan'ny mpanjaitra ao an-tanàna. Ny vidin'ny iray salaka azo sasana dia mitentina 2000 Ar isan’isany na 0,22 dolara eo ho eo.
Raha hiverenana ny amin'ny klioban'ny tovovavy, dia mifampizara fahalalana betsaka ihany koa izy ireo, na mandritra ny fakan-drivotra na mialoha na aorian'ny fianarana. Tonga amin’ny salan-taona mampiova ny toe- batana sy ny fomba fijeriny izy ireo eto fa miompana amin’ny hatanorana sy ny fifandraisan'ny ankizivavy sy ny ankizilahy ny resaka ataon’I Nosisoa sy ny namany. "Tsy mahatsiaro ho irery izahay noho ny fisian’ity klioba ity. Mahazo fahalalana tsara kokoa koa izahay," hoy izy naneho ny heviny.
Anadahy ihany no ananany. Sahirana mikarakara tokantrano ny reniny ka tsy manam-potoana hiresahana momba ireo dingana lalovan’ny zatovo. "Ny taranja tao amin'ny sekoly, ankoatra ny klioba no nanampy ahy hahatakatra ny fiovana nitranga tao amiko sy ireo zavatra tokony hifantohako," hoy i Nosisoa.
Mivoy hafatra manan-danja hafa mifandraika amin'ny fahazoana rano madio, fahadiovana ary fanadiovana ihany koa i Mendrika sy ireo mpampianatra ao amin'ny sekoly. Anisan'izany ny fisotroana rano madio, fanasana tanana amin'ny savony, fampiasana trano fidiovana madio, toerana manokana na fandroana mba hisasana, fanalana ny fako isan'andro na fambolena hazo mba hahamaitso ny tontolon'ny sekoly.
Tamin'io andro io ihany, anjaran'i Dimanche, 15 taona, no nanadio ny tany fambolena legioma tao amin'ny sekoly niaraka tamin'ny roa tamin'ireo namany. Ny ankizivavy hafa kosa misahana ny fanondrahana na fiotazana. Ny tany fambolena legioma dia toerana misy voly izay mamatsy ihany koa ny trano fisakafoanana ao an-tsekoly: korizety, voatabia, tongolobe sy zavamaniry hafa maniry tsy tapaka. Betsaka ireo tetikasa ao amin’ny faritra no miompana amin’ny asa fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampifanarahana ny fomba fanao amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, toy ny ataon'ny Zonta International - US Natcom na ny Komitim-pirenena Alemana, izay mandrisika ny ankizy hitondra tena amim-pahamatorana sy hanaja ny tontolo iainana.
Misy ihany koa ny trano fidiovana mitokana ho an'ny ankizilahy sy ny ankizivavy mba hanajana ny fahadiovana sy ny fiainana manokan'ny tsirairay. Voavoatra tamin'ny akora sy fitaovana avy eo an-toerana ireo ka azo tamin’ny tetikasa fanorenana vaovao ataon'ny UNICEF amin'ny alalan'ny famatsiam-bola avy amin'ny Zonta International - US natcom.