Fandaharan’asa “Fanabeazana ho an’ny rehetra” : notokanan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny fotodrafitr’asa vaovao ao amin’ny EPP Ankananavy, naorina tamin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana Norvezianina
Bekily, 29 Aprily 2022 – Toeram-pianarana miisa 5 no notokanan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rtoa Marie Michelle Sahondrarimalala, tao amin’ny EPP Ankananavy. Izany fotodrafitr’asa izany izay ahitana trano lehibe 5 misy efitrano fianarana 6 ho an'ny fanabeazana fototra, biraon'ny Tale 1 ary tranomboky 1, trano lehibe 1 misy efitrano fianarana 1 ho an'ny garabola ary trano 1 natao ho trano fonenan'ny Tale, no naorina sy nampitaovana tamin’ny alàlan’ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Fanjakana Norvezianina, ao anatin'ny fandaharan'asa iombonana antsoina hoe "Fanabeazana ho an'ny rehetra". Nanatrika izany fotoana izany ny Minisitra - Mpanolotsaina ao amin'ny Masoivoho Norvezianina eto Madagasikara, Atoa Andreas Danevad, ary koa ny Talen’ny Biraon’ny OIT eto Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles, izay misolo tena ny UNICEF, ny BIT ary ny PAM; izy ireo no masoivoho telo manohana ny minisitera amin’ny fanatanterahana ilay fandaharan’asa.
Nanomboka ny taona 2015 dia nikendry ny fampitomboana ny fahazoana fanabeazana sy ny fanatsarana izany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy ny fandaharan’asa iombonana "Fanabeazana ho an'ny rehetra" eto Madagasikara. Efitrano fianarana, trano famakiam-boky ary efitrano multimedia, birao sy trano fonenana ho an'ny tale, trano fisakafoanana misy lakozia sy efitra fitehirizana, fotodrafitr’asa ahafahana misitraka rano fisotro madio ary fitaovana mitondra angôvo entin’ny masoandro no tena zava-dehibe voatsangana tao anatin’ilay fandaharan’asa.
Nanomboka ny volana jolay 2020 dia sekoly miisa 32 no voaorina tanteraka ka anisan’izany ny eny Ankananavy. Ho an’ny Fitalevana isam-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Androy, efitrano fianarana miisa 172, trano fisakafoanana 60 misy lakozia sy trano fitahirizana ary sekoly 13 no efa voatsangana. Ny fanorenana tanteraka sekoly miisa 9 hafa dia ho vita amin'ny fiafaran'izany fandaharan'asa iombonana izany.
Nohamafisin’ireo solontenam-panjakana Norvezianina sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny fahavononan’izy ireo hanohana ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fandaharam-pampianarana eny amin’ny garabola sy ny fanabeazana fototra, ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Nanolotra ny fisaorana ho an’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny ekipany ny Minisitra - Mpanolotsaina ao amin'ny Masoivoho Norvezianina eto Madagasikara, tamin’ny fandraisan’andraikitra mafonja nasehon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy rehetra. Nanantintrantitra ny fisaoran’ny fanjakana Norvezianina ho an’ny OIT ihany koa izy nohon’ny fiaraha-miasa maharitra nandritra ny 20 taona mahery mahakasika ny fanorenana sekoly manerana ny nosy. Hitohy ny fiaraha-miasan’i Norvezy amin’i Madagasikara aorian’ny fandaharan’asa iombonana izay hifarana amin’ny volana jona 2022, ho fanohizana ny fiatrehana ireo fanamby lehibe amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fiahiana ara-tsosialy sy ara-toe-karena ho an’ireo mponina marefo any Atsimo. Ny Talen'ny Biraon'ny OIT eto Madagasikara dia nitondra ny fisaorana avy amin’ireo masoivoho telo ireo ho an'ny Governemanta Norvezianina noho ny fanohanana ara-bola tsy tapaka sy makadiry ho an'ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Nankasitrahany ihany koa ny fiaraha-miasa ankitsipo eo amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fokonolona ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ho fanatsarana ny fanabeazana ireo zaza malagasy.
Hatramin'ny nampiharana ny fandaharan'asa iombonana, miaraka amin'i Norvezy any amin'ny faritra 3 any atsimo dia efitrano fianarana maherin'ny 400 sy fotodrafitr’asa ara-pahasalamana miisa 450 no naorina, nasiam-panarenana ary nampitaovana, ka nahafahan'ny ankizy maherin'ny 100.000 nahazo fanabeazana mampiaty sy manana kalitao avo lenta. Mpampianatra ambaratonga fototra sy garabola maherin'ny 30.000 no afaka nanamafy ny fahaizan’izy ireo mampianatra, miaraka amin'ny fandraisana anjara betsaka kokoa avy amin'ny vondrom-piarahamonina mahakasika ny fampandehanana ny sekoly.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram