Fandraisana anjara fanampiny avy amin’i Norvezy ho an'ny fanabeazana ho an'ny rehetra

10 Septambra 2020
Le Représentant de UNICEF à Madagascar, Monsieur Michel Saint-Lot et le Ministre-conseiller auprès de l’Ambassade de la Norvège à Madagascar Monsieur Andreas Danevad
UNICEF Madagascar/2020

Ny Governemanta Norveziana dia vao avy nanao sonia ny fanohanana fanampiny ho an'ny fandaharam-pampianarana iarahana eto Madagasikara. Valopy mitentina 4,16 tapitrisa dolara no ho azon'ireo masoivohon'ny Firenena Mikambana telo : ny BIT, PAM ary ny UNICEF. Handrakotra ny volana Jolay ka hatramin'ny volana Desambra 2020 izany ary entina miatrika tsara kokoa ny fiantraikan'ny COVID19 amin'ny sehatry ny fanabeazana, indrindra eny amin’ny faritra telo any atsimon’ny nosy, tsy iza izany fa Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana.

Anisan'ny sehatra lehibe ifantohan’ity fanampiana ity ny ady amin'ny fitontongan’ny fampianarana sy ny fitombon’ny fahantran’ny mponina aorinan'ny krizy COVID19.

Amin'ity valopy fanampiny ity, ny BIT, PAM ary ny UNICEF dia afaka hiantoka ny fananganana efitrano fianarana vaovao 48, hanohana mpianatra 31 000 amin'ny fiverenan’izy ireo an-tsekoly, hanolotra “kit fialamboly” ho an’ny sekoly 1 500 ary hanome sakafo mafana ho an'ny mpianatra miisa 102 000.

Ny fifanarahana famatsiam-bola vaovao dia nosoniavina tamin'ny volana Jona teo ary notanterahan’ny Minisitra - Mpanolotsaina ao amin'ny Masoivoho Norveziana eto Madagascar, Andriamatoa Andreas Danevad sy ny solontenan'ny UNICEF, Andriamatoa Michel Saint-Lot.

 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra eto ambonin’ny tany ny UNICEF mba hanatonana ireo ankizy sy tanora marefo indrindra - ary miaro ny zon'ny ankizy rehetra manerana izao tontolo izao.

Araho koa ny kaonty @UNICEFMada amin'ny  TwitterFacebook et Instagram