Roa taona taorian'ny nipoiran’ny COVID-19, ny UNICEF sy ny OMS dia mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny fanaovam-baksiny

10 Martsa 2022
Vaccination de Ratsikitsiky
UNICEF/UN0518429/Ramasomanana

Antananarivo, 10 martsa 2022 – Efa roa taona izao no niainan’i Madagasikara tao anatin’ny valan’aretina COVID-19 ary manamafy ny UNICEF, miaraka amin’ny OMS, fa tsy azo iodivirana ny vaksiny mba hiadiana amin’ity aretina ity.

Ny vaksiny tokoa mantsy dia mijanona ho fomba azo antoka indrindra hiarovana ny tenanao sy ny hafa. Niara-niasa akaiky ny UNICEF, ny OMS ary ny mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mahazo vaksiny sy misitraka ireo andiam-baksiny feno.

Miorina amin'ny torolàlana avy amin’ny OMS sy ny tolo-kevitra naroson’ny Akademia Nasionaly momba ny fitsaboana (ANAMEM), i Madagasikara dia nandray ny vaksiny ho paik’ady fiatrehana ny COVID-19 ary namolavola ny drafitra nasionaly fanapariahana  vaksiny tamin'ny Aprily 2021. Ny fampiharana io drafitra io dia mandrakotra ny fe-potoana manomboka ny volana Mey 2021 hatramin’ny Jona 2023 ary mikendry ny hanaovana vaksiny 50,5%-n’ny totaliben’ny mponina izay mitsinjara toy izao: 3,5%-n’ny mponina (olona mihoatra ny 18 taona miisa 1,000,000) tamin’ny taona 2021; 30,95% (8.707.155) tamin’ny taona 2022; ary 16% (4.501.809) tamin’ny 2023.

Noho ny maha-mpikambana azy ao amin'ny rafitra COVAX, dia nanomboka ny dingana voalohany tamin’ny fanaovam-baksiny Astra Zeneca/Covishield fanefitry ny COVID-19 i Madagasikara tamin’ny 10 mey 2021. Nitombo tsikelikely ireo karazana vaksiny: ny Janssen, Sinopharm ary ny Pfizer izay tonga vao haingana. Nitombo ireo fahafahana mahazo vaksiny nohon’ny fandraisan’i Madagasikara anjara ao amin’ny hetsika Vondrona Afrikanina izay novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ary avy eo nohon’ny rafitra fifampizaràna ireo sarany mifandraika amin’ny vaksiny ao anatin’ny rafitra COVAX izay nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hatrany, ary farany noho ireo fanomezana tamin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa amin'ny firenena roa tonta. Vaksiny maherin'ny 20 tapitrisa no hovidina amin'ny alàlan'ny UNICEF, izay mpividy vaksiny lehibe indrindra maneran-tany.

Hatramin'ny 09 martsa 2022 dia 1.258.980 ny isan'ny olona nahazo fatrana vaksiny ary 1.012.453 ihany no vita vaksiny tanteraka, izany hoe 3,5% ny tahan’ny fanaovam-baksiny feno. Ity fandrakofana ambany ity dia mety hanazava ny fiparitahan'ny tsimokaretina eny anivon’ny fiarahamonina. Mifanohitra ny any amin’ireo firenena izay ahitana fiakaran’ny taha fanaovana vaksiny, manazava izany toe-javatra izany fa ny vaksiny dia manana fahombiazana miharihary, mampihena betsaka ny fifindran'ny tsimokaretina ary miaro mihoatra ny 80% amin'ny endrika mahery vaika na “forme grave”, na inona na inona karazan’ilay tsimokaretina.

Ankoatr'izay, toy ny vokatra rehetra ampiasaina amin'ny olombelona dia tsy hisy ny risika aotra. Tamin’ireo fatra an-tapitrisany nozaraina maneran-tany, dia tsikaritra fa ampahany vitsy kely tamin'ireo olona ihany no nahitana voka-dratsy. Tsy mampidi-doza ireo voka-dratsin'ny vaksiny amin'ny ankapobeny, satria soritr'aretina manelingelina izay mahalana no maharitra mihoatra ny 3 andro aorian'ny vaksiny no tsikaritra.

Ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra dia manampy amin’ny fanamafisana ny filàna ireo tolotra fanaovana vaksiny eo amin'ny firenena. Fomba maro no manampy amin’ny famoronana izany tolotra izany, toy ny adisisika, izay singa nokasaina hanentanana ny rafitra fandraisana fanapahan-kevitra eny anivon’ireo mpanapa-kevitra (tompon’andraiki-panjakana eo an-toerana, tompon’andraikitra politika, ara-pitantanan-draharaha, nentim-paharazana, mpitondra fivavahana, FDS, Sefom-pokontany, sns. ). Anisan’izany fomba izany ihany koa ny fanentanana ara-tsosialy iandraiketan’ny ONG, ireo mpandray anjara mpanatanteraka amin’ny alàlan’ireo fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina, ary ny serasera ho an'ny fanovana amin'ny alàlan'ny fanentanana ifotony, ny fampitam-baovao, ary ny gazety an-tsoratra sns…). Ireo olombelona loharanon-karena (VNU, STOP TEAM, POT) dia naparitaka eran’ny faritra rehetra mba hanohanana ity famoronana tolotra ity. Ny famantarana sy ny fampandehanana ireo singa ireo dia nahazo tari-dàlana avy amin’ny fanadihadiana momba ny fitondran-tena tanterahina tsy tapaka eo anivon'ireo vondrom-piarahamonina sy ireo tanjona isan-karazany atao laharam-pahamehana.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram