Ny UNICEF Madagascar dia manamafy ny fahavononany hanohy ny asa ho fampiroboroboana ny zon’ny zaza malagasy

Antananarivo, 20 Novambra 2022 – I Madagasikara, amin’ny alàlan’ny UNICEF, ao anatin’ny andraikiny amin’ny fanatsarana ny fari-piainana sy amin’ny fanomezana fahafahana ho an’ny ankizy tsirairay hisitraka ny zony, dia mankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy amin’izao andro izao, amin’ny alàlan’ny andiana hetsika entina mitondra ny feon’izy ireo eny anivon’ny ambaratonga rehetra.
Fampiatiana, ho an'ny ankizy tsirairay
Amin'ity taona ity, izany fankalazana izany dia mikendry ny hampitàna ny hafatra tsara rehetra momba ny fampiatiana sy ny fitoviana ho an'ny ankizy tsirairay, na inona na inona fahasamihafana ananany. Tena ilaina ny ady amin’ny fanavakavahana rehetra ary angatahina ny anombohana izany mba hahafahan’ny ankizy mitombo sy mivelatra ao anatin’ny tontolo mahasalama. Na dia tokony hisitraka feno ny zony aza ny ankizy tsirairay, dia mbola misy ihany ny elanelana eo amin'ny lafin’ny fahazoana fanabeazana, tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao na koa ny fiahiana ara-tsosialy feno sy sahaza. Araka ny fanadihadiana isam-bondrona mahasahana tondro maro (MICS) tamin’ny taona 2018 dia maro ireo ankizy manana fahasembanana tsy misitraka tolotra ara-tsosialy fototra, anisan’izany ny fanabeazana, satria ny 4 isan-jato amin’izy ireo ihany no mandia fianarana. Ankoatr’izany, ny ankamaroan'ny rafitra misy dia tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ary tsy ampy ireo mampianatra manam-pahaizana manokana amin’ny fandraisana an-tànana azy ireo.
Raha ny marina, ny UNICEF Madagascar dia manaitra ny amin’ny tokony hisian’ny hetsika mba hahafahan’ny ankizy tsirairay miaina sy mivoatra ao anatin’ny toe-javatra tsara indrindra. Manoloana izany indrindra dia manamafy ny hetahetany ny UNICEF mba hanohanana ny fanjakana Malagasy amin’ireo fandaharan’asa manan-danja rehetra sy hiarahana miasa amin’ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka rehetra mahakasika ny fanatanterahana sy fanapariahana ny asa fidirana an-tsehatra rehetra.
Ny fampiatiana dia hita taratra ihany koa ao anatin’ilay hira vaovao mikasika ny zon’ny ankizy navoakan’i Mirado, Ambasadaoron’ny Zon’ny ankizy. « Zon’ny Ankizy » ny lohaten’ilay hira, izay niarahana niredona niaraka tamin'i Lova Renée kely sy i Luco izay be zotom-po ary i Gilardy izay tena tia mandray andraikitra. Izany hira izany dia mampahatsiahy ny zo fototra tokony hositrahan'ny ankizy tsirairay ; ary antso fanairana natao ho an'ny ray aman-dreny sy ireo mpiantsehatra rehetra izy io mba ahafahan’ny rehetra miara-manao fanentanana ho amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy rehetra.

Baolina kitra, entina mampita ny fampiatiana sy ny fitovian-jo
Ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy amin’ity taona ity dia mifanindran-dalana amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika lehibe iray, tsy inona akory fa ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny baolina kitra 2022 atao any Qatar. Nindrana ny soatoavin'ity fanatanjahantena mampiray ity ny UNICEF mba hanentanana izao tontolo izao amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy. Ny fampiatiana ho an’ny ankizy tsirairay dia mitovy amin'ny fandeferana, fanajana ihany koa, firaisankina ary fandraisan’andraikitra manoloana ny mpiara-belona, ary mariky ny firaisankina.
Teto Madagasikara, tao amin’ny tanànan’Ambovombe, Fenoarivo Atsinanana ary Antananarivo, ankizy efa ho 250 isa, mpahazo tombontsoa amin’ny fandaharan’asan’ny UNICEF isan-karazany no nandray anjara tamin’ny lalao, nandritra ny fifaninana baolina kitra madinika teo amin’ny mpilalao fito. Nahafinaritra ny ambiansy tao ary nahafahana nanamafy ny fanentanana momba ny zon'ny ankizy ihany koa ilay fifaninanana.
Tao Fenoarivo Atsinanana, ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy dia nampita ny maha-zava-dehibe ny fananana ny maha-izy azy amin'ny alàlan’ny famporisihana ny ray aman-dreny mba hanome ny zanany ny taratasy ilaina hatreny am-pahaterahana. Tany Ambovombe dia nisongadina ny ezaka tsy ankiato tanterahan’ny UNICEF mba hahafahan’ny mponina manerana ny faritra Androy miatrika ny loza mety ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny hain-tany izay antony mahatonga ny tsy fahampian-drano sy sakafo.
Teto an-dRenivohitra, ny Ambasadaoro Mirado sady mpanohana ny zon’ny ankizy sy Lorah Gasy dia niray feo tamin’ny fanentanana ho tombontsoan’ny ankizy. Naseho ny besinimaro ny lalao Ikal'io naroson'ny UNICEF ho an'ny Fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, ary koa ny tolo-kevitra rehetra momba ny fiarovana ny ankizy amin'ny aterineto sy ny fanentanana mikasika ny fanajana ny tontolo iainana.
"Going Blue", mariky ny fanohanana ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy
Isan-taona, ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy ihany koa no fotoana handokoana toerana manan-tantara iray eto amin'ny firenena amin'ny loko mangan’ny UNICEF. Amin'ity taona ity, mandritra ny 10 andro, ny Lapan'ny Manjakamiadana dia hiloko mangan'ny UNICEF entina maneho ny fahavononan'i Madagasikara amin’ny fanampiana ireo ankizy sy amin’ny fanohanana ny UNICEF amin'ny andraikitra sahaniny.
Nandritra ny hetsika tetsy amin’ny fanaovam-baolina tetsy Andohalo dia nentanina ny mponina mba hanao akanjo manga ho fiaraha-mientana amin’ny fampiroboroana ny zon’ny zaza.

Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram