Fiarovana ny ankizy

Ny UNICEF dia miasa mba ho lehibe ao anaty tontolo voaaro amin'ny herisetra sy ny fanararaotana ny ankizy tsirairay

Miaro ny zaza
UNICEF/UN0484791/Ramasomanana

Ny sedra misy

2 amin'ny 5

Ankizivavy 2 amin'ny 5 no manambady na miditra amin'ny fiarahan’olondroa alohan'ny faha-18 taonany, mahatonga an'i Madagasikara ho iray amin'ireo firenena manana taha ambony indrindra maneran-tany amin'ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona.

1 amin'ny 2

Saika zaza 1 amin'ny 2, 5-17 taona izany hoe zaza tsy ampy taona nefa tafiditra amin’ny sehatry ny asa (47%); Mahakasika bebe kokoa ny zazalahy (50%) mihoatra amin’ny zazavavy (44%), mahakasika ihany koa ny ankizy avy any ambanivohitra (51%) sy faritra an-tanàn-dehibe (32%), ary ankizy avy amin'ny fianakaviana sahirana (57%).

9 amin'ny 10

Ankizy 9 amin'ny 10 no iharan'ny famaizana mampiasa herisetra amin'ny endrika sazy ara-batana na fanararaotana ara-tsaina.

Misy fandeferana manoloana ny herisetra sy ny fampiasana ankizy eo anivon’ny fianakaviana, ambany ny tahan'ny tatitra ary tsy mifanentana amin’ny zava-misy ny fitoriana ny olona mahavanona herisetra amin’ny ankizy, torak’izany koa ny fisorohana ny herisetra sy ny fandraisana an-tànana ireo niharam-boina. 

Ny ataon'ny UNICEF

Bras de bebe dans son berceau

Manamafy ny rafitra fiarovana ny ankizy

Lalàna sy lasitra politika, rafi-piarovana, fandrindrana (Komitim-pirenena momba ny fiarovana ny zaza, tambazotra mpiaro ny zaza (RPE) eny anivon’ny faritra , fonosan-tolotra fototra, Ivontoerana fandraisana an-tànana ny ankizy niharan’ny herisetra ara-pananahana ("Centres Vonjy"), fanangonam-pahalalana, fitsarana ho an'ny ankizy, fandraketana sora-piankohonana.

Bebe dans les bras de sa grande soeur

Mampihena ny herisetra mianjady amin'ny ankizy

Fisorohana amin'ny alalan'ny fanentanana ny fiarahamonina ifotony arahina fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fahafaha-misedra ananan’ny ankizy any amin’ny fiarahamonina sy any an-tsekoly, fanamorana ny fomba fitaterana tranga, fandraisana an-tanana ireo niharan’ny herisetra.

Jeune fille vue de dos

Mampihena ny fanararaotana sy fampiasana ankizy

Fiaraha-miasa amin'ny tontolon’ny  fizahan-tany,  fiarovana ny ankizy amin'ny fanararaotana amin’ny internet, ady amin’ny fampiasana ankizy

Jeune fille de profil en classe

Miady amin'ny fampanambadiana ankizy

Fanatanterahana ny paikadim-pirenena hiadiana amin'ny fanambadian'ny ankizy. 

Enfant allonge sur un lit d'hopital

Fiarovana ny ankizy manoloana ny loza

Fandrindrana ny mpisehatra miaro ny ankizy, paikady hoenti-miatrika loza, fiomanana sy fiatrehana (toerana sahaza ny ankizy, fanamafisana ny fahaiza-manao)

Tahirin-kevitra

Fanombanana famintinana ny programa fiarovana ny ankizy

Fanombanana natao hanampiana ny Biraon’ny UNICEF amin’ny fanitsiana sy fanavaozana ny programa fiarovana ny ankizy ho an’ny vanim-potoana 2024–2028.

Haka ilay tahirikevitra

Ny ankizy manoloana ny ny fandraharahana ara-pambolena

Famakafakana mikasika ny fiantraikan'ny sehatry ny fandraharahana ara-pambolena sy ny voly manoloana ny zon'ny zaza any amin'ny faritra Sava, Analanjirofo

Vakio ny andinindininy

Arozaza

Tranonkala ahitana ireo tsara ho fantatra rehetra hiarovana ny ankizy amin'ny internet

Tsidiho

We Protect Global Alliance

Hetsika sy fiombonana iraisam-pirenena natao manokana hiadiana amin'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy tamin'ny alalan'ny internet

Tsidiho