Namoaka ny lalao facebook "Tsaiky" ny UNICEF ho fampahafantarana ny zon'ny ankizy
Zana-dalao roa no navoaka voalohany : Tsaiky Salama, momba ny sakafon'ny zaza vao teraka, ary Tsaiky m'surf momba ny fampiasana internet ho an'ny ankizy

Antananarivo, 10 febroary 2020 - Nandritra ny Andro fanentanana ho an'ny internet azo antoka kokoa no nampahafantatra ity lalao vaovao momba ny zon'ny ankizy ity ny UNICEF.
Zana-dalao roa no nozaraina voalohany nandritra ity famoahana ity: Tsaiky Salama, momba ny sakafon'ny zaza vao teraka, ary Tsaiky m'surf momba ny fampiasana internet ho an'ny ankizy. Tsy mila maka toerana ao anaty finday fa rehefa afaka mampiasa facebook dia afaka milalao ity kilalao ity. Any aoriana dia mbola hisy ny zana-dalao mahakasika ny lafiny hafa amin'ny zon'ny ankizy.
Fantatra fa eto Madagasikara amin'izao fotoana izao dia 13%-n'ny tokantrano no manana internet (31% ho an'ny tanan-dehibe) araka ny MICS 2018, ary ny 6 amin'ny 10 mpampiasa intrnet dia ankizy avokoa.(ITU, 2017).