Andro iraisam-pirenena ho an'ny fanabeazana: manohana ny fisokafan’ny sekoly sy ny fampiroboroboana ny fomba fianarana vaovao ny UNICEF!
![Écolier dans le Sud](/madagascar/sites/unicef.org.madagascar/files/styles/press_release_feature/public/Education-002.jpg.webp?itok=S9OKG4g4)
Raha ny eto Madagasikara dia ankizy 2 amin’ny 3 no tsy hahavita ny fianarana ambaratonga voalohany. Vao mainka manasarotra ny fahazoana fanabeazana tsara kalitao ny toe-draharaha ara-toekarena manahirana iainan’ny 40%-n'ny fianakaviana izay mandoa ny sarany miverimberina mahakasika ny fampianarana, miampy ny valan'aretina COVID-19. Ity andro ity dia mampatsiahy fa mbola misy fanamby tsy maintsy atrehina, izay mifandray amin’ilay lohahevitra amin’ity taona ity manao hoe « Manova làlana, manavao ny fanabeazana”.
Zava-dehibe ny fisokafan’ny sekoly
Tamin'ny fiandohan'ny taona 2022, nahemotra ny fanombohan'ny taom-pianarana tamin’ny telo volana faharoa noho ny fitomboan'ny tranga-na COVID-19. « Efa ho roa taona izao no nisian’ny valan’aretina, kanefa ny fepetra mikasika ny fanabeazana dia raisina maimaika foana sady tsy ahitana vinavina tena mipetraka. Sarotra ho an’ny ankizy ny mamantatra ny lalan-kaleha ary tena mampalahelo ahy ny tsy fisian’ny fepetra tena matotra momba ny fampianarana, » hoy i Antsasoa, renim-pianakaviana manan-janaka roa 7 sy 4 taona. « Ankoatra ny fahazoana fahalalàna, dia nahazo fatrana sakafo isan’andro ny zanako fara faharatsiny rehefa mandeha any an-tsekoly izy ireo. Sarotra amiko ny famelomana azy ireo hatramin’izay tsy nandehanany nianatra izay intsony, » hoy i Saraha, izay manan-janaka roa 7 sy 11 taona mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra eto an-drenivohitra.
Ny fikatonan’ny sekoly dia mampitombo ny tsy fitoviana eo amin’ny lafin’ny fampianarana, nohon’ny fahafainganan’ny fialana an-tsekoly ho an’ireo ankizy sahirana. Araka ny angon-drakitra avy amin'ny Ivotoerana misahana ny antontan’isa tamin'ny taona 2020, maherin'ny 50% amin'ny tokantrano mahantra indrindra no tsy nanatanteraka asa manodidina ny fianarana mihitsy nandritra ny fitsaharan’ny sekoly, raha toa ka 15% ihany izany ho an'ny tokantrano manan-katao indrindra. Ho an’i Saraha, toa ireo ray aman-dreny sy ankizy maro, ny fiverenana an-tsekoly dia toy ny varavaran’ny fanantenana, izay manome tolotra fototra hafa ho an’ny zaza, toy ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana, ary fanohanana ara-tsaina ihany koa.
« Ny fanabeazana dia iray amin'ireo laharam-pahamehan'ny UNICEF, izay manohy ny fifampiraharahana mba hitazomana ireo zavatra efa azo teo aloha ary hampiroboroboana paik’ady tsara kokoa ho an'ny fampiatiana misimisy kokoa, » araka ny nambaran’ny UNICEF. Nanomboka tamin'ny taona 2020, ny fiaraha-miasa iraisan'ny UNICEF, ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo , ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa izay vatsian'ny governemanta Norvezianina vola dia nahafahan'ny ankizy 119,000 misitraka sakafo an-tsekoly any amin'ny faritra iasan’izy ireo miisa 3 any atsimo, raha toa ka ankizy 57,100 ivelan'ny sekoly no nanaraka kilasy fanarenana mba hahafahan’izy ireo miverina an-tsekoly indray. Ho voatsimbina farafahakeliny mandritra ny taom-pianarana iray ireo ankizy marobe ireo. Mbola nohon’ny fanohanan'ny governemanta Norvezianina ihany koa dia napetraka ny rafitra fanangonana angon-drakitra entina mampifandray ny tsy fandehanan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mamonjy sekoly amin'ny tsy fisian'ny toerana fanomezan-tsakafo ho an’ny mpianatra, ho toy ny vokatry ny hain-tany mifandraika amin'ny fifindra-monina any atsimo. Ho an’ny taona 2022 dia sekoly maherin’ny 2.000 no kendren’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hametrahana io rafitra io ka hiantoka ny fitohizan’ny fampianarana.
Laharam-pahamehana ho an’ny fomba fianarana hafa
Rehefa nisokatra indray ny sekoly dia nisafidy ny hampifandimby ny fampianarana izy ireo, ankoatra ny fanajana ny fihetsika sakana, ny fanasan-tanana ary ny fanadiovana ny efitrano fianarana mba hamonoana tsimok’aretina. « Tsy ho ampy ireo fepetra ireo satria tsy maintsy mitady vahaolana hamenoana ny fahabangana amin’ny fianarana isika », hoy i Gilberte, renin’ny zazavavy iray 17 taona ao amin’ny kilasy Famaranana. Mitombo hatrany ny faminavinàna hampiasana teknolojia vaovao entina hamitana ny fandaharam-pianarana sy handinihana indray ny fampianarana. Mbola lavitra ny làlana satria amin’ny zaza malagasy 10 dia iray ihany no manana fahafahana hahazo aterineto ankehitriny. Ankoatra izay, manamafy ny zava-misy ny tsy fitoviana eo amin’ny faritra; any Androy ohatra dia ankizy latsaky ny 2% ihany no misitraka ny aterineto. Mety ho dingana voalohany araka izany ny fampitaovana sy fanofanana mpampianatra.
Ny UNICEF, miaraka amin'ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa maneran-tany ho an'ny Fanabeazana na GPE, ao anatin'ny drafitra fiatrehana ny valan'aretina, dia miara-miasa amin'ny UNESCO sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ny fividianana sy fizarana « tablette » miisa 10.000 ho an'ny mpampianatra. Ireo fitaovana ireo dia ahitana votoaty isan-karazany momba ny fanabeazana; ao anatin'izany ny fampianarana fifanakalozan-kevitra, lahatsary fampianarana, na koa ampahan’ny fandaharana amin'ny fampielezam-peo mba hanamorana ny fianarana sy hitrandrahana misimisy kokoa araka izay tratra ny fotoam-pianarana. Izany fitsinjarana isaky ny fari-piadidiam-pampianarana samihafa izany dia hialohavan’ny fanofanana mpampianatra. « Ny mpampianatra no mpandray anjara voalohany amin’ny fiantohana ny soa iombonana sy fivelaran’ny ankizy. Mendrika ny fanohanana rehetra ilainy izy ireo mba hanatanterahany ny asany », hoy i Jessica, mpampianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram