Vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro 130 sy “kit” fiarovana amin’ny COVID-19 mba hanamafisana ny fanaovana vaksiny ny zaza malagasy sy ny vehivavy bevohoka

Antananarivo, 04 septambra 2020. Mba hiantohana ny fitohizan'ny tolotra fanaovana vaksiny eto Madagasikara, ny Banky Iraisam-pirenena sy ny UNICEF dia manamafy ny fanohanany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alàlan'ny tetik’asa fanitarana ny fanaovana vaksiny, indrindra manoloana ny valan’aretina COVID-19.
Vata fampangatsiahana miisa 130 avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy “kit” fiarovana avy amin'ny UNICEF no natolotra androany tany amin'ny biraon’ny SALAMA eny Anosiala Ambohidratrimo.
Ny fanomezana ireo vata fampangatsiahana 130 ireo, ho fanampin'ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro 500 izay nomen'ny UNICEF tamin'ny taona 2019 avy amin’ny famatsiam-bolan’ny GAVI, dia ho zava-dehibe tokoa ho an'ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly misitraka izany. Distrika 15 amin'ireo faritra 5 tokoa mantsy no ho afaka hitazona ny hatsaran’ny kalitaon’ny vaksiny amin’ny fahazoana izany fitaovana izany, mainka satria ny ankamaroan'ny tobim-pahasalamana dia mbola mampiasa vata fampangatsiahana mandeha amin’ny solika izay tsy ankatoavina intsony, ankoatry ny olan'ny solika sy ny kojakoja fanolo.
Ny tanjon'ity fanomezana ity dia mba hiantohana ny fisian'ny vaksiny manara-penitra eny anivon’ireo toerana fanaovana vaksiny rehetra ary hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamana miandraikitra ny fanaovana vaksiny sy ireo marary manoloana ny COVID-19.
Isan-taona, ny tetik’asa fanitarana ny fanaovana vaksiny dia mikendry ny hanaovana vaksiny maimaimpoana zaza Malagasy eo ho eo amin’ny 1.000.000 sy vehivavy bevohoka 1 228 000, anisan'izany ireo vaksiny mahazatra eny amin'ny hopitaly sy tobim-pahasalamana fototra mba hiarovana azy ireo amin'ny aretina azo sorohina amin'ny alalàn’ny vaksiny. Marihina fa ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza dia mijanona ho laharam-pahamehan'ny Governemanta Malagasy ary iray amin'ireo fanamby lehibe napetraka ao anatin’ny Fandaharan’asa ho fisandratan’i Madagasikara.
"Zava-dehibe tokoa ny fahafahan’ny vehivavy sy ny zaza mahazo hatrany ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, ary indrindra ny fahazoana tsy ankiato ireo vaksiny fanefitra rehetra araka ny tetiandro fanaovam-baksiny; ka anatin’ny tontolo mahasalama tsy atahorana ho tratran’ny COVID-19 izany”, hoy ny fanazavan'Andriamatoa Michel Saint-Lot, solontenan'ny UNICEF eto Madagascar.
Ireo faritra sy distrika misitraka ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro:
FARITRA |
ISAN'NY VATA FAMPAGATSIAHANA |
DISTRIKA |
ISAN'NY VATA FAMPAGATSIAHANA |
|
|
|
Ambatondrazaka |
12 |
|
Alaotra Mangoro |
55 |
Amparafaravola |
13 |
|
Andilamena |
2 |
|||
|
|
Anosibe An'Ala |
13 |
|
|
|
Moramanga |
15 |
|
|
|
Ambohidratrimo |
13 |
|
|
|
Anjozorobe |
10 |
|
Analamanga |
40 |
Ankazobe |
6 |
|
Tana 1 |
3 |
|||
|
|
Tana nord |
5 |
|
|
|
Tana sud |
3 |
|
Bongolava |
21 |
Tsiroanomandidy |
21 |
|
Itasy |
7 |
Miarinarivo |
6 |
|
Soavinandriana |
1 |
|||
Vakinankaratra |
7 |
Antsirabe II |
7 |
|
|
TOTAL |
|
130 |
Ireo faritra mahazo “kit” fiarovana sy fanajana ny elanelana 1 metatra:
|
|
|
Fitaovana fiarovana |
|
|
|
|
Faritra |
|
|
|
|
|
|
|
|
Gels |
Peintures à l’huile mavo |
|
Borosy fisaka na pinceaux plats |
|
|
|
|
Savony |
Famonoana otrik’aretina |
|
Eaux de javel |
|||
|
|
|
|
Fandrarahana poizina (“pulvérisateurs”) |
|||
Analamanga |
15663 |
227 |
227 |
227 |
454 |
227 |
227 |
Atsinanana |
8970 |
130 |
130 |
130 |
260 |
130 |
130 |
Alaotra Mangoro |
8349 |
166 |
166 |
166 |
332 |
166 |
166 |
Matsihatra Ambony |
11454 |
121 |
121 |
121 |
242 |
121 |
121 |
Analanjirofo (Fenoarivo Atsinanana sy Soanieran'Ivongo |
3564 |
49 |
49 |
49 |
98 |
49 |
49 |
TOTAL |
48000 |
693 |
693 |
693 |
1386 |
693 |
693 |
|
Contact presse :
Dr Bodohanta Christiane RAMAMONJISOA, Directeur du Programme Elargi de Vaccination
Tél : +261 34 04 807 92
E-mail : dpev.minsan@gmail.com