Eto Madagasikara, ny UNICEF dia manameloka ireo fihetsika izay mihatra amin’ny olona voan'ny albinisma ary vonona hiara-hiasa amin'ny mpiara-miombon'antoka rehetra ho fiarovana azy ireo

07 Martsa 2022
le droit à l'égalité pour chaque enfant
UNICEF/UN0150303/Dejongh

Antananarivo, 7 martsa 2022 – Manoloana ny tatitra momba ny fakàna an-keriny, ny fanafihana ary ny famonoana zaza varira manerana ny nosy, dia mampahatsiahy mafy ny UNICEF fa manan-jo ho velona ny ankizy tsirairay, na inona na inona fahasamihafana misy eo aminy ary manameloka izany toe-javatra izany izay miendrika fanitsakitsahana goavana ny zon’ny zaza eto Madagasikara.

Ny 04 martsa 2022 teo, tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Berano Amboasary no nahitana fatin’ankizy iray tokony ho 6 taona eo ho eo izay voan’ny “albinisma” efa tsy nisy aina intsony. Raha ny vaovao voaray teo aloha dia fantatra fa vola no nibaiko ireny olona nahavanon-doza ireny, satria ireo ankizy ireo dia voalaza fa amidy amin’ny olona manatanteraka sorona.

Ny firongatr’izany asan-jiolahy izany dia nahasarika ny sain’ny manam-pahaizana telo momba ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana izay nanentana ny tompon’andraiki-panjakana eto Madagasikara mba handray fepetra haingana hiarovana ny olona rehetra voan’ny albinisma. Ity antso ity dia mifanojo indrindra amin’ireo tolo-kevitra napetraky ny Komitin’ny Zon’ny Ankizy ho an’i Madagasikara tamin’ny Febroary 2022, izay manome soso-kevitra ny amin’ny famongorana ireo fomba fanao ratsy, toy ny fakana an-keriny sy ny famonoana ankizy varira. Anisan’ny ahafahana mamongotra io toe-javatra io ny « fametrahana lalàna mahakasika izany sy ny fanamafisana ny fanentanana ny fiaraha-monina iray manontolo, amin’ny alàlan’ny fampandraisana andraikitra ireo mpitondra fivavahana sy mpitarika nentim-paharazana. »

Ny fanombanana fohy mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara natao tamin’ny janoary 2022 dia nanamafy ny fisian’ny fiheverana sy finoana izay mamporisika ny fakana an-keriny, ny halatra ary ny fanondranana antsokosoko taovan’ankizy varira. Eny anivon’ny distrika sy ny kaominina, dia efa mandray andraikitra sahady ireo mpisehatra mivondrona ao anatin’ny tambajotra fiarovana ny zaza, ho fitsaboana ara-tsaina sy ara-tsosialy ary ara-pahasalamana ireo zaza niharan’ny herisetra ireo, ny fianakavian’izy ireo ary koa ny fametraha fitoriana eny anivon’ny fitsarana ho an’ireo olona ahiahiana ho nahavanon-doza.

Manahy mafy ny amin'ity toe-javatra ity ny UNICEF ka mamerina ny ahiahiny ary manohana ny lakolosy fanairana ataon'ireo manampahaizana iraisam-pirenena. Ny UNICEF dia vonona ny hanohy ny fiaraha-mientana amin’ireo manampahefana manerana ny nosy, isam-paritra ary eo an-toerana mahakasika ireo hetsika ilaina, anisan'izany ny (i) fampiharana ny hetsika momba ny fifandraisana sy ny fanentanana eo amin’ny fiaraha-monina, miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny mpitarika nentim-paharazana ary (ii) fametrahana rafitra fanaraha-maso ny fampahalalam-baovao ary (iii) fanaovana laharam-pahamehana ny fanenjehana, ny fisamborana ary fanamelohana ireo olona ahiahiana ho nahavanon-doza.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram