Zava-dehibe ny feon’ny tanora tsirairay: U-Reporters maherin’ny 10.000 no nisoratra anarana eo amin’io sehatra io eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

07 Novambra 2022
U-Reporters
UNICEF/UN0484662/Ramasomanana

Antananarivo, 6 Novambra 2022 – Ny UNICEF Madagascar dia mankalaza ny fidiran’ny mpikambana tanora maherin’ny 10.800 eo amin’ilay sehatra malalaka fanehoan-kevitra amin’ny alàlan’ny SMS U-Report. Ity fitaovana ity izay tafiditra tao anatin’ny fandaharan'asa fanohanana ny fandraisan'anjaran'ny tanora, dia tena nitarika hafanam-po miavaka, ary  nahafahana mahita ny toerana manan-danjan’ny tanora mahakasika ny lohahevitra mifandraika amin'ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiaraha-monina.

Tsy izany tokoa mantsy fa asaina ireo tanora mba hanara-baovao, hifanakalo hevitra ary haneho hevitra momba ireo lohahevitra mahakasika ny tontolo iainany mivantana toy ny fanabeazana, ny fiovan'ny toetr'andro, ny fahasalamana, ny vaksiny COVID-19, ny fiarovana ny ankizy, ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy, ny fampiatiana ary ny fahasembanana… Ireo U-Reporters dia mandray andraikitra manokana amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy, fa indrindra amin'ny alàlan'ny fanaovana famandrihana amin'ny findainy. Ny fandefasana ny teny hoe « ureport » maimaim-poana amin’ny alàlan’ny SMS amin’ny laharana 301 amin’ny Telma, Airtel ary Orange dia miantoka ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanadihadiana sy ny fampahafantarana ny hevitr’izy ireo. Maherin'ny 20 ny fanadihadiana natao hatramin'izao, ka ny vokatr’izy ireny dia hita ao amin'ny tranokalan'ny U-Report Madagascar: https://madagascar.ureport.in/

« Ny feon'ny tanora dia tena herin'ny adisisika izay tsy maintsy jerena manokana. Zava-dehibe ny mahafantatra ny hevitr'izy ireo mahakasika ireo fandaharan’asantsika, ny zava-misy ao amin'ny fireneny, ny mahatakatra ny zavatra iainan’izy ireo amin'ny maha-tanora azy. Ho an'ny UNICEF, ity domberina ity dia manampy anay amin’ny fitondrana valiny sahaza ary mampifanaraka ireo fandaharan’asa tiana apetraka mba hifanakaiky araka izay azo atao amin'ny filàn'izy ireo, » hoy i Gilles Chevalier, Solotena mpisolo toerana sady Solotena lefitra miandraikitra ny Fandaharan'asan'ny UNICEF Madagascar.

Nahitam-bokany sahady izany fandraisana anjara mavitriky ny tanora amin’ny sehatra U-Report izany. Tany Paris, mialoha ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana  tamin’ny volana septambra, ny U-Report dia nahafahan’ny tanora maherin’ny 3.000 nitondra ny feon’izy ireo mahakasika ny fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara. Nasaina ny tanora mba haneho hevitra mikasika ny kalitaon'ny fanabeazana, ny fahazoana aterineto any an-tsekoly, ny fahasalamana sy ny fiarovana any an-tsekoly, ny enti-manana ary ny fahaiza-manao any an-tsekoly. Taorian’izany dia natolotra ny Antenimieram-pirenena tamin’ity herinandro ity ny volavolan-dalàna vaovao momba ny fanabeazana, izay mampiseho indrindra ny 10 taona tsy maintsy andehanana an-tsekoly manomboka amin’ny faha-5 taona; izany dia notsinjaraina ho taom-pianarana herin-taona ho an’ny garabola, enin-taona ho an’ny fanabeazana fototra ary telo taona ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona dia nahatratra 65 isan-jato mahery ny tahan’ny mpikambana U-Report, ka ny 53 isan-jato amin’izy ireo dia tovovavy, izany hoe tanora maherin’ny 5.360. Ny 36 isan-jato amin'izy ireo dia eo anelanelan'ny 20 sy 24 taona, ary ny 29 isan-jato dia eo anelanelan'ny 15 sy 19 taona. Ny U-report koa dia ahitana salan'isan’ny valin-teny mihoatra ny 88 isan-jato amin'ireo fanadihadiana rehetra efa natao. Iray amin’ireo firenena 93 mampiantrano ny U-report i Madagasikara, izay ahitana mpikambana maherin’ny 26.000.000.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram