Maherin'ny dimanjato tapitrisa dolara no nampanantenaina entina miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika nanomboka ny volana jolay ho fiatrehana ny krizin’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza izay miharatsy.

30 Septambra 2022
Réponse à la malnutrition
UNICEF/UN0602385/Ralaivita

Izany fampanantenana famatsiam-bola izany dia handray anjara mivantana amin'ny asan'ny UNICEF any amin'ireo firenena 15 tena iharan'ny krizy ara-tsakafo, anisan'izany i Madagasikara.

New York, 21 septambra 2022 - Nanome toky ireo governemanta, fikambanana mpanao asa soa ary mpamatsy vola tsy miankina fa handrotsaka manodidina ny 577 tapitrisa dolara nanomboka tamin'ny volana Jolay, entina miatrika ny krizin’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza izay miharatsy. Farafahakeliny, 60 isan-jato amin’izany tetibola izany no mandray anjara mivantana amin'ny asa sahanin’ny UNICEF.

Amin'izany dimanjato tapitrisa dolara mahery voaangona izany dia manodidina ny 280 tapitrisa dolara no nampanantenaina androany nandritra ny fihaonambe « Krizin'ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin'ny ankizy: Mampanantena fanavotan’aina », hetsika avo lenta tanterahana ao amin'ny Foiben'ny UNICEF any New York, izay karakarain’ny Birao Amerikanina ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), ny  Tahirim-pampiasambola ho an’ny Ankizy (CIFF) sy ny Governemanta Senegaley, taorian’ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana andiany faha-77.

Ny governemantan'i Kanada, Irlandy, Fanjakan'i Holandy ary Royaume-Uni, ary koa ny Fondation Aliko Dangote, sy Bill & Melinda Gates, ny Tahirim-pampiasambola ho an’ny Ankizy (CIFF), ny Fondation Eleanor Crook, ny Fondation Greta Thunberg, ny Sampan-draharaha momba ny maha-olona eo anivon’ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany sy ny “King Philanthropies” dia niara-nivory nandritra ity hetsika avo lenta ity mba hamahana ny krizy ara-tsakafo tsy mitsaha-mitombo.

Notanterahina izany fandraisan’andraikitra izany satria ny hain-tany vokatry ny toetr'andro, ireo ady ary ny fiakaran'ny vidin-tsakafo dia mbola mampitombo ny haavon'ny vonjy taitra mahakasika ny tsy fahampian-danja eo amin'ny ankizy madinika manerana izao tontolo izao. Araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF vao haingana, any amin’ny firenena 15 voa mafy indrindra, anisan’izany ny Tandrok’i Afrika sy Sahel, dia ankizy iray no voatosika ho any amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika isa-minitra.

« Ny krizin’ny tsy fahampian-tsakafo izay miharatsy dia manosika ny ankizy an-tapitrisany ho latsaka anaty mosary - ary raha tsy mandray andraikitra bebe kokoa isika dia hivadika ho loza ity krizy ity, » hoy ny Tale mpanatanteraka ao amin’ny UNICEF Catherine Russell. « Ny UNICEF dia tena mankasitraka tanteraka ny fanampiana izay nampanantenaina anay, saingy mila famatsiam-bola fanampiny tsy voafetra izahay mba hanatrarana ireo ankizy, dieny mbola tsy tara loatra. Tsy afaka mipetra-potsiny sy mamela ny ankizy ho faty isika - indrindra rehefa fantatsika ny fomba hisorohana, hamantarana ary hitsaboana ny tsy fanampian-danja mahery vaika. »

Ny fampanantenana androany dia mifototra amin'ny toky nomen’ny Mpitantana ny USAID, Samantha Power rehefa nanambara ny fandraisan'anjaran'ny USAID 200 tapitrisa dolara tsy mbola nisy toy izany ho an'ny UNICEF izy, entina mitily sy mitsabo ny tsy fahampian-danja mahery vaika eo amin'ny ankizy. Tamin’izany fotoana izany dia 50 tapitrisa dolara fanampiny no nampanantenain'ireo mpanao asa soa tsy miankina; anisan'izany ny mpanao asa soa sady Filohan'ny Tahirim-pampiasambola ho an’ny Ankizy (CIFF) Andriamatoa Chris Hohn, ny Fondation Eleanor Crook (ECF), ny Fondation CRI ary ny Fondation ELMA Relief, mba hiatrehana ny krizin’ny tsy fahampian-tsakafo.

« Ny marina dia ho an'ny ankamaroan'ny ankizy miatrika tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, efa ho ny roa ampahatelon'ireo ankizy ireo no mipetraka amin'ny toerana tsy mahazo fanampiana amin’ny lafiny maha-olona, » hoy i Samantha Power. « Izahay dia miezaka manova izany ary mahatsapa fa ny fitsaboana ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika dia tokony ho azo sitrahana, tsy amin’ny toe-javatra mifandraika amin’ny maha-olombelona ihany, fa amin'ireo toe-javatra ivelan’ny krizy ihany koa. »

Ny tsy fahampian-danja mahery vaika - izay mahatonga ny ankizy ho tandindomin-doza noho ny fahahiazana - no endrika tsy fahampian-tsakafo hita maso sy mahafaty indrindra. Ny fahalemen’ny hery fanefitra dia mampitombo hatramin’ny 11 avo heny ny tataon-doza mety hahafaty eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha oharina amin'ny ankizy ampy sakafo ara-dalàna.

Ho setrin'izany toe-javatra izany, dia nanamafy ny ezaka nataony ny UNICEF tany amin'ny firenena 15 tena iharan'ny krizin’ny tsy fahampian-tsakafo. Afganistana, Burkina Faso, Tchad, Repoblika Demokratikan’i Congo, Etiopia, Haiti, Kenya, Madagasikara, Mali, Niger, Nizeria, Somalia, Sodana Atsimo, Sodana ary Yemen dia tafiditra ao anatin’ny drafi-panafainganana izay manolotra 1,2 miliara dolara, ka anisan’izany ny 23 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2023. Izany no natao dia mba hisorohana ny fitombon'ny fahafatesan'ny zaza sy hanalefahana ireo fahapotehana lavareny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.

Tsy afa-bela amin’ny mosary sy ny tsy fanjarian-tsakafo tokoa mantsy i Madagasikara. Any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana dia tombanana ho zaza 500.000 no ho lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ity taona ity, ka ny 91.000 dia amin’ny endriny tena ratsy indrindra. Noho izany, ny UNICEF, ny governemanta ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny lafiny ara-tsakafo dia nandrafitra drafitra sahisahy ho fisorohana sy fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo lalina eto amin'ny firenena, mifandraika amin'ilay hetsika manerantany.

Ny fanomezan-toky nomena ny UNICEF dia afahafahana manome  tolotra ho amin'ny fisorohana, fitiliana sy fitsaboana mialoha ny tsy fahampian-danja eo amin’ny ankizy, ary manitatra ny fisitrahana  sakafo ara-pahasalamana efa vonona (ATPE) sy ireo otrikaina hafa ilaina mandritra ny krizy.

Nandritra io fihaonana io, ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka dia nanomboka ny fanitarana ny Tahirim-bola momba ny sakafo ho an'ny ankizy, rafitra famatsiam-bola maharitra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro, entina manohana ny fisorohana, ny fitiliana sy ny fitsaboana mialoha ny tsy fahampian-danja eo amin'ny ankizy. Ny Tahirim-bola momba ny sakafo ho an'ny ankizy, ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny governemanta mba hanamafisana sy hizarana ara-stratejika ireo loharanon-karena, dia mikendry ny hanafainganana ny fandrosoana maneran-tany sy hampitsaharana ny fiverimberenan’ny tsy fahampian-danja mahery vaika.

Fifandraisana

Abela Miarintsoa Ralaivita
Communication Officer
UNICEF
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram