Torolàlana ho an’ny toeram-piasana manohana ny fiainam-pianakaviana (ho an’ny orinasa rehetra)
Rehefa mahazo fanohanana ny ray aman-dreny eny anivon’ny toeram-piasana, ny ankizy tsirairay dia manana fahafahana hahazo fiandohana tsara kokoa eo amin’ny fiainana.
About
Ny UNICEF, miaraka amin’ny Ministeran’ny Asa, sy ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny « Groupement des Entreprises de Madagascar », dia nanolotra ny fitaovana ho fanomezana vahana ny « toeram-piasana manome lanja ny fiainam-pianakaviana. » Tsy inona izany fa torolàlana iray izay manampy ny orinasa sy ny andrim-panjakana amin’ny fanatanterahana ny politika fototra entina manamora ny fiainam-pianakavian’ireo mpiasa ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny andro tsy iasana andraisana karama ho an’ny ray aman-dreny, ny fomba fiasa azo iainana sy tsy mamoritra, na ny fanohanana ny fikarakarana ny zaza sy ny fampinonoana. Ity torolàlana ity dia azo ampiharina amin’ny sehatra efatra: birao, orinasa famokarana/fanodinana, asa fambolena ary ny sehatra mamatsy tolotra.