Miaraka manohitra ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika isika eto amin'ny Faritra Amoron'i Mania

03 Septambra 2020
Ensemble contre la malnutrition chronique dans la Région Amoron’i Mania
Ambassade du Japon à Madagascar

Ny Governemanta Malagasy dia manatanteraka tetik’asa marolafy iraisana mba hahazoana vokatra tsara kokoa mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin'ny faritra iray amin’ireo faritra tena voakasik'ity zava-doza ity eto Madagasikara. Ny famatsiam-bola avy amin'ny Governemanta Japoney sy ny fanampiana ara-teknika avy amin'ny masoivohon’ ny Firenena Mikambana eto Madagasikara no entina manatontosa izany tetik’asa izany.

09 Jolay 2020, Antananarivo - Ny fifanarahana mikasika ilay tetik’asa maharitra roa (02) taona izay entina miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania dia vita sonia androany. Izany fifanarahana izany dia iarahan’ny Governemanta Malagasy izay soloin’ny Minisiteran’ny Fambolena, Fiompiana
sy ny Jono (MAEP) tena, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka (MSP), ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ary ny Birao Nasionaly ho an’ny Sakafo (ONN), andaniny; ary ny Governemanta Japoney, ny JICA ary ny FAO, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin'ny masoivoho manokana avy amin'ny Firenena Mikambana toy ny PAM sy ny UNICEF, ankilany.

Ity tetik'asa marolafy izay mitentina $ 1,388,508 ity dia hifantoka amin’ireo asa izay manana fiantraikany amin’ny sakafo ara-pahasalamana, ny fahaiza-mitantana ary ny fifandraisana mba hampihenana ny fahataran’ny fitomboana. Io tetik’asa io ihany koa dia tanterahina mba entina mahatratra ny tanjon'ny ady amin'ny tsy fahampian-tsakafo, araka ny voafaritry ny Drafitra Nasionaly momba ny Sakafo na PNAN III.

Olona 50 000 farafahakeliny no ho voakasiky ny tetik’asa, ka ahitana vehivavy bevohoka manodidina ny 2 500, ankizy 5 000 latsaky ny roa taona sy ankizy mpianatra miisa 1 000, amin'ny alàlan'ny fandraisan’andraikitra marolafy sy maharitra mikasika ny sakafo ara-pahasalama. Izany dia hiompana amin’ny fanatsarana ny fahazoana sakafo feno otrik’aina entina manatsara ny kalitaon'ny sakafo – ka anisan’izany ny eny anivon’ny sekoly – any amin'ny faritra Amoron'i Mania. Mbola kendrena amin’izany fandraisan’andraikitra izany ihany koa ny fanatsarana ny fahazahoana ireo tolotra WASH mba hiarovana sy hitazomana tontolo iainana mahasalama. Ny tanjona amin’izany dia ny mba hahafahan’ny mponina – izay ao anatin’ireo vondrom-piarahamonina kendrena – mahazo rano madio azo antoka, entina misoroka ny aretim-pivalanana sy ny fahataran’ny fitomboana, indrindra amin'ireo zaza latsaky ny dimy taona, ary mba hampitomboana ny tohi-bely eo amin’ireo vondron'olona voakendry.

Amoron’i Mania, izay lasibatra indrindra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Maherin'ny antsasaky (55%) ny ankizy latsaky ny 5 taona ao amin'ny Faritra Amoron’i Mania no tratran’ny fahataran’ny fitomboana, izany hoe ankizy manodidina ny 60 000 eo ho eo. Isan'ireo faritra tena voakasik'ity trangam-piainana eto Madagasikara ity io faritra io. Ilaina amin'ny famahana ny olana ny fampiharana ny fomba fiasa marolafy hiatrehana ireo antony miteraka ny tsy fahampian-tsakafo, amin’ny alalàn’ny asa maro isan-karazany mifameno.

Araka izany, ny tetik’asa izay ho tanterahana dia hifameno amin'ny fampiasam-bolan'ny Masoivoho Japoney ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (JICA) sy ny Banky iraisam-pirenena any amin’io faritra io mba hampiakatra indrindra ny fitombon'ny zaza sy hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.

Misy ireo drafitr’asa iarahana izay mifandraika amin'ny sehatra samihafa ary hipaka amin’ireo sokajy izay efa nisitraka ny tombontsoa; tsy inona izany fa ny fambolena maro isankarazany izay azahoana sakafo miovaova sy voalanjalanja amin’ny alalàn’ny fanomezan-danja bebe kokoa ireo vokatra be otrik’aina mahavelona. Ny drafitr’asa faharoa dia hiantoka ny sakafo ho an'ny ankizy eny anivon’ny sekoly, amin'ny alàlan'ny fampidirana vary be otrik’aina, izany hoe ahitana singa madinika ilaina amin’ny fitomboana ara-tsaina sy ara-batana eo amin’ny ankizy. Ny andiany fahatelo amin’ny drafitr’asa dia mahakasika ny fotodrafitrasa momba ny fidiovana sy fanadiovana, mba hahafahana miantoka tontolo mahasalama sy madio, amin'ny alàlan'ny fampidirana rano fisotro madio.

Fandraisana anjara izay anisan’ireo fandraisan’andraikitra efa natomboka

Miaraka amin'ireo ezaka samihafa izay eo an-dalam-panatontosana toy ny PASAN, TAFITA sy PAPRIZ avy amin’ny JICA sy PARN avy ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena, ny tetik'asa natolotra dia hanampy amin'ny fahazoana ny fiantraikany eto amin’ny firenena izay mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho 38% amin’ny 2021, raha toa ka 42% izany ankehitriny.

Laharam-pahamehana eto amin’ny firenena

Raha heverina fa ny sakafo ara-pahasalamana no laharam-pahamehana eto amin’ny firenena mba hampihenana ny fahantrana dia nirotsaka tao anatin’ny hetsika fanamafisana ny sakafo ara-pahasalamana SUN i Madagasikara mba entina manamafy ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo nanomboka ny taona 2012. Ho fanampin’izany, ny Filoham-pirenena Malagasy dia nanambara ny fahavononan’ny governemanta hanohy hatrany ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alàlan'ny fanamafisana ny hetsika ara-tsakafo, hetsika momba ny fanabeazana ary ny hetsika WASH. Nandritra ny lahateny nataony tao anatin’ny hetsika mifanindran-dalana tamin’ny tetik’asa ho an’ny antoka sy fahatomombanana ara-tsakafo any Afrika  (IFNA) nandritra ny Fikaonan-doha iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika andiany fahafito natao tany Tokyo-Yokohama (TICAD7) tamin'ny Aogositra 2019 no nanaovany io fanambarana io.

Ho an'ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, RANARIVELO Lucien, « i Japon dia anisan'ireo fanovozan-kevitra manerantany eo amin’ny lafin’ny fahombiazana ara-pambolena, ary koa mpiara-miasa miavaka ho an'i Madagasikara. I Japon dia tsy mitsahatra ny manolotra fanohanana amin’ny sehatra mahakasika ny antoka sy fahatomombanana  ara-tsakafo. Ny fanaovan-tsonia ity tetik’asa vaovao ity dia mitranga amin'ny fotoana tena mahamety azy satria mifanandrify tsara amin’izao toe-javatra sarotra mifandraika amin'i Covid19 izao, ary koa satria i Madagasikara dia teo am-pamolavolana tetik’asa iray mbola lehibe kokoa, izay entina miroso mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny mponina ao aminy ary entina mampitombo ny fihinanana sakafo feno proteina. »

Araka ny nambaran’ny Ambasadaoro HIGUCHI Yoshihiro, « ny Governemanta Japoney dia vonona tanteraka hanohana ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fanabeazana ary ny fahasalamana. » Ny Governemanta Japoney ihany koa dia iray amin'ireo nanangana ny tetik’asa ho an’ny antoka sy fahatomombanana ara-tsakafo any Afrika – «Initiative for Food and Nutrition Security in Africa (IFNA) », izay mikendry ny famporisihana ireo governemanta Afrikana mba hametraka politika sy fandaharan'asa mifandraika amin’ny antoka sy fahatomombanana ara-tsakafo. Ankoatr’izany, ny Governemanta Japoney dia anisan’ireo namorona ny Fikambanana  ho an’ny fampandrosoana ny vary aty Afrika – « Coalition for Development of Rice in Africa (CARD) », izay nahavita nampitombo 74% ny famokarana vary tao Afrika nanomboka tamin'ny taona 2008, tamin'ny alàlan'ny fanohanan’ireo manam-pahaizana sy ny teknolojia ary ny famatsiam-bola japoney.

Ny solontenan'ny FAO, TALLA TAKOUKAM Patrice dia nanantitrantitra fa « ny asa tanterahan’ny FAO dia mifandraika tanteraka amin’ny fomba fijery naroso ho amin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (SDGs). Izany fomba fijery izany tokoa mantsy dia miompana amin’ny famolavolana politika sy fandaharan’asa eny ifotony mba hanamafisana ny fiantraikany amin'ny tsy fanjariana ara-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo. Noho izany dia ampiasaina ao anatin’ny fandaharan'asa ara-tsakafo ny rojom-pihariana mba hahazoana antoka fa ireo fomba fanatsarana ny sakafo ara-pahasalamana dia ho voahaja manomboka hatrany am-pambolena ka hatrany am-bilian’ny mpanjifa. Izany no antsoina hoe "rojom-pihariana manana fiantraikany amin’ny sakafo ara-pahasalamana" – « chaînes de valeur sensibles à la nutrition » sy ny "fomba fiasa mampiseho ny rojom-pihariana misy fiantraikany amin’ny sakafo ara-pahasalamana" – « approches des chaînes de valeur sensibles à la nutrition. » Ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika dia fampiasam-bola ilaina izay mitaky ny fandraisan’andraikitra avy amin’ireo mpisehatra maromaro, tsy ny avy amin’ny sehatra ara-tsakafo ihany, fa koa ireo avy amin'ny sehatra mikasika ny antoka ara-tsakafo, ny fahazoana rano, ny fambolena, sns. « Tombontsoa ho an'ny PAM ny mandray anjara amin'ireto tetik’asa ireo noho ny fanohanan'ny Governemanta Japoney, izay afaka sitrahan’ireo vondron’olona marefo ao amin'ny Faritra Amoron’i Mania, » hoy i OUEDRAOGO Moumini, solontenan'ny PAM eto Madagasikara. Araka ny hevitr’i SAINT-LOT Michel, solontenan’ny UNICEF indray, « ny fahazoana rano, ny fomba fidiovana sy fanadiovana dia singa manan-danja amin'ny fitomboana sy ny fahasalaman'ny zaza. Ny zaza iray izay tratran’ny aretim-pivalanana miverimberina ary miaina anatin’ny halotoana dia tsy afaka hitombo sy hivoatra araka ny tokony ho izy. Noho izany, ny UNICEF dia hanohana vondrom-piarahamonina vitsivitsy ao anatina dingana izay entina manafoana ny fanaovana maloto an-kalamanjana, manamora ny fahazoana rano sy mampiroborobo ny fahadiovana fototra toy ny fanasan-tànana. »

Vokatr’izany, ao anatin’ny fiaraha-miasa sy ny fanomezan-danja ny sakafo ara-pahasalamana izay mampifandray sehatra maro, ireo masoivohon’ny Firenena Mikambana dia hanohana ny governemanta amin'ny fanatanterahana fomba fiasa eny ifotony sy mirindra. Izany no natao dia mba ho fandraisana anjara amin’ny ezaka eto amin’ny firenena mikasika ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Antenaina ny hanapariahana ity fomba fiasa vaovao eny ifotony ity mba hanamoraina ny fanovana sy ny fampandrosoana maharitra eo anivon’ny fiaraha-monina malagasy.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra eto ambonin’ny tany ny UNICEF mba hanatonana ireo ankizy sy tanora marefo indrindra - ary miaro ny zon'ny ankizy rehetra manerana izao tontolo izao.

Araho koa ny kaonty @UNICEFMada amin'ny  TwitterFacebook et Instagram