Fanatanterahana hetsika vaovao manamafy ny tohibelin’ny mponina marefo any atsimon'i Madagasikara

12 septambra 2023, Antananarivo – Ny tetikasa haharitra efa-taona – mampivondrona ny governemanta malagasy, ny Kreditanstalt für Wiederaufbau (KFW), ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny Sakafo ary ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) – dia nanaovana fanambarana ofisialy androany. Izany hetsika izany dia hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo amin'ny endriny rehetra ary hanamafisana ny tohibely (amin’ny lafiny isam-batan’olona, fiaraha-monina ary rafitra manoloana ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny vokatry ny krizy any Okraina) eo amin'ireo olona marefo miisa 106.650 any atsimon'i Madagasikara.
Ity tetikasa ivondronan’ny sehatra maro ity, izay misitraka ny fanohanana mitentina 28,5 tapitrisa euros avy amin’ny KFW, dia tanterahin’ireo masoivoho roa tonta eo anivon’ny Firenena Mikambana ao amin’ny kaominina telo: Itampolo any amin’ny distrikan’Ampanihy, Sihanamaro any amin’ny distrikan’Ambovombe, Tsivory ary Ifotaka any amin’ny distrikan’Amboasary.
Ny vokatry ny hain-tany telo taona nifanesy izay nampihena ny vokatry ny fambolena, ny fepetra famerana mifandraika amin'ny COVID-19, ny fikorontanan'ny toetr'andro ary ny krizy any Okraina dia manemotra ny fandrosoan'ny firenena ho amin’ny fanatrarana ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra (ODD) mifandray amin'ny fahantrana, ny hanoanana, ny rano madio sy fanadiovana. Izany fanohanana avy amin'ny KFW izany dia notanterahana tao anatin'ny toe-javatra iatrehan'ny mponina any atsimon'i Madagasikara ireo fanamby maro izay mampitombo ny faharefoan'izy ireo sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny tsy fahampian-tsakafo.
Manambatra ny fahaiza-manaony ny Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo sy ny UNICEF amin’ny fiatrehana ny fiantraikany sy ny fototra lalin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Fitambarana fandraisana andraikitra maromaro no tontosaina mahakasika izany. Ao anatin'ny toe-tsaina mivoy ny fiaraha-miasa sy ny fampiroboroboana ny fifandraisan’ny sehatry ny sakafo sy ny faharetana amin’ny sehatra maromaro, ny PAM sy ny UNICEF dia hanohana ny fanjakana amin'ny fampiharana ny fomba fiasa eny ifotony ho fandraisana anjara amin'ny ezaka eto amin’ny firenena entina miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. Irina ny ipariahan’ity hetsika vaovao ity mba hanamorana ny fanovana sy ny fampandrosoana maharitra ny fiarahamonina malagasy.




Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram