Antso vonjy taitra ho an’ny Faritra atsimon’i Madagasikara

18 Janoary 2021
Enfants du Sud de Madagascar
UNICEF/UN0336765/Ralaivita

Antananarivo, 18 Janoary 2021, fanombohana ny « Antso vonjy taitra » na « Flash appeal » mitentina 75,9 tapitrisa dolara. Loharanom-bola fanampiny izy io entina hanampiana ireo mpisehatra ao amin’ny ara-tsosialy eto amin’ny firenena (HCT) izay ahitana ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny Vokovoko Mena ary ny Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Izany no natao dia mba ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanatontosana ny laharam-pahamehan’ny Governemanta sy ny drafitr’asa nasionaly fiatrehana ny toe-draharaha iainan’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Ny zava-kendren’ity antso vonjy taitra ity dia ny: hamonjy ain-jaza latsaky ny 5 taona miisa 300.000 izay tratry ny tsy fahampian-tsakafo lalina; hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono miisa 67.750; hanatsarana ny fahatomombanana ara-tsakafo ho an’olona miisa 1,11 tapitrisa; ary hanome rano fisotro madio, sy famatsian-drano tsitaitaika natao hanondrahana zaridaina iombonana hambolena legioma ho an’olona marefo miisa 420.500. Ity antso ity dia hahafahana miantoka fitsaboana fototra maimaimpoana ho an’olona miisa 230.000 sy fitsaboana vonjy taitra ho an’ny vehivavy mitondra vohoka miisa 23.822. Natao izany mba entina misoroka ny mety ho fiakaran’ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza menavava, ary manampy vehivavy niharan’ny herisetra miisa 11.900 ho fampahalalàna azy ireo ny zony sy hahazoany fandraisana an-tanana ara-pitsaboana sy/na ara-tsaina, ara-tsosialy ary araka ny lalàna.

Ambonin’izany, tanjon’ity antso ity ihany koa ny hanomezana sakafo an-tsekoly ho an’ny mpianatra miisa 150.000 hatramin’ny faran’ny taom-pianarana 2020-2021. Ary farany, olona 220.000 izay misedra olana samihafa ara-pandriam-pahalemana no hahazo fiarovana ary hohamafisina ny fandrindrana ny paik’ady mikasika izany eny amin’ny toerana misy azy ireo.

Manoloana ny haintany maharitra, izay mahery indrindra tato anatin’ny 10 taona izao, dia lelavola mitentina 30 tapitrisa dolara no voaangona teo anelanelan’ny volana Jolay sy Septambra 2020. Izany fanampiana andiany voalohany izany dia nahafahana nisoroka ny fiharatsian’ny toe-javatra iray manontolo.

Na izany aza anefa, nohon’ny hain-tany ary nanampy trotraka izany ihany koa ny voka-dratsin’ny valan’aretina Covid-19 sy ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny faritra sasantsasany any atsimon’ny Nosy, dia vao mainka nihasarotra dia sarotra ny toe-draharaha iainan’ny mponina ankehitriny. Mitohy hatramin’izao ny haintany ; vokatr’izany dia misy fahatarana ny fanombohan’ny fotoam-pambolena ary izany dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny vokam-pambolena andrandraina amin’ny volana May/Jona 2021. Ny fanadihadiana mikasika ny fanasokajiana ny tsy fanjarian-tsakafo (IPC) tamin’ny Desambra 2020 dia maneho fa olona miisa 1,15 tapitrisa no ahiana ho tratran’ny hamehana sy ny krizy, ka zaza 6-59 volana mitotaly 135.476  amin’izy ireo no hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo lalina, ary 27.134 no ho lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika eo anelanelan’ny volana Janoary sy Aprily 2021. Ny distrikan’i Amboasary sy Bekily dia anatin’ny hamehana araka ny IPC raha toa ka distrika 6 hafa kosa no ao anatin’ny krizy.

Eo anatrehan’izany vinavina ho amin’ny 5 volana ho avy izany ary mba hitondrana vahaolana misandrahaka amin’ny sehatra samihafa hatramin’ny volana May 2021, ny drafitr’asa nasionaly novolavolaina teo ambany fitarihan’ny Birao misahana ny fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC) dia mitaky lelavola 81,3 tapitrisa dolara izay mifandraika amin’ny filàna mbola mila tratrarina, kanefa efa manomboka mihalany ny famatsiam-bola eo anivon’ny HCT. Izany ezaka hotratrarina izany dia tsy mahakasika ny fanohanana ara-tsakafo fotsiny ihany fa mahasahana ihany koa ny sehatra hafa toy ny Rano/Fanadiovana/Fidiovana, ny Fanabeazana, ny antoka ara-tsakafo, ny Fiarovana, ny Fahasalamana, ny Fifandraisana/Fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina ary ny Fandrindrana, mba hahafahana mandray an-tànana ny toe-draharaha iainan’ny mponina.

Taorian’ny fifampidinihana tamin’ireo Fahefana Ambony sy ireo mpisehatra mifandraika amin’ny lafin’ny maha-olona eo anivon’ny HCT, dia natao ny tolo-kevitra mikasika ny fanetsehana ireo loharanom-bola « Antso vonjy taitra » mba hahafahan’ireo mpiara-miombon’antoka mameno ny teti-bola hotratrarina araka izay hita ao amin’ny drafitr’asa nasionaly entina mamaly izany filàna izany. Io « Antso vonjy taitra » io dia mitondra ny anjara birikiny ihany koa ao anatin’ny laharam-pahamehana stratejikan’ny governemanta, ka anisan’izany ny fampandehanana ny Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana, banky ara-tsakafo, ny paik’ady mifanindran-dàlana amin’ny fambolena mahatanty sedra sy ny WASH, ary koa ny fampandehanana ny rafitra fandrindrana eny an-toerana.

Ankoatra ny fandraisana an-tànana maika mikasika ny toe-draharaha iainan’ny mponina, dia ilaina ihany koa ny vahaolana maharitra, amin’ny alàlan’ny paik’ady aman-taonany, mba hanamafisana ny tohibelin’ny mponina sy hamongorana ireo fototry ny faharefoana amin’ny lafiny rehetra, ary koa mba hanarahana akaiky ny fandrosoan’ny faritra Atsimon’ny Nosy sy ny firenena iray manontolo, izay mifandraika amin’ireo laharam-pahamehana nasionaly sy ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara.

 

Fifandraisana

Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram