Amin'ny alàlan'ny UNICEF Madagascar, ny fanjakana Britanika dia manome fanampiana vonjy taitra tsy tapaka ho an'i Madagasikara

16 Martsa 2022
Eau potable
© UNICEF/UN0327688/Ralaivita

Antananarivo 16 martsa 2022 – Nampandre ny amin’ny fanampiana mitentina 500.000 ariary ho an’i Madagasikara ny Minisitra Britanika ho an’i Afrika, Vicky Ford, taorian’ny fisehoan’ny toe-javatra mifandraika amin’ny toetr’andro mahery vaika maromaro.

Ny fanohanana vaovao avy amin’ny fanjakana Britanika dia ahafahan'ny UNICEF manolotra rano madio, tolotra fanadiovana sy fidiovana vonjy taitra ho an'ny olona miisa 13,500 ary manampy amin'ny fanaraha-maso ireo valan’aretina mifandraika amin’ny rano.

Ity fanampiana ity dia manampy ireo vola mitentina  500,000£ natolotry ny fanjakana Britanika, ho fanohanana ny antso vonjy taitra nataon’ny Vokovoko Mena tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary.

Ny Minisitra Britanika ho an’i Afrika Vicky Ford dia nanambara hoe:

Ny rivodoza Emnati no trangana toetr’andro mahery vaika fahefatra namely an’i Madagasikara tamin’ny volana farany teo, izay niantraika tamin’ny olona an’hetsiny maro, ka niteraka tondra-drano sy fifindra-monina ary namotika ny fivelomana.

Izany vola 500.000£ fanampiny izany dia hahatonga ny totalin’ny  fanampiana Britanika ho 1 tapitrisa livre sterling, ka hanome fanohanana avy hatrany ho an'ireo vondrom-piarahamonina marefo, amin'ny alàlan'ny mpiara-miombon'antoka eny ifotony ary hanampy an'i Madagasikara amin’ny fanarenana."

Ny Solontenan'ny UNICEF eto Madagasikara Jean-Francois Basse dia nanao izao fanambarana izao:

 "Ity fanohanana avy amin'ny fanjakana Britanika ity dia nitranga tamin’ny fotoana manan-danja satria ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy dia tonga eny ifotony mba hanampy ireo olona lasibatry ny rivo-doza. Rehefa mamaly maika ireo filàn’ny mponina amin’ny lafin’ny rano sy fidiovana isika dia afaka misoroka ny fiharatsian’ny toe-javatra."

Ny 22 febroary lasa teo no namely an’i Madagasikara ny rivodoza Emnati, taorian’ny rivodoza Batsirai sy Dumako tamin’ny fiandohan’ny volana febroary ary ny rivodoza Ana tamin’ny Janoary.

Olona hatramin’ny dimy hetsy no voakasik’ireo toe-javatra mahery vaika mifandraika amin’ny toetr'andro ireo, izay nahitana tondra-drano niparitaka be sy fahasimbana fananana, sekoly ary tobim-pahasalamana.

Rehefa mamely ireny loza voajanahary ireny dia hita eny amin’ny lohalaharana ny ekipan'ny UNICEF mba hitondra vahaolana fototra sy hanolotra fanampiana ireo tra-boina. Ireo asa lehibe amin’izany dia mikasika ny fametrahana sinibe fitahirizana sy fanadiovana rano, ny fananganana lava-piringa vonjy taitra sy ny fanaraha-maso ireo singan-javatra mahakasika izany, ary koa ny fizarana kojakoja fidiovana ahitana pilina / ranom-panafody fanadiovana rano fampiasa any an-tokantrano, lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana, savony, siny misy sarony, kaopy plastika, gel hydroalcoolique ary fitaovana fanasan-tanana.

Manohy ny fiaraha-miasa miaraka amin'ireo manampahefana sy mpiara-miombon'antoka eo an-toerana ny governemanta Britanika mba hanara-maso akaiky ny toe-draharaha.

Zava-misy

Fanampiana avy amin’ny governemanta Britanika

Hitanao eto ny antsipirian'ny antson'ny Vokovoko Mena,

Fanampin'izany, ny governemanta Britanika dia mpamatsy vola ho an'ny “African Risk Capacity” (ARC), tsy iza fa ilay fitambaran’ny fiantohana ao Afrika sy ilay fikambanana mpampiasa vola maro maneran-tany izay mampifandray ireo vola voaray aorian’ny loza sy ireo drafitra vonjy taitra efa nankatoavina mialoha. Ny rivodoza Batsirai dia nitarika fanolorana vola 10,7 tapitrisa dolara amerikana avy amin'ny “African Risk Capacity” (ARC) mba hanampiana ny governemanta Malagasy sy ny mponina amin’ny lafin’ny fanarenana.

Ny fanjakana Britanika dia mpandray anjara lehibe amin'ny Tahirim-bola vonjy taitra amin’ny trangana voina (DREF) ao amin’ny Vokovoko Mena, izay nanome famatsiam-bola 750,000 CHF (eo amin'ny 600,000£).

Ny fanjakana Britanika dia mandray anjara ao amin'ny “Start Network” ihany koa, tahirim-bola marolafy mahakasika ny maha-olona, ​​izay efa nanokana manodidina ny 635.000£ ho fanampiana ireo olona tena sahirana.

                                                                            

UNICEF:

Ny UNICEF dia niara-niasa akaiky tamin'ny Birao misahana ny fitantanana ny loza voajanahary an’ny fanjakana Malagasy mandritra ny fidirana an-tsehatra, mba hanamorana ny fandrindrana.

Ny ekipa mpisahana ny asa sy ireo fitaovana eo anivon’ny UNICEF dia efa napetraka mialoha any amin'ireo tanàn-dehibe sy faritra voakasika.

Nanohana ny fanomanana sy ny fandrindrana ny fidirana an-tsehatra ny UNICEF, niaraka amin’ny fiaraha-miasa amin'ny governemanta sy ireo ONG mpiara-miombon'antoka, indrindra eo amin'ny sehatry ny rano sy ny fidiovana, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.

 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram