Ny fahazazana eto Madagasikara : fanantenana ny amin'ny ho avy
Famakafakana ny toe-draharaha momba ny reny sy ny zaza 2014

Lafiny mampahatanjaka
Ny famakafakana ny toe-java-misy (SITAN) dia manolotra fandalinana lalina momba ny toe-draharaha mikasika ny zaza eto Madagasikara, mba hahafahana mitarika ny fomba fijery sy ny hetsika izay ho tanterahina ao anatin'ny fandaharan’asa vaovaon’ny UNICEF ho an’ny taona 2015-2019. Ity famakafakana ity dia mikendry bebe kokoa ny hamolavolana fenitra mikasika ny zon'ny zaza malagasy, araka izay tratra. Izany no natao dia mba hanamafisana ny fandresen-dahatra sy hanomezana torolalana momba ny fandrafetana ny tetik’asa manaraka, ho an'ny fampandrosoana sy ny politikam-panjakana.
Ny fanatanterahana ny famakafakana dia niorina tamin’ireo fanadihadiana natao farany teto amin’ny firenena sy ny fikarohana tahirin-kevitra mivelatra, ary ireo atrikasa sy fifampidinihana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka nasionaly nokarakarain'ny biraon'ny UNICEF eto Madagasikara. Io famakafakana io dia notontosaina araka ny fomba fiasa mifototra amin’ny zon'olombelona sy ny fitovian’ny lahy sy ny vavy. Izy io dia manaraka ihany koa ny fitsipika izay milaza fa ny zon’olombelona dia maneran-tany, tsy azo sarahina, mifampiankina ary tsy azo esorina amin’ny olona. Ho fanampin’izany, io fitsipika io dia mbola manindry fa ny ankizy rehetra dia mitovy zo daholo, na lahy na vavy, na inona na inona fihaviany ara-poko, na inona na inona firehana ara-pivavahana, na aiza faritra fihaviany, na aiza toerana onenany na inona ny haavon'ny fari-pananany.
Ny SITAN dia manomboka amin'ny fanolorana ny toe-draharaha nasionaly (toko 1), avy eo dia mizara ho ampahany telo lehibe mikasika ny zon'ny reny sy ny zaza hiaro ny ainy (toko 2, izay misy fizarana telo: Sakafo ara-pahasalamana, fahasalamana, rano-fahadiovana-fidiovana), ny zo hahazo fanabeazana (toko 3), ary ny zo hahazo fiarovana ny zaza (toko 4).
Ho an'ny fizarana tsirairay, ny famakafakana dia mampiseho ny fironan’ireo tondro nasionaly, manasongadina ny tsy fitoviana eo amin'ny fisitrahana ireo zo sy tolotra voakasik’izany ary manolotra fanadihadiana mifandraika amin’ny antony mahatonga ireo olana tsikaritra. Azo tsoahina araka izany ireo fanamby dimy lehibe izay tokony ho raisina ho laharam-pahamehana ary ny tolo-kevitra ho an'ireo taona ho avy, mba hampitomboana betsaka ny fanatanterahana ara-drariny ny zon'ny reny sy ny zaza eto Madagasikara.