Madiva hiatrika fipoahana mampivarahontsana mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika eo amin'ny ankizy izao tontolo izao

17 May 2022
Razafimandimby prend un RUTF
UNICEF/UN0602381/Ralaivita

Taorian'ny fiakaran'ny vidin'ny sakafo nateraky ny ady tao Okraina sy ny fampihenana ny teti-bola vokatry ny valan’aretina, ny vidin'ny sakafo fitsaboana mamonjy aina ho an'ny zaza tsy ampy sakafo dia mety hiakatra hatramin'ny 16%  – kanefa ny filàna dia mitombo izay tsy izy.

 

 Azo sarihina eto ny votoaty fampitam-baovao

 

NEW YORK, 17 Mey 2022 - Efa nitombo ny isan'ny ankizy lasibatry ny tsy fahampian-danja talohan'ny ady tany Okraina izay nananontanona ny hampiditra an'izao tontolo izao ao anatin’ny krizy ara-tsakafo lalina kokoa – ary miharatsy ny toe-draharaha araka ny tatitry navoakan’ny SOS Enfants.

Ny naoty fampahalalàna izay nivoaka androany, Tsy fahampian-danja mahery vaika : Vonjy aina nohamaivanina ary manohintohina ny fahaveloman’ny ankizy dia mampiseho fa, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny tsy fahampian-danja mahery vaika eo amin’ny zaza sy ny fiakaran'ny saran’ny fitsaboana amin'ity toe-javatra ity, dia tandindomin-doza ihany koa ny famatsiam-bola maneran-tany ilaina hamonjena ny ain'ireo ankizy voakasika izany.

"Talohan'ny nisian’ny fiantraikan’ny ady tany Okraina teo amin'ny antoka ara-tsakafo maneran-tany, ny fianakaviana dia efa sahirana tamin'ny famelomana ny zanany noho ny fifandonana, ny fikorontanan’ny toetr'andro ary ny COVID-19," hoy i Catherine Russell, Tale Jeneralin'ny UNICEF. “Hatreto dia efa eo an-dàlana ny hiatrika firongatry ny fahafatesan-jaza azo sorohina sy trangana tsy fahampian-danja izao tontolo izao.”

Amin'izao fotoana izao, farafahakeliny 10 tapitrisa ny isan’ireo ankizy tratran’ny tsy fahampian-danja mahery vaika – izany hoe ny roa ampahatelony – no tsy mahazo sakafo fitsaboana efa vonona, izay fitsaboana mahomby indrindra amin'ity aretina ity. Araka ny filazan'ny UNICEF, ireo fiantraika miaraka amin’ireo olana maneran-tany, izay manohitonhina ny antoka ara-tsakafo maneran-tany – izany hoe, ny ady any Okraina, ny fahasarotan'ny fanarenana ara-toekarena taorian'ny valan’aretina ary ny hain-tany maharitra mianjady amin'ny firenena maro noho ny fiovaovan'ny toetr'andro – dia mameno ireo fepetra hampidangana ny tahan'ny tsy fahampian-danja mahery vaika eran'izao tontolo izao.

Eto Madagasikara dia tena zava-dehibe ireo hetsika mila tanterahina. Tena loza mitatao ho an’ny ankizy eto Madagasikara mantsy ireo ambana miverimberina mahakasika ny hain-tany, ny rivodoza ary ny krizy ara-tsakafo maneran-tany. Amin'izao fotoana izao, ny 6%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona dia lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika izay endrika tsy fanjarian-tsakafo mampidi-doza indrindra amin'ny fahaveloman'ny zaza. Tamin'ny taona 2020 dia zaza 42.000 no notsaboina ary 60.000 mahery ny taona 2021 noho ny fisian'ny kere any atsimon'i Madagasikara, izay maneho ny 25%-n’ny trangana zaza tsy ampy sakafo isan-taona eto Madagasikara. Ny fahazoana fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana amin'ny ankapobeny dia ahafahana mahazo fahasitranana mihoatra ny 90%. Tobim-pahasalamana miisa 1.304 eto Madagasikara no manolotra izany fitsaboana izany, izay tsy mampiseho afa-tsy 57%-n’ny tobim-pahasalamana rehetra eto amin’ny firenena.

Ny drafitra nasionaly momba ny fisorohana sy ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika eto Madagasikara dia manombana ny filàna entina misoroka sy mitsabo ny tsy fanjarian-tsakafo ho mitentina 489M US$ ao anatin'ny 4 taona manaraka, ka ny 44M US$ amin’izany dia ho fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. 25% amin’ny tetibola ilaina ihany no vonona amin’izao fotoana izao.

“Isan-taona dia miankina amin'io sakafo fitsaboana amin’ny sachet io ny fiainan'ny ankizy an-tapitrisany. Raha toa ka ny tsenan'ny sakafo maneran-tany dia mety handany tetibola 16% fanampiny, ny fiainan'ny zaza tsy ampy sakafo iray kosa no tandindomin-doza noho izany fiakarana izany any amin'ny faran'ny rojo famatsiana. Na izany aza, ho an'izany zaza izany dia tsy azo ekena izany sakana izany,” hoy hatrany i Catherine Russell.

Maneran-tany dia ankizy latsaky ny 5 taona miisa 13,6 tapitrisa farafahakeliny no voan’io aretina io, izay tompon’andraikitra amin’ny iray ampahadimin’ny fahafatesana ao anatin’izany sokajin-taona izany.

Mbola “ivon’ny” tsy fahampian-danja mahery vaika i Azia Atsimo, izay ahitana ankizy 1 amin’ny 22 eo ho eo lasibatr’io aretina io, izany hoe avo telo heny noho ny any Afrika atsimon’i Sahara ny tahan’izany. Any amin'ny toeran-kafa eto amin'izao tontolo izao dia mahatratra ny taha ambony ara-tantara ihany koa ny tsy fahampian-danja any amin'ny firenena samihafa. Any Afganistana, ohatra, dia ankizy 1,1 tapitrisa no atahorana ho tratran’ny tsy fahampian-danja mahery vaika amin’ity taona ity, izany hoe efa ho avo roa heny raha oharina tamin’ny taona 2018. Any amin’ny tendron’i Afrika izay lasibatry ny hain-tany dia mety hiakatra haingana hatramin’ny 2 tapitrisa ny tahan’ireo ankizy tratran’ny tsy fahampian-danja mahery vaika, raha toa ka 1,7 tapitrisa izany teo aloha; fitomboana 26% kosa no andrasana any Sahel raha oharina tamin'ny taona 2018.

Ny tatitry ny SOS Enfants  dia manasongadina ihany koa fa ny firenena sasany mampiseho fitoniana, toa an'i Ogandà, dia nahitana fitomboana 40% na mihoatra aza, mahakasika ny trangana tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza, hatramin'ny taona 2016. Toe-javatra iray izay azo hazavaina amin'ny fitomboan'ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafon'ny fianakaviana izany, ary misy fiantraikany amin'ny kalitao sy ny fahatetehan’ny sakafo ho an'ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka. Fanampin'izany, ireo olana mifandraika amin'ny toetr'andro toy ny fiverimberenan'ny hain-tany mahery vaika sy ny olana mahakasika ny tolotra fahazoana famatsian-drano azo antoka sy ny fanadiovana dia manampy amin'ny fitomboan'ny isan'ny tranga.

Ilay tatitra dia mampitandrina ihany koa ny amin’ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola ho an'ny tsy fahampian-danja, satria heverina fa hisy fihenana goavana izany amin'ny taona ho avy manaraka, miaraka amin'ny fanantenana kely mahakasika ny fiverenana amin'ny taha mialohan’ny fipoiran’ny valan’aretina alohan'ny taona 2028. Araka ny fanadihadiana vaovao natao tao anatin’ity naoty fampahalalàna ity, ny fandaniana maneran-tany ho fikarakarana ny tsy fahampian-danja dia 2,8%-n’ny teti-bolan'ny fanampian’ny fanjakana ho an’ny fampandrosoana (APD) natokana ho an'ny sehatry ny fahasalamana amin'ny ankapobeny ary 0,2%-n’ny totalin'ny APD.

Noho izany, mba hahafahan'ny ankizy rehetra tratran’ny tsy fahampian-danja misitraka ny fitsaboana tena ilain’izy ireo dia manao izao fangatahana izao ny UNICEF:

·      Mampitombo ny fanampiana ho an'ny fikarakarana ny tsy fahampian-danja ireo fanjakana, ka farafahakeliny 59% mihoatra ny haavon'ny APD tamin’ny taona 2019 izany, mba hahafahana manatratra ireo ankizy rehetra mila fitsaboana any amin'ny firenena 23 izay tena lasibatra indrindra;

·      Ampidirin’ireo firenena ao anatin'ny drafitry ny famatsiam-bola amin’ny lafin’ny fahasalamana sy fampandrosoana maharitra ny tsy fahampian-danja eo amin’ny ankizy, mba hahazoan'ny ankizy rehetra – na dia ireo tsy ao anatin'ny krizy amin’ny lafiny maha-olona aza – hahazo tombontsoa amin'ny fandaharan'asa fitsaboana;

·      Ireto tetibola natao ho an’ny famahana ny olana ara-tsakafo maneran-tany dia ahitana hatrany tetibola natokana ho an’ny sakafo fitsaboana mba hamaliana ny filàn'ireo zaza tratran’ny tsy fahampian-danja mahery vaika;

·      Ireo mpamatsy vola sy ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena dia manandratra ny ady amin'ny tsy fahampian-danja ho laharampahamehana amin’ny lafin’ny famatsiam-bola mba hiantohana ny fanamaroana, fanitarana ary ny fanamafisana ny rafitra mahakasika ny fanohanana ara-bola.

"Tsy misy na inona na inona afaka manamarina ny tsy fahampian-danja eo amin’ny ankizy, indrindra satria manana fahafahana misoroka io aretina io isika. Kely ny fotoana sisa tavela hamerenana ny hetsika maneran-tany amin'ny fisorohana, fitiliana ary fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo, ary tsy maintsy mampiasa azy tanteraka isika dieny mbola tsy tena mampivarahontsana tanteraka toe-draharaha", hoy i Catherine Russell teo am-pamaranana.

###

 

Fanamarihana ho an'ny Tonian-dahatsoratra

Momba ny sakafo fitsaboana efa vonona

Ireo sakafo fitsaboana efa vonona izay ao anaty fonosana natokana ho an’olon-tokana dia miendrika paty mitondra hery, manan-karena lipida sy kasinga mahavelona, voaomana tamin’ny alàlan’ny voanjo, siramamy, menaka ary vovo-dronono. Ny UNICEF, izay mpisehatra voalohany eo amin'ny tsenan’ny sakafo fitsaboana maneran-tany, dia mividy sy mizara ny 75% hatramin'ny 80%-n’ny  famokarana eran'izao tontolo izao ary mahazo famatsiana avy amin'ny mpamokatra miisa roapolo eo ho eo maneran-tany.

 

Momba ny APD

Ny Fanampiana avy amin’y fanjakana ho an'ny fampandrosoana (APD) dia fanampiana omen'ny fanjakana entina mampiroborobo ny fampandrosoana ara-toekarena sy manatsara ny fari-piainan'ny firenena an-dalam-pandrosoana. Ny APD izay nankatoavin’ny Komitim-panampiana ho an’ny Fampandrosoana (CAD) ao anatin’ny Fikambanana Amin'ny Fiaraha-Miasa sy ny Fampandrosoana Ara-Toekarena (OCDE) tamin'ny 1969, ho mari-pamantarana mahakasika ny fanampiana avy any ivelany, dia mijanona ho loharanon'ny famatsiam-bola lehibe ho an'ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana. Ny APD dia mifototra amin’ny antontan’isa nangonina sy novolavolaina ary navoakan’ny OCDE.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram