Tsy nahitana fihatsarana ny sakafon’ny zaza tato anatin'ny folo taona lasa, toe-javatra izay mety "hiharatsy kokoa" nohon’ny COVID-19 – UNICEF
Mandritra ny vanim-potoana manan-danja izay manomboka handraisan’ny zaza sakafo mafy dia zaza iray amin'ny telo ihany no misitraka sakafo isan-karazany ampy hitomboany ara-dalàna

NEW YORK, 22 septambra 2021 - Ny zaza latsaky ny 2 taona dia tsy mahazo sakafo na otrikaina ilaina amin'ny fivelarany sy fitomboany, ka mety hitarika fahapotehana tsy ho voaavotra eo amin’ny fitomboany, hoy ny tatitra navoakan'ny UNICEF.
Ao anatin’ny « L’échec dans l’assiette ? La crise de l’alimentation dans la petite enfance, » - Tsy fahombiazana avy ao anaty vilia?, Ny krizy ara-tsakafo amin'ny fahazazana nivoaka mialohan’ny Fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana (ONU) momba ny rafitra ara-tsakafo izay tanterahina amin'ity herinandro ity no nanaovan’ny UNICEF fampitandremana: ny fitomboan'ny fahantrana, ny tsy fitoviana, ny fifanolanana, ny loza ara-toetrandro ary ny hamehana ara-pahasalamana toy ny valan’aretina COVID-19 no tena miteraka krizy ara-tsakafo eo amin'ireo ankizy tena madinika, krizy izay tsy nahita fihatsarana firy tao anatin'ny folo taona.
« Tena mazava tanteraka ny fehin-kevitr'ity tatitra ity: na dia ao anatin’ny dingana lehibe eo amin'ny fitomboany aza izy ireo dia zaza an-tapitrisany no tsy mahazo sakafo ara-dalàna, » hoy i Henrietta Fore, Tale Mpanatanteraky ny UNICEF. « Ny tsy fahampian'ny sakafo ara-pahasalamana mandritra ny roa taona voalohany eo amin'ny fiainany dia mety hitarika fahasimbana tsy azo avotana intsony eo amin’ny fivoaran'ny vatany sy ny ati-dohany, izay ao anaty fitomboana tanteraka. Noho izany dia mety hitarika fahavoazana eo amin’ny fianarany, ny vina arak’asa sy ny ho aviny izany. Fantatra izany toe-javatra izany nandritra ny taona maro, saingy tsy nisy fivoarana firy mba nahafahana niantoka ny fahazoan’ny ankizy madinika sakafo mahavelona sy azo antoka ary sahaza ny taonany. Toe-java-misy izay mbola mety hiharatsy ihany koa anefa izany nohon’ny krizy maharitra mifandraika amin’ny COVID-19.
Raha ny fanadihadiana natao tany amin'ny firenena 91 dia hita fa ny antsasaky ny zaza 6 ka hatramin'ny 23 volana ihany no mahazo ny fatrana sakafo farany kely izay tokony ho azony isan'andro, ary ny ampahatelony amin'izy ireo ihany no mihinana ny karazan-tsakafo farafahakeliny ilainy ho an’ny fitomboany. Ny fanadihadiana lalindalina kokoa natao teo amin’ny firenena 50 miompana tamin’ny statistika misy dia mampiseho fa ireo endrika tsy fahampiana sakafo ireo dia naharitra nandritra izay folo taona lasa izay.
Eto Madagasikara, 79 isan-jaton’ny zaza 6 ka hatramin'ny 23 volana dia tsy mahazo ny fatrana sakafo farafaharatsiny azo ekena. Tsy latsaky ny ankizy roa amin'ny dimy no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, toe-javatra iray niharatsy noho ny valan’aretina COVID-19 sy ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo mahery vaika any atsimon'ny nosy, ka nampitombo ny isan'ireo zaza tsy mahazo sakafo ahafahany mitombo ara-dalàna.
Ao anatin'ny toe-javatra izay ahitana fa ny COVID-19 dia mbola manelingelina ny fiantohana ireo tolotra tena ilaina ary miteraka fahantrana bebe kokoa, ny tatitra dia mampiseho fa misy fiantraikany amin'ny fomba fanomezan'ny fianakaviana sakafo ny zanany ilay areti-mandringana. Ohatra, araka ny valin'ny fanadihadiana natao tamin'ny tokantrano an-drenivohitra tao Jakarta, ny antsasaky ny fianakaviana dia tsy maintsy nampihena ny fividianany sakafo ara-pahasalamana.
Vokatr'izany dia nihena iray ampahatelony ny isan’ny ankizy mihinana ny karazan-tsakafo farafahakeliny tokony hohaniny teo anelanelan’ny taona 2018 sy 2020.
Ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fomba fihinanan-tsakafo tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy amin'ny fahazazàna dia mamela takaitra mandra-maty. Ny tsy fihinanana ara-dalàna sakafo feno otrik’aina (legioma, voankazo, atody, trondro sy hena), izay ilaina amin'ny fitomboan'ny ankizy madinika, dia mety hiteraka olana amin'ny fitomboana, ny fianarana, ny hery fiarovana, ny fitomboan'ny aretina, ary mety hitarika hatramin’ny fahafatesana aza.
Ny zaza latsaky ny 2 taona no mora tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra amin’ny endriny rehetra: fahataran’ny fitomboana, ny tsy fahampian-danja, ny tsy fahampian-tsakafo feno otrik’aina, ny hatavezana be loatra ateraky ny sakafo tsy ara-dalàna. Ny antony: mandritra io vanim-potoana io no tena be indrindra ny otrik’aina takian’ny vatana, arakaraka ny lanja.
Tombanan'i UNICEF fa mihoatra ny antsasaky ny zaza latsaky ny 5 taona manerantany no ianjadian’ny tsy fahampian-danja – izany hoe zaza miisa 23 tapitrisa eo ho eo – no ao amin'ny sokajin-taona 0-2 taona, ary ny taham-pisian’ny fahataràn’ny fitomboana dia mitombo haingana eo anelanelan'ny 6 volana sy 2 taona, rehefa tsy ampy ny sakafo hohanin’izy ireo mba hahafahany mameno ny filàna ara-tsakafo izay mitombo hatrany.
Araka ny tatitra, ny ankizy 6 ka hatramin'ny 23 volana monina any ambanivohitra na any amin'ny tokantrano mahantra dia azo inoana kokoa fa hihinana sakafo tsy ampy otrik’aina kokoa, raha oharina amin’ireo ankizy mipetraka amin'ny faritra an-tanàn-dehibe na avy amin'ny fianakaviana manan-karena. Ohatra, tamin'ny taona 2020, ny isan’ny ankizy nisitraka ny karazan-tsakafo farafahakeliny ilaina dia avo roa heny teny amin’ny tanàn-dehibe (39 isan-jato), raha oharina amin'ny ambanivohitra (23 isan-jato).
Mba hiantohana fa ny zaza rehetra dia hahazo sakafo mahavelona, azo antoka ary mora vidy, ny UNICEF dia miantso ny governemanta, ireo mpamatsy vola, ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiantsehatra amin'ny fampandrosoana mba hiara-misalahy amin'ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ary ny fiahiana ara-tsosialy, amin’ny alàlan’ny fandraisana fepetra lehibe entina:
- Mampitombo ny fisian'ny sakafo ara-pahasalamana, toy ny voankazo, legioma, atody, trondro, hena ary sakafo be otrik’aina amin'ny alàlan'ny famporisihana ny famokarana, ny fanapariahana ary ny fizarana izany;
- Mametraka fenitra sy lalàna nasionaly hiarovana ny zaza manoloana ny sakafo sy zava-pisotro voahodina, izay ratsy ho an’ny fahasalamana ary mampitsahatra ny fomba fanao ara-barotra izay manimba ny ankizy sy ny fianakaviana;
- Mandray andraikitra mba hahatonga ny olona ho voasarika kokoa amin’ny sakafo ara-pahasalamana sy azo antoka, amin'ny alàlan'ny fampiasana fantsom-pifandraisana marobe, ao anatin'izany ny media nomerika, mba hanomezana vaovao mitombina sy mora takarina ho an’ny ray aman-dreny sy ny ankizy.
Manasongadina ny tatitra fa azo atao ny mahita fandrosoana rehefa misy ny fampiasam-bola. Ohatra, saika ny roa ampahatelony (62 isan-jato) amin'ireo zaza 6-23 volana monina any Amerika Latina sy Karaiba no misitraka ny fatra farany ambany indrindra amin’ny sakafo miovaova sy maroloko, raha toa ka miakatra ho latsaky ny iray amin'ny zaza efatra izany taha izany any Atsimo sy Atsinanan’i Afrika (24 isan-jato), Afrika Andrefana sy Afovoany (21 isan-jato) ary Azia atsimo (19 isan-jato). Any amin'ny faritra rehetra dia tokony hisy ny fampiasam-bola mba hahazoana antoka fa hisitraka sakafo isan-karazany sy maro loko ilainy ny zaza rehetra entina misoroka ny endrika tsy fanjarian-tsakafo rehetra ary ahafahan'izy ireo mitombo, mivoatra ary mianatra tsara araka izay tratra.
« Ny kaloria fotsiny dia tsy ampy hahavelomany na hampivelarana ny zaza, » hoy ny Tale Mpanatanteraka. « Ny fampivondronana hery miaraka amin'ny governemanta, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpiara-miombon'antoka eo amin'ny sehatra maha-olona sy ny fampandrosoana ary ny fianakaviana no ahafahantsika manova ny rafitra ara-tsakafo sy miantoka sakafo ara-pahasalamana, azo antoka ary mora vidy ho an'ny ankizy tsirairay. Ny Fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny rafitra ara-tsakafo izay ho tanterahina atsy ho atsy dia fotoana sarobidy hametrahana fototra amin'ny fananganana rafitra ara-tsakafo manerantany izay afaka mamaly ny filàn’ny ankizy rehetra. »
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram