Andro maneran-tany ho an’ny ankizy 2023: Eto Madagasikara, fanentanana mba “hisitraka ny zony rehetra ny ankizy tsirairay”.

19 Novambra 2023
Journée Mondiale de L'Enfant 2023
UNICEF/UNI458211

Antananarivo, 20 novambra 2023 – Mankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy ny UNICEF Madagascar amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fandraisany andraikitra mba hahafahan’ny ankizy malagasy tsirairay misitraka ny zony rehetra. Amin’ny alàlan’ny fanomezana feo azy ireo, ny UNICEF Madagascar dia mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-danja ny fomba fijerin’ny ankizy momba ny fanapahan-kevitra mahakasika azy ireo sy ny filàna hetsika mivaingana sy mitohy mba hahafahan’izy ireo miaina tanteraka ao anatin’ny tontolo mahasoa. Niangavy ny mpiara-miombon'antoka rehetra (governemanta, mpiara-miombon'antoka amin'ny lafiny fampandrosoana, sehatra tsy miankina) ireo ankizy mba hametrahan’izy ireo ho laharam-pahamehana ny lafin-javatra sasantsasany toy ny:

  • Fiarovana ny ankizy amin'ny alàlan'ny fiantohana fa ireo tolotra fototra ho an'ny ankizy, anisan'izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fiahiana ny ankizy, dia mahatohitra zava-tsarotra ary misokatra ho an’ny rehetra.
  • Fanomanana ny ankizy sy ny tanora amin’ny fiainana ao anatin'ny tontolo voamariky ny fiovaovan'ny toetr'andro, amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fahaizany miatrika fiovana sy ny tohibeliny, ary amin'ny fanomezana azy ireo ny fomba hampivelarana sy hitondrana  vahaolana ho azy manokana.
  • Fametrahana ny ankizy sy ny tanora ho laharam-pahamehana ao anatin’ny politika, fandaharan'asa ary fampiasam-bola natao ho an'ny fampandrosoana, ny toetr’andro ary ny fanampiana amin’ny lafiny maha-olona.

Mba hanampiana azy ireo ho fandrenesana ny fanehoan-keviny dia nisy mpiara-miombon'antoka maromaro nanaiky an-tsitrapo hiresaka tamin'ireo ankizy manodidina ny 30 eo ho eo, izay nisolo tena ny faritra rehetra eto Madagasikara nandritra ny adihevitra ampahibemaso nozaraina ho lohahevitra 4:

 

 

Pour chaque enfant, la participation
UNICEF/UNI458178

Ho an'ny ankizy tsirairay, fiahiana, fampiatiana, fahalalahana maneho hevitra

Caylah, mpanao slam; Lorah Gasy, mpitari-kevitra ao amin'ny tambajotra sosialy miaro ny zon'ny vehivavy sy ny tovovavy, ary Angelo, tanora mpanao gazety ao amin'ny Studio Sifaka, dia niresaka mahakasika ireo fomba samihafa hanehoana hevitra sy handraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny ambaratonga samihafa. Ireo ankizy nandray anjara tamin'ilay adihevitra dia nitafatafa mikasika ny maha-zava-dehibe ny fiahiana sy ny fiarovana an-tserasera ary ny fananganana fotodrafitr’asa fialamboly sahaza, anisan'izany ny valan-javaboary sy ny toerana ahafahan'izy ireo mampivelatra ny talentany.

 

Pour chaque enfant, une planète habitable
UNICEF/UNI458174

Ho an'ny ankizy tsirairay, fanabeazana

Entanina ihany koa ireo mpandraharaha sy ny sehatra tsy miankina mba hanaja ny zon’ny ankizy, amin’ny alàlan’ny fampiharana ireo fitsipika 10 momba ny zon’ny ankizy sy ny orin’asa. Airtel dia naneho ny fandraisany anjarany amin'ny sehatry ny teknolojia nomerika ho an'ny fanabeazana mba hanolorana fomba fanabeazana hafa. Ny Fikambanana Axian kosa indray dia nampiditra ny zon'ny ankizy ao anatin’ny andavan’androm-piainan’ny orin’asa amin'ny alàlan'ny fametrahana toerana natokana ho an'ny ankizy sy toerana fampinonoana eo anivon’ilay toeram-piasana. Ny talem-paritry ny People Power Inclusion ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, orin’asa iray mikendry ny fisorohana ny fiaretana ara-sosialy sy ara-toekarenan'ny mponina tsy tafiditra ao amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny sehatr’asa mahazatra, dia nizara ny traikefany momba ny ady amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona ao anatin’ny rojom-pambolena, anisan’izany ny sehatry ny lavanila.

Nisy ny antso izay natao mba hametrahan’ireo orin’asa ny tombontsoan’ny ankizy ho laharam-pahamehana ao anatin’ny politika anatin’izy ireo, amin’ny alàlan’ny andraikitr’izy ireo ara-tsosialy.

Pour chaque enfant, une éducation
UNICEF/UNI458172

Ho an'ny ankizy tsirairay, fiahiana

Nampahatsiahivin'ireo mpandray anjara tamin'ny adihevitra ny adidy goavana mahakasika ny fiahiana azy ireo rehefa izy ireo no foto-dresaka amin’ireo vaovao miparitaka. Tsy izany tokoa mantsy fa lahatsoratra sy tatitra maro no matetika manohitohina ny fahamendrehan'ny ankizy, ka mahatonga azy ireo ho marefo eny anivon’ny fiaraha-monina.

Nanao antso avo amin’ireo haino vakijery ihany koa izy ireo mba handray anjara amin’ny fisarihana ny saim-bahoaka manoloana ny zava-misy iainan’ny ankizy eto amin’ny firenena sy ny fepetra tokony horaisina hanatsarana izany.

Handeha amin’ny fahitalavim-panjakana TVM ny alarobia 22 novambra amin’ny 5 ora sy sasany ary amin’ny TV Plus ny asabotsy 25 novambra amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro izany fandaharana izany. Marihina fa mamarana amin'ny fomba ofisialy ireo hetsika nokarakarain'ny UNICEF ao anatin'ny Andro maneran-tany ho an'ny ankizy izany adihevitra izany. Nisy fampirantiana sary nokarakaraina tao amin’ny Toeram-pivarotana La City, ho fampahafantarana ny andraikitry ny UNICEF amin’ny lafiny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara.

Ny 17 ka hatramin’ny 22 novambra izao, ny Lapan’ny Manjakamiadana ihany koa dia hamirapiratra hiloko manga, ho fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny hetsika “Going Blue” maneran-tany mba hanehoana ny fandraisan’andraikitrin’ny UNICEF ho tombotsoan’ny ankizy.

Pour chaque enfant, la protection
UNICEF/UNI458208

Pour chaque enfant, la protection

Les participants au débat ont rappelé l’important devoir de les protéger lorsqu’ils sont au cœur de l’actualité. En effet, beaucoup d’articles et de reportages portent souvent atteinte à la dignité de l’enfant, les rendant vulnérables auprès de la société et des communautés.

Ils ont aussi appelé les médias à jouer leur rôle d’interpellation de l’opinion publique concernant la situation des enfants dans le pays et les mesures à prendre pour l’améliorer.

L’événement sera retransmis sur la chaine nationale TVM le mercredi 22 novembre à 17h30 et sur la TV Plus le samedi 25 novembre à 13h30.  A noter que le débat clôture officiellement une série d’activités organisée par l’UNICEF dans le cadre de la Journée Mondiale de l’Enfance. Une exposition photo a été organisée au Centre Commercial La City pour faire connaitre le mandat de l’UNICEF en faveur de la promotion des droits de l’enfant à Madagascar.

Du 17 au 22 novembre, le Palais de la Reine est également illuminé en bleu, participation de Madagascar à la campagne mondiale « Going Blue » afin de démontrer l’engagement de l’UNICEF en faveur des droits de l’enfant.

Journee Mondiale de l'Enfance 2023

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram