Ny ezaka fanarenana ataontsika manoloana ny COVID-19 dia tokony hametraka ny vehivavy ho laharam-pahamehana

Fanambarana nataon’i Catherine Russell, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny UNICEF, tamin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy

08 Martsa 2022
Jeunes filles du Sud de Madagascar
UNICEF/UN0484711/Ramasomanana

NEW YORK, 8 martsa 2022 – « Ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy dia fotoana iray hanasongadinana ny fandrosoana hita taorian’ny ady mafy natrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenana ho tombotsoan’ny vehivavy sy ny tovovavy maneran-tany. Fotoana ihany koa izany ahafahana mankalaza ny zava-bita niavaka nataon’ny vehivavy sy ny tovovavy teo amin’ny fiaraha-monina misy antsika sy hamerenana indray ny fandraisan-tsika andraikitra mba hahafahan’ny ankizivavy tsirairay misitraka izany fandrosoana izany.

Na izany aza anefa dia mbola tsy vita ny ady ho amin’ny miralenta. Eny tokoa, na dia talohan'ny valan’aretina COVID-19 aza, ny tsy fitoviana teo amin'ny lehilahy sy vehivavy

dia nandrafitra hatrany ny tsy rariny izay miely patrana sy misongadina indrindra amin'izao androntsika izao. Kanefa ny fiantraikan'ny valan'aretina dia vao mainka nampitombo izany tsy rariny izany.

Na dia miditra amin'ny taona fahatelo nisian’ny COVID-19 aza isika ary miezaka miomana amin'ny vanim-potoana aorian’ny valan’aretina dia tsy maintsy ataontsika laharam-pahamehana ao anatin’ny paik’ady fanarenana ny miralenta.

Misy fiantraikany tena ratsy eo amin'ny fiainan'ny zazavavy ny COVID-19. Ny fikatonan’ny sekoly, ny tsindry ara-toekarena ary ny fikorontanan'ny tolotra hitantsika ankehitriny dia mampidi-doza ny fahasalamana, ny fiadanam-po sy ara-tsaina ary ny hoavin'ireo zazavavy marefo indrindra. Ankizivavy maherin'ny 11 tapitrisa maneran-tany no mety tsy hiverina an-tsekoly aorian'ny valan’aretina, ary zazavavy 10 tapitrisa fanampiny no atahorana ho lasibatry ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona ao anatin'ny folo taona manaraka. Fanampin’izany, araka ny tatitry ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Mponina, dia mety hisy tranga roa tapitrisa fanampiny mahakasika ny famorana atao amin’ny vehivavy.

Manery ny ankizy handany fotoana bebe kokoa ao an-trano ny fihibohana, ary ny ankizivavy no manao ny ankamaroan'ny asa ao an-tokatrano. Maro amin'izy ireo no iharan'ny herisetra, miaina fifanakaikezana an-tery miaraka amin'ny olona nahavanon-doza taminy ary tsy manana fifandraisana intsony amin’ireo sampan-draharaha sy vondrom-piarahamonina manampy amin'ny fiarovana azy ireo. Vokany : mirongatra ny herisetra mifandraika amin’ny maha-lahy sy vavy, anisan'izany ny herisetra ara-nofo.

Tsy azontsika havela hiaritra ny vesatry ny valan’aretina mandritra ny androm-piainany ireo taranaka iray manontolo ahitana ankizivavy. Amin’izao fotoana izao izay hiomanantsika amin'ny vanim-potoana aorian’ny valan’aretina dia tokony ho tafiditra ao anatin’ireo drafitra fiatrehana sy fanarenana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, nasionaly ary eto an-toerana ny zatovovavy.

Midika izany fa ho tazomina hatrany ny fisokafan’ireo sekoly mba ahafahan'ny ankizivavy manohy ny fianarany, ary hisy ny fampiasam-bola amin'ny enti-manana ilain’ireo mila izany hahafahan’izy ireo manarina ny fahatarana.

Midika izany fa hisy ny fampiasam-bola indray amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny tovovavy, ao anatin'izany ny fahasalamana ara-pananahana sy ny zon’izy ireo mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fanatsarana ny fahazoan’izy ireo tolotra ara-pahasalamana sy fidiovana mandritry ny fadim-bolana.

Midika izany fa hisy ny fiarovana ireo zazavavy amin'ny karazana herisetra rehetra, anisan'izany ireo fomba fanao manimba, toy ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona sy ny famorana atao amin’ny vehivavy.

Ny fanomezan-danja ny tovovavy dia fitaovana miantoka fandrosoana. Manerana izao tontolo izao dia ahitana zatovovavy miaro ny zony sy miantso izany karazana fandrosoana izany indrindra. Tsy maintsy mihaino azy ireo isika. Miankina amin’izany ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ary ny firoboroboana maneran-tany.

Amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao, ndao isika handray andraikitra amin'ny fanarenana aorian'ny valan’aretina izay mifantoka amin'ny zazavavy mba hamoronana tontolo ara-drariny sy mitovy kokoa ho azy ireo, ary tontolo mamiratra kokoa, milamina ary mandroso kokoa ho antsika rehetra. »

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram