Ankizy 27 tapitrisa mahery no tandindomin-doza kanefa ny tondra-drano dia mandravarava tsy nisy toy izany eran’izao tontolo izao
Ny isan'ireo ankizy tratry ny tondra-drano any Tchad, Gambia, Pakistan ary any avaratra atsinanan'i Bangladesh no be indrindra tao anatin'ny 30 taona mahery.

SHARM EL SHEIKH, Egypta / GENEVE / NEW YORK, 8 Novambra 2022 - Rehefa notanterahina ny fihaonana an-tampony COP27 tany Egypta, ny UNICEF kosa dia nampitandrina fa tamin'ity taona ity dia nahitana tondra-drano tena niteraka fahapotehana ho an’ny ankizy 27.7 tapitrisa farafahakeliny tany amin'ny firenena miisa 27 manerantany.
Ny ankamaroan’ireo ankizy 27,7 tapitrisa* lasibatry ny tondra-drano tamin'ny taona 2022 ireo dia anisan'ireo marefo indrindra ary miatrika karazana tataon-doza maro ; anisan'izany ny fahafatesana anaty rano, ny valan’aretina, ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fikorontanan’ny fianarana ary ny herisetra.
« Tamin'ity taona ity isika dia niaina tondra-drano mahery vaika tsy mbola nisy hatrizay manerana izao tontolo izao ary koa ny fitombon’ireo ambana mianjady amin’ny ankizy, » hoy i Paloma Escudero, Lehiben'ny Delegasiona UNICEF tany amin’ny COP27. «Tena misy tokoa ny krizy amin'ny toetr'andro. Amin'ny toerana maro, ireo tondra-drano ireo no ratsy indrindra niainan’ny taranaka iray, eny, taranaka maromaro mihitsy aza. Ireo zanantsika dia efa miaina anaty fijaliana izay tsy mbola hitan’ireo ray aman-dreniny akory.»
Ny fiantraikan’ny tondra-drano dia matetika mahafaty kokoa ho an'ny ankizy noho ny toetr'andro mahery vaika mahatonga ny tondra-drano. Tamin'ny taona 2022, ny tondra-drano dia anisan’ny niteraka ny fiparitahan'ireo antony mitarika fahafatesan’jaza, toy ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tazomoka, ny kôlerà ary ny aretim-pivalanana:
· Tany Pakistana, mihoatra ny iray amin'ny zaza sivy latsaky ny dimy taona izay namonjy tobim-pahasalamana any amin'ny faritra lasibatry ny tondra-drano ao Sindh sy Balochistan no niharan'ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.
· Tao Tchad dia tany fambolena 465.030 ha no potika, izay vao mainka nampitombo ny tsy fanjarian-tsakafo efa tena zava-doza any an-toerana.
· Tany Malawi, ny orana mivatravatra sy ny tondra-drano vokatry ny rivodoza tropikaly Ana tamin'ny volana Janoary 2022 dia niteraka fahasimbana goavana teo amin'ny famatsian-drano sy ny rafitra fanadiovana, ka nahatonga ny fihanaky ny kôlerà. Olona 203 no namoy ny ainy tamin’io valan’aretina io, ka ankizy ny 28 tamin’izy ireo. Hatreto dia ankizy miisa 1631 no voan’ny kôlerà.
· Ireo olana ara toetr'andro hafa sy ny ady isankarazany nanampy ny tondra-drano dia nahatonga ny vinavina fa ny isan'ireo ankizy any Sodàna Atsimo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo goavana dia hihoatra ny taha hita nandritra ny ady tamin'ny 2013 sy 2016. Ankoatra izany, nampitandrina ny Firenena Mikambana vao haingana fa hisy vondrom-piarahamonina sasany atahorana ho lasibatry ny mosary raha tsy voatazona ny fanampiana tra-boina ary raha tsy hamafisina ireo fepetra fiatrehana ny toetr’andro.
Ankoatry ny loza mitatao amin’ny ain'ny ankizy an-tapitrisany, ny tondra-drano dia nanakorontana ireo tolotra tena ilaina ary nahatonga fianakaviana tsy tambo isaina hifindra monina:
· Nanimba na nandrava trano fianarana efa ho 27.000 ny tondra-drano vao haingana tany Pakistan, ka ankizy 2 tapitrisa no tsy afa-nianatra.
· Tany Sodàna Atsimo, toby ara-tsakafo 95 tohanan'ny UNICEF no tratran'ny tondra-drano, ka nanakorontana ny fiantohana ireo tolotra fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanaovana vonjy aina ho an'ny ankizy miisa 92.000.
· Ankizy 840.000 eo ho eo no nafindra toerana noho ny tondra-drano tany Nizeria tato anatin'ny volana vitsivitsy.
· Ny oram-be mikija sy ny tondra-drano tao Yemen dia nitarika tondra-drano izay niteraka fahasimbana goavana tamin'ny toeram-pialofana tany amin'ireo toerana fifindra-monina. Tokantrano mahatratra 73 854 no tra-boina ary tokantrano 24 000 no nafindra toerana.
I Madagasikara dia tsy iharan’ny tondra-drano mivantana, kanefa mora azon’ny loza voajanahary rehetra izy; anisan’izany ny rivodoza, ny tondra-drano, ny valan’aretina Covid-19 izay nanampy trotraka ny toe-draharaha ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny toekarena marefo ary ny tahan’ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena. Na dia anisan’ireo firenena manana taha ambany indrindra amin’ny famoahana entona manimba tontolo iainanana aza i Madagasikara, dia iray amin'ireo folo voalohany indrindra maneran-tany izy, raha ny resaka faharefoan’ny ankizy manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro no asian-teny. Ny tsy fahampian’ny orana sy ny hain-tany maharitra any amin’ny faritra atsimon’ny nosy dia nahatonga olona efa ho 1,5 tapitrisa tafalatsaka ao anatin’ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo, ka ankizy ny antsasany amin’izy ireo. Ny taona 2022, tombanana ho zaza latsaky ny 5 taona miisa 500.000 no hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo lalina, ary 110.000 no ho lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.
« Ny COP27 no fotoana ahafahana mamaritra ny tondrozotra azo itokisana, miaraka amin'ireo dingana mazava mahakasika ny famatsiam-bola ny fiatrehana ny toetr'andro sy ny vahaolana manoloana ireo fatiantoka sy ny fahasimbana, » hoy i Paloma Escudero. « Ireo tanora any amin'ny toerana tena voa mafy indrindra eran’izao tontolo izao dia rendrika ao anatin'ny tsy fandraisana andraikitra mikasika ny toetr'andro. Ampy izay. Tena ampy. Ain'olona no tandindomin-doza - tsy maintsy mandray andraikitra ny ankizy amin’izao fotoana izao. »
Ankoatra ny fanaovana tsindry amin’ireo governemanta sy orinasa lehibe mba hampihenan’izy ireo haingana ny entona manimba tontolo iainana avoakan’izy ireo, ny UNICEF dia mandrisika ihany koa ireo mpitarika maneran-tany mba handray andraikitra haingana ho fiarovana ny ankizy amin'ny fahasimban'ny toetr'andro, amin'ny alàlan'ny fampifanarahana ireo tolotra ara-tsosialy manan-danja tena iankinan'izy ireo. Ny fepetra mifanaraka amin’izany, toy ny fametrahana rafitra famatsian-drano, ara-pahasalamana ary ara-panabeazana mahatanty tondra-drano sy hain-tany, dia afaka hamonjy aina.
Tamin'ny taon-dasa, ireo firenena mandroso dia nanaiky ny hampitombo avo roa heny ny fanohanan’izy ireo, ho famatsiana ireo fepetra fiatrehana izany olana izany, mba ho tonga $40 lavitrisa isan-taona hatramin'ny 2025. Mandritra ny COP27 dia tokony manolotra tondrozotra azo itokisana izy ireo miaraka amin'ny dingana mazava tsara mahakasika ny fomba hanatratrarana izany, mba ho toy ny dingana iray mankany amin'ny fanolorana 300 lavitrisa dolara isan-taona farafahakeliny entina miatrika izany olana izany, hatrany amin’ny taona 2030. Farafahakeliny ny antsasaky ny famatsiam-bola momba ny toetrandro rehetra dia tokony hatokana ho an'izany hetsika fampifanarahana amin’ny toetr’andro izany.
Ny UNICEF koa dia mamporisika ireo mpiantsehatra mba hitady vahaolana entina manohana ireo izay niharam-pahavoazana nateraky ny toetr'andro mihoatra noho izay fetra novinavinain’ny vondrom-piarahamonina fa mety ho zaka. Ny UNICEF dia miantso ireo fanjakana mba hameno ny banga amin'ny famatsiam-bola mba ahafahana miatrika ireo fiovana tsy azo ivalozana ho an'ny ankizy.
MANDRITRA NY COP27, MIANTSO IREO MPANDRAY ANJARA REHETRA NY UNICEF MBA:
1. HISOROKA. Hanavao ny paikadin’ny firenena tsirairay mahakasika ny toetr’andro mba hampihenana haingana ny famoahana entona manimba tontolo iainana mba hisorohana ny loza vokatry ny toetr'andro.
2. HIARO. Ataovy azo antoka ny fisian’ny hetsika mazava momba ny fahaiza-miatrika toe-javatra izay miaro ny ankizy tsirairay amin'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro, amin'ny alàlan'ny tatitra fanaraha-maso sy fanombanana maneran-tany na « inventaire mondial » sy ny Tanjona iraisam-pirenena ho an’ny fahaiza-miatrika toe-javatra na « objectif mondial sur l'adaptation ».
3. MIOMANA. Fampiroboroboana ny fanabeazana manoloana ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fandraisana anjara mavitrika entina manomana ny ankizy sy ny tanora amin'ny alàlan'ny Hetsika ho an’ny fanomezan-tsehatra ny toetr’andro na « Action for Climate Empowerment » (ACE).
4. MANASOKAJY HO LAHARAM-PAHAMEHANA ireo ankizy sy ny tanora amin'ny alàlan'ny fanafainganana ny fampiasam-bola amin'ny tolotra ara-tsosialy mahatanty ny fiovan’ny toetrandro izay mahakasika ny ankizy tandindomin-doza indrindra, ary mamaha ireo olana mifandraika amin’ny fatiantoka sy fahasimbana.
5. Miditra an-tsehatra amin'ny hetsika mikasika ny toetr'andro sahaza ny ankizy, ary mampifanaraka izany amin'ny Fanambarana mahakasika ny ankizy sy ny tanora mba hahatonga izany ho azo ampiharina.
Midadasika ireo fandraisan’andraikitra haingana sahanin’ny UNICEF amin'ny lafin’ny maha-olona any amin'ireo firenena tratran'ny tondra-drano ary mandrakotra ny sehatra rehetra izany: fahasalamana, sakafo, rano, fahadiovana sy fidiovana (WASH), fiahiana ny ankizy ary fanabeazana. Na izany aza, ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola dia nanakana ny fidirana an-tsehatra tany amin'ny firenena maro. Ohatra, 85 isan-jato amin'izao fotoana izao ny tsy fahampiana ara-bola ho an'ny fitsabahana amin’ny lafin’ny maha-olona ao Pakistan.
Ny UNICEF dia manao ezaka fanamafisana ny tohibelin’ny vondrom-piarahamonina sy ireo fotodrafitr’asa ara-pahasalamana mba hahafahan'izy ireo manohitra ny toe-javatra ateraky ny loza, ary mampifandray bebe kokoa ny asantsika amin'ny fiatrehana izany amin’ny lafin’ny maha-olona sy ireo hetsika fampifanarahana amin’ny fiovaon’ny toetr'andro ao anatin’ny fotoana maharitra kokoa.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram