Hitombo avo efatra heny ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ny ankizy any Atsimon’i Madagasikara

Kanefa ny haintany dia mbola mihahenjana, araka ny fampitandreman’ny UNICEF

27 Jolay 2021
La situation des enfants atteints de malnutrition aigüe s'aggrave
UNICEF/UN0406724/Andrianantenaina

ANTANANARIVO, 26 jolay 2021 - Araka ny vinavina dia ankizy latsaky ny dimy taona miisa dimy hetsy farafahakeliny no ho lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo lalina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara izay voakasiky ny haintany, ka ny 110.000 amin’izy reo no harary mafy, ary hisedra fahasimbana miantraika amin’ny fitomboany sy ny fivelarany. Raha ny tomban’ezaka farany natao tamin’ny volana Oktobra 2020 dia ahiana hitombo avo efatra heny ny isan’ny ankizy ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, hoy ny fampitandremana nataon’ny UNICEF sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PAM).

« Mahavaky fo ny zava-misy any Atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hinia tsy hiraharaha ireo ankizy izay tandindomin-doza ireo isika », hoy ny filazan’i Moumini Ouedraogo, Solotenan’ny PAM eto Madagasikara. « Tsy maintsy mampitombo avo roa heny ny ezaka isika mba hanajanonana ity fihitarana mahatsiravin’ny mosary ity, kanefa tsy afaka hanao izany isika raha tsy misy loharanom-bola goavana sy ny fidirana an-tsehatr’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. »

Haintany nandritra ny efa-taona nisesy no nanimba ny fambolena sy nanapaka ny fahafaha-mihinan’ny mponina. Rehefa manakaiky ny fotoanan’ny maitso ahitra, fotoana izay mahakely ny tahirin-tsakafo, dia vao maika hihamafy ny krizy. Olona mihoatra ny 1,14 tapitrisa no miaina ao anatin’ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo any Atsimon’i Madagasikara, ary ahiana hitombo avo roa heny ny isan’ny olona « tandindomin-doza mahery vaika » (Dingana faha-5 ao amin’ny IPC) ka hahatratra 28.000 izany hatramin’ny volana Oktobra.

Ny distrikan’i Ambovombe-Androy izay faritra tena voakasik’izany, izay ahitana tahan’ny tsy fahampian-tsakafo lalina 27 isan-jato –  taha tena mampivarahontsana – dia tandindomin’ny mosary raha toa ka tsy misy fepetra maika raisina mba hanakanana ny fihitaran’ny toe-draharaha. Ilay krizy dia mbola nohamafisin’ny tsy fahatomombanan’ny foto-drafitr’asa amin’ny lafin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana ary ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ihany koa.

« Tsy maintsy miompana farak’izay haingana amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy isika mba hanakanana ny fihitaran’ny toe-draharaha », hoy ny fanambaran’i Michel Saint-Lot, Solotenan’ny UNICEF eto Madagasikara. « Hamonjy ain’olona maro ny fiantohana ny fahazoana rano fisotro madio ho an’ny isan-tokantrano sy ny fitsaboana ireo ankizy tsy ampy sakafo amin’ny alàlan’ireo sakafo ara-pahasalamana voaomana ampiasaina. Kanefa mila ataontsika dieny izao izany. »

Ny fiakaran’ny vidin’ireo entana ilaina andavan’andro sy ny tsy fisian’izany eny amin’ny tsena dia mampitombo hatrany ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo. Etsy an-danin’izany dia mbola mametraka olana hafa ihany koa ireo sakana maro samihafa mifandray amin’ny COVID-19, izay manakana ny fahafahan’ny olona mivarotra sy miasa ary mahazo sakafo.

Ny PAM sy ny UNICEF dia efa niara-niasa akaiky tamin’ny Governemanta Malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hatramin’ny taona lasa mba hiadiana amin’ny mosary mahery vaika any Atsimo. Koa satria mihamafy ny krizy dia tokony ampitomboina ihany koa ny ezaka mifanaraka amin’izany; ireo sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana dia efa manamafy ny famatsiana ara-tsakafo vonjimaika any Atsimo. Tena ilaina ny hetsika ifotony miady amin’ny olana rehetra mifandraika amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy maintsy mifanindran-dàlana amin’ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo ny drafitra fisorohana sy fitadiavam-bahaolana matotra avy amin’ny sehatra marolafy, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra sy ireo manam-pahefana eto amin’ny firenana.

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram