Fanamafisana ny hetsika fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny fanefitry ny COVID-19

03 Desambra 2021
Représentant UNICEF
UNICEF Madagascar/2021/Andrianandrasana

Antananarivo,  faha 03 Desambra 2021 : Ny UNICEF dia manana andraikitra amin’ny fanohanana ny fanjakana amin’ny alàlan’ny fitondrana paik’ady mampandroso sy mahomby mba hanamafisana orina ny fangatahana fanaovam-baksiny avy amin’ny vahoaka. Mikasika izany indrindra, nisy fihaonambe siantifika izay natao tao amin’ny hotely Carlton androany, mahakasika ny fanaovam-baksiny fanefitry  ny COVID-19, hetsika notarihin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay natao hanentanana ny fikambanan’ireo avara-pianarana sy ny manam-pahaizana ara-pahasalamana momba ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny fanefitry ny COVID-19.

Izany fihaonambe izany mantsy dia tafiditra anaty andiana hetsika nasionaly izay mikendry ny hanamafisana ny fanentanana amin’ny fanaovam-baksiny. Io hetsika io dia fanatontosana ny toromarika iombonana izay navoakan’ny OMS Afro, ny Biraom-paritry ny UNICEF, ny GAVI, ny USAID ary ny Banky iraisam-pirenena nandritra ny fihaonana ny 02 ka hatramin’ny 08 novambra lasa teo mba hanafainganana ny fanaovam-baksiny fanefitry ny COVID-19. Nisy arak’izany ny atrik’asa fanaovana fanentanana niarahana tamin’ny tompona orinasa dimampolo teo ho eo mba hanentanana azy ireo hiaro ny mpiasa ao aminy amin’ny alàlan’ny fanaovam-baksiny. Nisy hetsika nasionaly hafa izay nalamina ihany koa niarahana tamin’ny ministera teknika, ny mpanao gazety ary ny antokom-pivavahana mba hampahafantarana sy hanentanana ny mponina mahakasika ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny sy mba hitaomana olona betsaka araka izay azo atao, indrindra fa ny marefo mba hanao vaksiny.

Raha tsiahivina, niaina fifindran’ny valan’aretina COVID-19 indroa miantoana i Madagasikara ny telovolana fahatelo tamin’ny taona 2020 sy ny telovolana faharoa tamin’ny taona 2021. Raha jerena ny antontan’isa mikasika ny olona narary sy maty dia faritra enina no tena lasibatra ; tafiditra ao anatin’izany ny faritra Analamanga, Matsiatra Ambony, Diana, Boeny, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Vokatry ny fidirany tao anatin’ny rafitra COVAX ny Marsa 2021,  Madagasikara dia nisitraka fatra na vaksiny 2 000 000 fanefitry ny COVID-19 hatramin’izao. Kanefa, amin’izao fotoana izao izay mampirongatra ny aretina any amin’ny faritra sasany dia mbola vitsy dia vitsy ny vahoaka no nampiasa izany vaksiny izany.

Hatreto aloha dia ny fanaovam-baksiny ihany no hany làlana azo antenaina ahafahana mivoaka amin’ity valan’aretina ity mba hiverenana amin’ny fiainana sosialy sy ara-toekarena andavanandro. Amin’ny alàlan’ny fanambarana ny fepetra sakana sy ny fanaovam-baksiny dia mandray anjara amin’ny fanakanana ny fiovan’ny viriosy isika izay mety hampidi-doza lavitra mihoatra ny teo aloha.

 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram