Ny tsy fahazoana fanasan- tanana amin'ny savony dia mahatonga olona an-tapitrisany maro atahorana ho voan'ny COVID-19 sy areti-mifindra hafa

24 Novambra 2020
Deux écoliers se lavent les mains joyeusement
UNICEF/UN0263245/Ramasomanana

NEW YORK, 15 Oktobra 2020 - Na dia anisan’ny hetsika sakana entina miady amin’ny areti-mifindra toy ny COVID-19 aza ny fanasana tanana miaraka amin’ny savony, dia olona an-tapitrisany eran'izao tontolo izao no tsy afaka manasa tanana, araka ny nambaran’ny UNICEF mialoha ny Andro iraisam-pirenena momba ny fanasan-tanana.

« Ity valan’aretina ity dia nampivoitra ny anjara toerana lehibe raisin’ny fahadiovan'ny tanana amin'ny fisorohana aretina, sady manasongadina olana iray izay efa tena niparitaka be ihany koa : ankizy an-tapitrisany no tsy mbola mahazo fanasan-tanana amin'ny savony eny amin’ny toerana nahaterahany, hipetrahany ary hianarany, » hoy i Kelly Ann Naylor, Tale lefitra misahana ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana eo anivon’ny UNICEF. “Tsy azo ekena izany hoe fomba tena tsotra izay entina miaro tena ity kanefa tsy afaka misitraka izany ny vondrom-piarahamonina marefo. Tsy maintsy mandray fepetra isika dieny izao mba hahafahan'ny tsirairay manasa tanana amin'ny savony ankehitriny sy amin'ny ho avy, na aiza na aiza misy azy. »

Araka ny tombana farany:

• Eto Madagasikara, ny 77 isan-jaton’ny mponina, izany hoe olona maherin'ny 19 tapitrisa no tsy manana fitaovana fanasana tanana amin'ny rano sy savony, ary mpianatra mihoatra ny 4 tapitrisa no tsy afaka manasa tanana, satria mihoatra ny 80 isan-jaton’ny sekoly dia tsy manana rano madio, savony ary toerana hanasan-tanana.

• Olona telo amin'ny dimy eran'izao tontolo izao ihany no mahazo fitaovana fototra hanasana tanana.

• Manerantany, 40 isan-jaton’ny mponina, izany hoe olona miisa 3 000 tapitrisa no tsy manana fitaovana fanasan-tanana amin'ny rano sy savony ao an-tokantrano.

• Saika ny telo ampahefatry ny mponina any amin'ny firenena tsy mandroso indrindra no tsy manana fitaovana fototra entina manasa tanana any an-tokantrano.

• 43 isan-jaton’ny sekoly izay ahitana mpianatra miisa 818 tapitrisa no tsy mahazo fitaovana fanasana tanana amin'ny rano sy savony.

• Any amin'ny firenena tsy mandroso indrindra, sekoly fito amin'ny folo no tsy ahitana fitaovana hahafahan’ny ankizy manasa tanana amin'ny rano sy savony.

 

Any amin'ireo firenena 60 izay tena tandindomin-doza ara-pahasalamana sy amin’ny maha-olona, noho ilay otrik’aretina dia:

• Olona roa amin'ny telo (1 000 tapitrisa) no tsy manana fotodrafitrasa hanasana tanana amin'ny savony sy rano ao an-tokantrano. Ny antsasak'izy ireo dia zaza.

• Ankizy telo amin'ny efatra no tsy nisitraka fotodrafitrasa fanasan-tànana tany am-pianarana teny am-piandohan’ny valan’aretina; amin’ny fitambarany, ny antsasaky ny ankizy dia tsy nahazo ireo tolotra fototra mikasika ny famatsian-drano ary mihoatra ny antsasa-manila no tsy afaka nisitraka ireo tolotra momba ny fanadiovana fototra.

• Any amin'ny faritra atsimon'i Sahara, ny 63 isan-jaton’ireo mponina an-tanàn-dehibe, izany hoe olona miisa 258 tapitrisa no tsy mahazo fanasan-tanana. Ohatra, 47 isan-jaton’ny mponina mipetraka any amin’ny faritra ambonivohitra any Afrika Atsimo, izany hoe olona 18 tapitrisa, no tsy manana fitaovana fototra fanasan-tanana any an-tokantrano; ka ireo mponina manankarena indrindra dia manam-bitana efa avy 12 heny kokoa hisitraka fotodrafitrasa toy izany.

• Any Azia Afovoany sy atsimo, ny 22 isan-jaton’ny mponina an-tanàn-dehibe, izany hoe olona 153 tapitrisa no tsy mahazo fitaovana fanasan-tanana. Efa ho 50 isan-jaton’ny mponina ao an-tanàn’i Bangladeshi ohatra, izany hoe olona miisa 29 tapitrisa, ary 20 isan-jaton'ny mponina any an-tanàn-dehibe any Inde, izany hoe olona 91 tapitrisa, no tsy mahazo fitaovana fototra fanasan-tanana ao an-tokantrano.

• Any Azia Atsinanana, 28 isan-jaton’ireo mponina Indoneziana monina an-tanàn-dehibe, izany hoe olona miisa 41 tapitrisa, ary 15 isan-jaton’ireo mponina Filipiana mipetraka any amin’ny tanàna ambonivohitra, izany hoe olona 7 tapitrisa no tsy manana fotodrafitrasa fototra hanasana tanana ao an-tokantrano.

UNICEF dia miasa manerana an'izao tontolo izao mba hahazoana antoka fa ny ankizy sy ny fianakaviana dia ho afaka hisitraka ireo fitaovana mendrika hanasana tanana. Ny UNICEF sy ny OMS dia sady manohy ny fampiroboroboana ny fahadiovan’ny tanana any amin'ny firenena maherin'ny 130, no nanomboka ny hetsika Fahadiovan’ny tanana ho an’ny rehetra (Hand Hygiene for All). Io hetsika io, izay manohana ny famolavolana ireo tondrozotra nasionaly ho fanafainganana sy fampaharetana ireo fivoarana mikasika ny fahadiovan'ny tanana, dia kendrena mba ho lasa iray amin'ny vato fehizoron’ireo asa mifandraika amin’ny fahasalamam-bahoaka. Mba hanatontosana izany dia tena ilaina ny fanatsarana haingana ny fahazoana fitaovana fanasana tanana amin’ny rano sy savony ary famonoana otrik’aretina eny amin'ny toerana rehetra. Mbola ilaina amin’izany ihany koa ny fampiroboroboana ireo hetsika mety hanova ny fomba fanao ka hanome bahana bebe kokoa ny fahadiovan'ny tanana. Ity hetsika ity izay mampivondrona ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena, nasionaly ary eto an-toerana, dia manana tanjona ny hanome vokatra sy tolotra mora vidy amin’ny fotoana maharitra, indrindra ho an’ireo vondrom-piarahamonina marefo sy sahirana.

Fanamarihana ho an'ny tonian-dahatsoratra:

• Ny sary sy b-roll dia azo sarihana eto.

• Raha te hahita ireo torohevitra rehetra momba ny fanasana tanana dia tsindriho eto.

• Raha te hahalala misimisy kokoa momba ny hetsika Fahadiovan’ny tanana ho an’ny rehetra (Hygiene for All), tsindrio eto.

Ny angon-drakitra momba ny fahazoana fitaovana fanasana tanana dia nalaina tao amin'ny tatitra mikasika ny Fandaharan’asa iombonana OMS/ UNICEF. Ireo antontam-baovao momba ny fahafatesana vokatry ny areti-kibo izay mifandraika amin’ny olan’ny EAH dia mifototra amin'ny fanombanana nataon’ny OMS mikasika ny vesatry ny aretina mifandraika amin'ny rano tsy azo antoka, ny tsy fisian'ny rafitra fanadiovana sy fidiovana. Mbola mifototra ihany koa amin’ny tombana farany momba ny fahafatesan’ny ankizy izay notanterahan’ireo vondron’ny fikambanana maromaro izany angon-drakitra izany, ka hahafahana manombatombana ny tahan’ny fahafatesana eo amin’ny tanora.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram