Mametraka ny ankizy ao anatin’ny fandaharam-potoanany i Madagasikara

Izao tontolo izao dia mankalaza ny Andro maneran-tany ho an'ny ankizy (JME) ny 20 Novambra, izay mifanindran-dalana amin’ny andro fandraisan’andraikitra maneran-tany avy amin’ny UNICEF ho an'ny ankizy, sy ny tsingerintaonan'ny fankatoavana ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Zaza. Andro iray izany entin’ny biraon'ny UNICEF eran’izao tontolo izao manohana ny fanomezan-tsehatra ny ankizy sy ny tanora, amin’ny maha-mpiaro ny zon'izy ireo ny UNICEF.
Natao ho an'ny ankizy ny Andro manerantany ho an'ny ankizy. Ho fanomezam-boninahitra azy ireo dia misy hetsika karakaraina izay hahafahana mampisongadina azy ireo sy hihainoana ny feony.
Ho fanokafana ny fankalazana, i Madagasikara dia hanatevin-daharana ny hetsika “Going Blue” manerantany. Mandritra izany dia hisy trano sy toera-manan-tantara malaza izay hiravaka jiro manga mirehitra mba hanehoana ny fanohanan’izy ireo ny zon'ny ankizy. Ho an'ity taona ity dia ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no mandray anjara amin'ilay hetsika amin'ny alàlan’ny fanomezana alàlana ny UNICEF mba hanisy jiro manga mirehitra eo amin’ny Rova Manjakamiadana (“Palais de la Reine”). Amin’izany dia hiaraka amin’ny toerana manan-tantara malaza eran’izao tontolo izao ny Rova ka hiova loko manga ho an'ny ankizy.
Isaky ny alin’ny 19 ka hatramin'ny 24 novambra dia hirehitra jiro manga ny « Rova », izay lokon’ny UNICEF, ho fampatsiahivana ny firotsahana an-tsehatry ny governemanta malagasy amin’ny fampiroboroboana ny zon'ny ankizy.
Nisy hetsika TEDx Youth ihany koa notontosaina tao amin'ny lapan'ny tanàna eo Analakely ny zoma 20 novambra, ka ankizy 16 no nitantara ny tantaram-piainany. Ny mpandahateny tsirairay tamin’izany dia samy nanana ny tantarany avy, saingy samy tsy maintsy niatrika sakana ihany koa izy ireo. Niresaka momba ny andraikitra noraisina izy ireo mba nahafahana nanentana teo anivon’ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Ny hetsika dia nalefa mivantana tao amin'ny pejy Facebook an'ny UNICEF Madagascar sy TEDx Youth Antananarivo, avy eo dia navoaka tamin'ny fahitalavitra TVM sy RTA ny alahady 22 novambra 2020.
Misy hetsika manan-danja iray hafa ihany koa, ka tanora / ankizy avy amin'ny faritra samihafa no ho tonga eto an-drenivohitra ary hanasa ny filohan'ny Repoblika mba hanao tafatafa mikasika ny zon'ny ankizy. Halefa amin'ny fahitalavitra TVM, VIVA, amin'ny 29 Novambra 2020 amin'ny 8:00 alina izany.
« Faly aho fa afaka mifandray mivantana amin'ireo tanorantsika ary miresaka ny zavatra antenain'izy ireo sy ny fanantenan'izy ireo amin'ny ho avin'ny firenena. Rehefa mirehitra jiro manga ny iray amin'ireo trano lehibe manan-tantara eto amintsika miaraka amin'ireo firenena hafa manerantany, dia maneho izany fa i Madagasikara dia vonona ny hanatanteraka ny zon’ireo zanantsika, » hoy ny fanazavan'Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram