Fiatrehana sy fiomanana amin’ny loza

Ny UNICEF dia miasa mba ho afaka hiaina am-pilaminana ny ankizy tsirairay ary afaka hiarina raha sanatria iharan’ny loza voajanahary na loza vokatry ny nataon'olombelona.

Kere any atsimo
UNICEF/UN0496556/Andrianantenaina

Ny sedra misy

icon drought secheresse

Haintany

El Nino - Tranga voajanahary mampihombo ny haintany lavareny any atsimo

icon storm cyclone

Rivodoza

Toerana marefo amin'ny rivodoza i Madagasikara, indrindra ny morontsiraka Atsinanana

icon epidemie

Valan'aretina

Fiverimberenan'ny pesta indrindra indrindra

Ny ataon'ny UNICEF

Hamafisina ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fampihenana ny loza mety hitranga ka ho hita taratra amin’ireo fandaharan’asa izany
Hatsaraina ny fitsinjarana isam-paritra ny paikady fiatrehana ny loza
Ary hampiharina ireo firotsahana an-tsehatra vonjimaika
Araka ny fifanekena fototry ny UNICEF ho an’ny ankizy.
 

Ireo vokatra nisongadina

Enfant dans le sud

Haintany

  • Ankizy miisa 62.000 nomena fanamafisam-pampianarana
  • Tokantrano miisa 56.700 nisitraka ny fanampiana ara-bola
  • Ankizy latsaky ny 5 taona miisa 130.000 notsaboina tamin’ny aretina mpahazo ny ankizy
  • Olona miisa 340.000 nisitraka fitateran-drano tamin’ny kamiao, lavadrano 47 natsangana, lavadrano 275 ary tambajotra famatsian-drano fisotro madio 6 navaozina
  • Fandraisana anjara tamin’ny fananganana / fanarenana ny lakan-drano ao Sampona sy Ampotaka (tanjona: olona 100.000)
  • Ankizy miisa 15.821 voatsabo tamin'ny tsifanjariantsakafo mahery vaika; 100.000 isam-bolana natao fitiliana
  • Haiforona amin’ny fanjariantsakafo: fitiliana amin'ny alalan’ny fitaovam-pandrefesana (MUAC) ataon'ny renim-pianakaviana
Une mere de famille va puiser de l'eau a une pompe innondee par le cyclone Enawo

Rivodoza Enawo

  • Olona 344.000 nahazo rano fisotro madio
  • Tokantrano 10.930 nisitraka ny fanampiana ara-bola
  • Famerenana ny tolotra ara-pahasalamana (tobim-pahasalamana vonjimaika 23, fizaham-pahasalamana mandehandeha 3)
  • Ankizy 54.000 niverina an-tsekoly (fotodrafitrasam-pampianarana vonjimaika, sekoly vonona anaty kesika, sns...)
Equipes en visite de patient a l'hopital Itaosy durant l'epidemie de peste

Valanaretina pesta

  • Ankizy miisa 2.000.000 tafaverina an-tsekoly taorian'ny fampiofanana mpampianatra miisa 15.000 sy fanomezana fitsapana hafanana 11.000
  • Toeram-pitsaboana 11 nahazo fitaovana feno momba ny fanokana-monina sy fidiovana, mpikirakira fahadiovana 300 no nofanina sy nohetsehina
  • Peta-drindrina fanentanana miisa 174.000 no naparitaka, tafa-petraka ny ivotoerana fandraisana antso maimaimpoana (Naharaisana antso 40.000 )