Eto Madagasikara, manatsara ny fari-piainana ny fampiasana lava-piringa
-

Any amin’ny Faritra Androy, any atsimon’i Madagasikara no mipetraka i Zafitea miaraka amin’ny zanany roa. Reny tokan-tena manana fahasembanana izy ary miezaka amin’ny fomba rehetra hanome fiainana tsara kokoa ho an’ny taranany. Iray amin'ireo fanapahan-kevitra lehibe noraisiny ny fananganana lava-piringa ho azy manokana. Ankehitriny dia tsy anenenany izany, ary ny mifanohitra amin'izany aza no mitranga satria hitany fa mihatsara ny fiainany.
« Ny tombontsoa lehibe indrindra ho anay dia ny fahasalamana! Kely lavitra noho ny teo aloha ny vola laniko amin’ny fitsaboana ny aretina azo avy amin’ny rano, na ho ahy na ho an’ny zanako », hoy izy sady nirehareha. Ireo no voka-dratsy voalohany sy ratsy indrindra amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana eto amin’ity kaominina any atsimon’i Madagasikara ity. Ny fitsaboana atolotra eny amin'ny tobim-pahasalamana fototra dia matetika mifandraika amin’ny rano fisotro voaloton’ny diky. Mampalahelo fa io faritra io dia manana taha ambony indrindra eo amin'ny ankizy tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika isan-taona. Ny fahasarotan’ny fahazoana tolotra amin’ny lafiny fahadiovana sy fidiovana sahaza no tena mahatonga izany toe-javatra izany.
Ny UNICEF, miaraka amin'ny fanohanan'ny mpiara-miombon'antoka toa ny ASWA, dia mandrindra ny paikady ho hampiharina entina manova izany toe-javatra izany mba hananana fitondran-tena ara-pahasalamana ho an'ny fiainana ara-pahasalama. Nandresy lahatra ny mponina mba hananganan’izy ireo lava-piringany ho azy manokana ny fomba fanentanana teo anivon’ny fiaraha-monina notarihin'ny UNICEF. « Kihon-dalana manan-danja eo amin’ny fiainako ny fahatsapana fa maloto sy feno diky ny rano sotroiko. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hanangana lava-piringa ho anay aho ary nasiako sarony izany mba hisorohana ny fiparitahan’ny bibikely sy ny fandotoana ny sakafonay, » hoy hatrany Zafitea.
Nanampy betsaka azy tamin’izany ny fokonolona teo an-toerana. Satria miaina anaty fahasembanana izy dia nifanome tanana ny mpiara-monina sy ny havany mba ho voatsangana ao anatin'ny toe-javatra tsara indrindra ilay trano fivoahana. Izany fifanampiana sy firaisankina izany no nahatonga an’i Zafitea ho isan’ireo mpitarika ny tanànany amin’ny fampidirana io fenitra vaovao io. Manentana ireo olona manodidina azy mahakasika ny tombontsoa azo avy amin’io fomba fanao vaovao io izy ary atao ohatra ihany koa izy satria ireo zanany roa dia beaziny ao anatin’izany fitsipiky ny fahadiovana fototra izany. Ireo ezaka iombonana ireo no nahatonga ny tokantrano tsirairay ao amin’ny kaominina Tsikolaky hanana lava-piringa ho azy manokana ankehitriny, eny fa na dia tsotsotra aza izany.
