Notokanan’ny UNICEF ny birao any amin’ny faritra Analanjirofo ao Fenoarivo Atsinanana, mba hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ireo ekipa eny ifotony

Antananarivo, 27 mey 2022 – Notokanan’ny UNICEF tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovao ao Fenoarivo Atsinanana ho an’ny Faritra Analanjirofo. Nanokatra izany i Jean François Basse, Solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, miaraka amin’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Hatreto dia manana birao itsinjaram-pahefana 4 izay misy mpiasa 93 ny UNICEF.
Ny famariparitana ny fandaharan'asam-pirenenan'ny UNICEF dia manambara fanohanana tsy tapaka eo amin'ny ambaratongan'ny rafitra itsinjaram-pahefana; izany no anton’ny fananganana tsikelikely ireo birao ireo. Ity fotodrafitrasa vaovao ity no voalohany amin’ireo andiany lavabe amin’ireo faritra idiran’ny UNICEF an-tsehatra eto Madagasikara.
Ny fananganana io birao vaovao ao Fenoarivo Atsinanana io dia mampanantena hery vaovao amin’ny fiaraha-miasa efa mitondra vokatsoa sy mahombin’ny UNICEF miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka eo an-toerana sy ny mponina ao amin'ny faritra. Ankehitriny, Analanjirofo dia ohatra tsara amin'ny firotsahana amin’ny sehatra maro izay imasoan’ny UNICEF mba hanolorana ny ankizy malagasy tsirairay ny fiaingàna tsara indrindra eo amin'ny fiainana. «Enga anie isika hahita vahaolana vaovao hatrany, izay mamaly ny filàn'ireo tena marefo sy ho fampiroboroboana ny zon'ny ankizy, » hoy i Jean-François Basse, Solontenan’ny UNICEF.
Tetikasa mahakasika ireo sehatra sahanin’ny UNICEF no apetraka any amin'ny ankamaroan'ireo distrika ao amin'ny Faritra: manomboka amin’ny sakafo ka hatrany amin’ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ankizy, ny fifandraisana ho amin’ny fiovan’ny fitondran-tena na koa ny fahazoana rano, ny fanadiovana sy fidiovana. Raha tsiahivina dia mahatratra 1.200.000 ny mponina ao amin’ny Faritra Analanjirofo, ka mahatratra 569.000 ny zaza latsaky ny 18 taona.
Eo amin’ny lafin’ny sakafo ara-pahasalamana indrindra indrindra, ny faritra Analanjirofo dia ahitana tetikasa iray ao amin’ny distrikan’ny Vavatenina, izay nampihetsika ny loharanon-karena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra tamin’ny fiantombohan’ny taona. Tsy diso anjara ny fiahiana ny ankizy satria amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpitantana isam-paritra sy eo an-toerana no tena mandray anjara amin’izany ny UNICEF ary tena mpisehatra ao amin’ny Tambajotra fiarovana ny ankizy mihitsy aza izy mba hanamafisana ny rafitra fiahiana ny zaza eo amin’ny faritra.
Amin’ny lafiny iray, zava-dehibe ny fidirana an-tsehatra ao amin’io toerana io mba hampihenana ny mety hisian’ny loza, izay anjara andraikitra lehibe hafa miandry ny UNICEF. Manampy amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny rivodoza sy ny loza voajanahary amin’ny mponina ny fisian’ny birao ao Analanjirofo. Niara-niasa tamin’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ny UNICEF ankehitriny amin’ny fametrahana drafi-pandaminana momba ny rivodoza sy tondra-drano 2021-2022 izay mamaritra fa kaominina 50 amin’ny 88 no tena mety ho tratran’ny fiakaran’ny rano raha sendra ny rivodoza mahery vaika.


Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram