Ho fanamafisana ny rojo famatsiana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe, ny UNICEF dia nampahafantatra ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon'ny Firenena Mikambana mahakasika ny maodelina fahamatorana
Famoaham-baovao iraisana

Antananarivo, 02 jona 2022 – Nandritra ny 3 andro no nanatanterahan’ny UNICEF, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana (OMS, FNUAP) ny atrikasa fanamafisana ny rojom-pamatsiana ny fahasalamam-bahoaka. Ny fihaonana, izay nahitana fifanakalozan-kevitra mampiaty sy ifandrimbonana, dia niteraka finiavana iraisana hampihatra paikady entina mamaha ireo fanamby sy teritery mianjady amin'ny rafitra nasionaly famatsiana ary mifandraika amin’ny drafitr’asa iombonana.
Amin'izao fotoana izao, efa ho ankizy iray amin'ny telo no mbola tsy vita vaksiny noho ny tsy fahazoana vaksiny ara-drariny, araka ny fanadihadiana tamin'ny taona 2020 nataon'ny OMS sy ny UNICEF. Ny fanapariahana ny vaksiny sy ny fitahirizana izany ary koa ny fandehanana amin'ireo faritra lavitra indrindra manerana ny nosy no fanamby tokony hatrehina mba hamadihana izany fironana izany. Araka ny fanadihadiana MICS farany teo, vehivavy 10 isan’andro no maty vokatry ny fahasarotana mifandraika amin’ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana eto Madagasikara. Ny fisian'ny fitaovam-pitsaboana sy ny fandrindram-pianakaviana akaiky ireo vehivavy dia manampy amin'ny fampihenana izany fahafatesan'ny reny azo sorohina izany. Ho an'ny akora fofotra ara-pahasalamana rehetra, ny fitsinjarana hatrany amin'ny kilaometatra farany indrindra dia miatrika olana miverimberina toy ny fahatarana amin'ny fandefasana entana, ny tsy fahampian'ny tahiry, ny tsy fahampiana miharihary amin’ny resaka angon-drakitra. Ny atrikasa dia nanampy tamin'ny fandinihana indray ireo dingana rehetra ireo mba hahatonga ny rafitra ara-pahasalamana ho tompon'andraikitra sy hahatanty kokoa, ahafahan'ny mpiasan'ny fahasalamana manome tolotra tsara kalitao, amin'ny toerana tokony ho izy sy amin'ny fotoana tokony ho izy.
Ny maodelin'ny fahamatorana avy amin’ny UNICEF, izay fototr’ity fifanakalozan-kevitra ity, dia fitaovana iray iombonana mba hahatakarana sy handrefesana ny fahombiazan'ny rojo famatsiana ho an'ny fampandehanana sy ny singa mifandraika amin'ireo fanafody tena ilaina ary koa ho an'ny vaksiny, akora fototra amin’ny sehatry ny sakafo ara-pahasalamana, vokatra amin’ny sehatry ny fandrindram-pianakaviana ary “antiretroviral”. Novolavolaina sy nampiharina tany amin’ny firenena 34 izany, miaraka amin’ny fanohanan’ny OMS, USAID ary ny biraon’ny Foreign, Commonwealth and Development – FCDO.
"Ny fampiasam-bola amin'ny rojo famatsiana matanjaka, mandray andraikitra ary mahatohitra olana dia mamonjy aina. Tena ilaina izy ireo mba hiantohana ny fahazoana vokatra sy tolotra ara-pahasalamana ary ireo singa fototry ny fahasalamana ara-drariny sy tsy misy sakana ho an’ny rehetra, tsy ankanavaka. Ny rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara dia manantintratintra ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny fanjakana amin'ny famolavolana drafitr’asa nasionaly hanatsarana ny rojom-pahasalamam-bahoaka, entina manamafy ireo zava-bita tamin’ity atrikasa ity sy ireo fanombanana hafa mifandraika amin'izany », hoy i Issa Sanogo, Mpandrindra maharitra ny ratsamangaikan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.
“Andao hiara-hiasa sy hanohana ny fitondram-panjakana amin’ny alàlan’ny paikady isan-karazany sy fiatrehana marolafy mifanaraka amin’ny filàna sy ny zava-misy eto an-toerana, mba tsy hisian’ny olona atao ankilabao amin’ny lafiny fahasalamana, fanabeazana, sakafo, rano, fidiovana ary fahadiovana”, hoy i Jean. -François Basse, Solontenan'ny UNICEF.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram