Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa U-Report ny tanora Malagasy

25 Jona 2021
U-Report
UNICEF Madagascar/2021/Ramasomanana

« Zava-dehibe ny feonao », izany no antso avo ataon’ity tetik’asa U-Report tanterahan’ny UNICEF ity; miantefa amin’ny tanora manerana izao tontolo izao izany mba hanentanana azy ireo hilaza ny ao am-pony, hilaza ny heviny amin’ny alàlan’ny fanadihadiana izay hita eny amin’ny tambajotra sosialy.

« Misy mihaino ? », izany no antsoantso toa mihantsy avy amin’ny U-Report Madagascar. Vao niditra tamin’ity fandaharan’asa maneran-tany U-Report tanterahan’ny UNICEF ity i Madagasikara, miaraka amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ary mpiara-miombon’antoka hafa. Ny fanokafana izany fandaharan’asa izany tamin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara dia notanterahana tany Taolagnaro ny 24 Jona 2021. Hisy ihany koa ny fitokanana ny rindrin’ny tanora izay nohaingoana « graffitis » mampisongadina ny tanora. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana avy amin’ny Governemanta Koreana izany ho fiahiana ireo adolantsento sy ny tanora ao amin’ny Faritra Anosy, amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Sampan-draharaha Koreana misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (KOICA).

Ny U-Report dia fandaharan’asa azo jerena ao amin’ny tambajotra sosialy moderina (vala web, Facebook, SMS, sns…) izay manome fitenenana ny tanora momba ny lohahevitra mahakasika azy ireo sy ny haika hatrehany eo amin’ny fiarahamonina.

Ny tanjona lehiben’ilay tetik’asa dia ny hampahafantarana ny feon’ny tanora ary hamporisihina ny fandraisana anjara eo amin’ny firenena amin’ny maha-olompirenena amin’ny alàlan’ny fanadihadiana; ka fitaovana nomerika no hanatanterahana izany. Ny firenena tsirairay no mifidy ny fitaovana ampiasaina arakaraka ny zava-misy eny ifotony.

Ho an’i Madagasikara, ny hafatra an-telefonina na SMS no voasafidy. Tsy izany mantsy fa ny tahan’ny fampiasana finday dia avo kokoa raha mitaha amin’ny tahan’ny fifandraisana amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy toy ny Facebook (tena miasa indrindra eto Madagasikara). Saingy any an-drenivohitra ihany no ahitana io tambajotra io. Kanefa dia mikendry ny hanenika ny olon-drehetra tsy ankanavaka araka izay tratra ity tetik’asa ity. Ny tanorana Malagasy anelanelan’ny 14-30 taona dia entanina mba hampahafantatra ny heviny amin’ny alàlan’ny hafatra SMS. Ireo orinasam-pifandraisana an-tserasera telo lehibe TELMA, ORANGE sy AIRTEL dia miara-miasa amin’ny U-Report Madagascar.

Ny tanora ao anatin’ireo salan-taona ireo dia angatahina mba hisoratra anarana amin’ny laharana maitso 301 na inona na inona orin’asam-pifandraisan-davitra ampiasainy. Aorian’ny fisoratana anarana izay tsy andoavam-bola hatrany, dia entanina ny tanora mba handray anjara amin’ny fanadihadiana ka hitatitra ireo olan’izy ireo, ny hetahetany, ny nofinofiny ary ny tetik’asany sns... Sady tsy andoavam-bola ny tolotra no tsiambaratelo. Mangarahara sy mora hita ny vokatra ary azo jerena amin’ny fotoana rehetra ao amin’ny rohin’ny U-Report Madagascar (https://madagascar.ureport.in). Io tolotra io sy ny pejy Facebook U-Report Madagascar dia hanome izay toro-làlana sy toro-hevitra ilaina ho an’ny tanora.

Natao hamantarana ny hevitry ny tanora ny U-Report, entina manatsara ny fivoaran’ny hetsika. Ny vokatr’io fanadihadiana io dia azo ampiasaina atao adisisika eny anivon’ireo andrim-panjakana, mba hanatsarana na hampivoarana ny politikan’ny fanabeazana ohatra. Io adisisika io dia hiompana indrindra amin’ny fampidirana ny hevitry ny tanora ao amin’ireo hetsika rehetra mahakasika azy ireo.

Ny vokatry ny fanadihadiana dia ilaina ihany koa hanentanana ny tanora amin’ny alàlan’ny fiofanana tanterahan’ny tanora mitovy amin’izy ireo ihany ohatra, mba hampidirana ny fanovana ny fitondrantena. U-Report Madagascar dia manentana ny tanora Malagasy mba hisoratra anarana ao amin’io seha-pifandraisana io sy hanao izay handrenesana ny feon’izy ireo tsy tapaka araka izay azo atao.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram