Ny fanasana Tanana amin’ny Savony : fihetsika tsotra izay mamonjy ain’olona maro, kanefa tsy ny rehetra no afaka manao izany

Antananarivo, 25 Oktobra 2021- Ankalazaina isan-taona ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana mba hanentanana ny olona amin’ny maha zava-dehibe izany fihetsika tsotra nefa mamonjy ain’olona maro izany. Mba hanamarihana izany fotoana izany, ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fahasalamana, amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny UNICEF, dia nikarakara hetsika fanentanana manerana ny nosy – « Fahadiovan’ny tanana ho an’ny rehetra » izay manana teny filamatra manao hoe « Eo am-pelantanantsika ny ho avy, ndao hiaraka handray andraikitra ». Ny tanjona dia mifototra amin’ny lafin-javatra roa lehibe. Amin’ny lafiny iray, izany dia entina manamafy ny fanentanana ny olona amin’ny maha-zava-dehibe ny fanasana tanana amin’ny savony sy mamporisika ny olona mba hanatanteraka izany fitondrantena ara-pahasalamana izany tsy ankiato. Ankoatr’izany, miantefa amin’ireo mpandray anjara rehetra izay miasa ao anatin’ny sehatra WASH ny fanentanana mba hahatonga azy ireo hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny « Fahadiovan’ny Tanana ho an’ny Rehetra », indrindra fa mba hahatonga izany fihetsika tsotra izany ho azon’ny sarambabembahoaka tanterahina.
Ny Fanasan-tanana amin’ny Savony (LMS) manko dia iray amin’ny ireo fomba mahomby indrindra hiarovan-tena sy hiarovana ny ankohonana amin’ireo karazan’aretina maro. Manoloana ny valan’aretina COVID-19, izany fihetsika « sakana » izany no fiarovan-tena voalohany indrindra entina hisorohana ny coronavirus. Raha amin’ny lafiny fitsaboana indray, dia tsy andaniana vola firy ny fanatanterahana izany nefa mahomby satria izy io dia afaka mampihena ny fisian’ny fifindran’ny aretina mitaiza maro mifandraika amin’ny tsy fanarahana feno ireo fitsipika ara-pahasalamana.
Tena mora, io fomba fanao io no anisany mahomby indrindra nefa tsy mandany vola indrindra hoenti-misoroka ny areti-mifindra. Na izany aza anefa dia mbola misy ihany ny sakana tsy ahafaha-manantanteraka an’izany :
- Eto Madagasikara, olona iray amin’ny efatra monja no manana Fitaovana fanasan-tanana miaraka amin’ny savony raha araka ny tahirin-kevitra navoakan’ny fanadihadiana MICS1 ny taona 2018,
- Ankoatra izany, mihoatra ny antsasaky ny toeram-pianarana no tsy manana rano madio, savony ary toerana hanasan-tanana.
- Eny anivon’ny biraom-panjakana sy ny toerana be olona mifamezivezy kosa indray dia mazàna no tsy maharaka ny filàn’ny mpampiasa azy ny fitaovana fanasan-tanana izay misy eo an-toerana noho izy ireny efa simba sy tsy azo ampiasaina.
Noho izany dia misy fanehoan-kevitra miaro adisisika avo lenta izay tarihin’ny MEAH mandritra ity tontolo andro ity ao amin’ny Hotely Carlton mba hahatonga ny mpandray anjara rehetra hiara hientana amin’ny fanatanterahana asa goavana entina mampiroborobo ny fanasana tanana. Nisy fifanarahana momba ny fitsipi-pahasalamana ho an’ny rehetra izay napetraka sy nataon’ny mpandray anjara rehetra sonia tao. Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa Ministra dia nanamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanatsarana ny fahazoan’ny rehetra rano madio, araka ny Velirano 2-n’ny Filohan’ny Repoblika, sy amin’ny fanentanana ny olona mba hanaraka ireo fitsipi-pahasalamana mahasoa, indrindra fa ny fanasan-tanana amin’ny savony mba hahatonga ny 90%-n’ny Malagasy hanana fahazarana manasa tanana amin’ny rano madio sy savony hatramin’ny faran’ny taona 2023 ; ary amin’ny fanokanana tetibola ho an’ny fahazoana rano sy savony mba hahatonga ny vahoaka Malagasy afaka hanatanteraka izany fanasana tanana amin’ny rano sy savony izany.
Izy rahateo koa nanaitra ny sain’ny olona mikasika ny fanohizana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny mpandray anjara rehetra nanatrika teo mba hahafahan’izy ireo mampitombo ny ezaka mahakasika ny fampiroboroboana ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony entina manatratra ny tanjona iombonana izay mifandraika amin’ny « fahadiovan’ny tanana ho an’ny rehetra ».
Hisy hetsika maro izay mikendry ny sarambabembahoaka ihany koa hotanterahina manerana ny nosy mba hahatonga ny Fanasana tanana amin’ny Savony ho azon’ny rehetra atao ary ho lasa fomba fiaina.

Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram