Vokatry ny fiarahamiasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) sy ny UNICEF Madagascar ary ny Airtel Madagascar dia azo atao eny anivon’ny fiarahamonina sy ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoany fianarana ara-kajy mirindra
Famoaham-baovao iraisana

Antananarivo, 10 febroary 2023 – Androany no niaraka nanao sonia ny fifanarahana mikasika ny fanamorana ny fidirana amin’ny fampianarana ara-kajy mirindra eto Madagasikara ireo ankolafy telo, dia ny Ministera ny Fanabeazam-pirenena, UNICEF Madagascar ary Airtel Madagascar. Dimy taona no faharetan’ny fifanarahana, ary haparitaka voalohany ho an’ny mpianatra miisa14,000 manerana ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa 15 any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Boeny. Ireo mpianatra ireo sy ny vondrom-piarahamonina, mpampiasa ny tambajotra Airtel Madagascar, dia afaka hisitraka maimaimpoana ny sehatra ara-kajy-mirindra atolotry ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena na aiza na aiza sy amin’ny fotoana rehetra eto Madagasikara.
Ity fifanaraham-piaraha-miasa ity dia vokatry azo avy amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny UNICEF sy Airtel Afrique ao anatin’ny fandraisana an-tanana ny tetik’asa « Fijery vaovao mikasika ny fanabeazana » (Ré-imaginer l’éducation) ao amin’ny UNICEF. Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny tany afrikana mahatratra manodidina ny 57 tapitrisa dolara, izay sitrahan’ny firenena miisa13 dia ny firenen’i Tchad, Congo Brazzaville, Gabon, Kenya, Malawi, Niger, Nigeria, repoblika demokratika an’i Congo, Rwanda, Tanzanie, Ouganda, Zambie ary Madagasikara.
Ainga vaovao niarahana namolavola tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izy ity ary mitsoka rivo-baovao eo amin’ny sehatrin’ny fanabeazana satria afaka misitraka ny tontolom-pampianarana ara-kajy mirindra ny mpianatra sy ny mpampianatra, efa hita rahateo nandritran’ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 ny mahazava-dehibe izany. Iny krizy ara-pahasalamana iny dia nampiseho fa zava-dehibe ny fahafantarana fa misy ny tsy fitoviana vokatry ny ho avy niomerika tsy mitovy. Noho ny fikatonan’ny sekoly tamin’ny taona 2020 nahatratra 30% ireo mpianatra maneran-tany nitsoaka an-daharana ka nandao ny sekoly. Ankehitriny dia mbola sarotra ny zava-misy ankehitriny ho an’ireo tsy manana fahafahana hisitraka ny fampianarana ampitain-davitra. Nantritra ny Fihaonam-be fara-tampony mikasika ny fanovana ny fanabeazana izay natao tany New York dia notsindriana fa laharam-pahamehana ny famenoana ny banga ara-kajy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.
Nampivondronona ao anatin’ity fifanarahana ity dia traikefa ananan’ireo manam-pahaizana avy amin’ny UNICEF sy Airtel Madagascar hoentina hanampiana ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-4 izay miompana indrindra amin’ny « fanabeazana sy ny kolontsaina ho an’ny rehetra ».
Mankasitraka izao fiaraha-miasa amin’ny sehatra hoenti-manolotra fanabeazana manara-penitra sy ara-drariny ary mampiaty ho an’ny ankizy malagasy izao ny UNICEF Madagascar. Ny UNICEF dia manolo-tena hiara-miasa amin'ny governemanta hanao izay rehetra azo atao aoanatin’izany fiaraha-miasa izany mba hitombo ny isan’ireo ankizy sy tanora, hatramin’ireo marefo indrindra, mahazo tombontsoa mivantana amin'ity fandaharan’asa iarahana ity. Amin’ny alalan’ity hetsika iaraha-mitantana ity, ny Airtel Madagascar dia maneho koa ny fahavononany ho an’ny zaza malagasy, sy amin’ny fampiroboroboana ny fitaovana nomerika hampiakarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara. Ity fiaraha-miasa ity dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana manara-penitra ho an'ny ankizy sy ny tanora tsirairay.
*Tsy manohana orinasa, na marika, na vokatra na tolotra ny UNICEF.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram