« Concentrateurs d’oxygène » 200 atolotry ny UNICEF ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

08 Jona 2021
Remise de concentrateurs d'oxygène
UNICEF Madagascar/2021/Ramasomanana

Antananarivo, 08 jona 2021: Natolotry ny UNICEF androany ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny « concentrateurs d’oxygène » miisa 200. Mararin’ny COVID-19 maneho “forme modérée” izay manaraka fitsaboana ny COVID-19 eny anivon’ny hopitaly natokana ho amin’izany no hisitraka ireny fitaovana ireny.

Ireo fitaovana 200 isa avy any amin'ny Sampan-draharaha famatsiana ao amin’ny  UNICEF any Copenhague ireo dia hameno ireo « concentrateurs » 3.400, ka anisan’izany ireo fitaovana 1.400 novidiana niaraka tamin'ny UCP Banky Iraisam-pirenena ary 2.000 hafa avy amin'ny fandraisan’andraikitry ny filoham-pirenena (ahitana ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka). Hatao ho laharam-pahamehana ny fitsinjarana azy ireo any amin'ny tobim-pahasalamana isaky ny distrika, isam-paritra ary hopitaly foibe izay tena mila azy ireo indrindra.

« Tsy zava-baovaovo aminareo akory ny filazako hoe io valan’aretina io dia mbola fototry ny olana ara-pahasalamana eto Madagasikara ary tena mbola ao anatin’ny ady amin'ilay areti-mandringana Covid-19 tanteraka isika. Izany no antony mahatonga  ny hery velona rehetra hitondra ny anjara birikiny hiatrehana izany ; tsy amelantsika raha tsy azontsika ny fandresena, » hoy ny fampahatsiahivana nataon’i Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

« Ireo concentrateurs d'oxygène 200 ireo dia tsy vitan'ny hoe hanampy amin'ny ezaky ny governemanta mikasika ny famaliana ny filàna oksizenina amin'ny ady atao amin'ny Covid-19 fotsiny ihany, fa hiantoka ihany koa ny fitsaboana tena ilaina ho an'ireo marary tsaboina nohon’ny aretina hafa, » hoy i Michel-Saint-Lot, Solontenan'ny UNICEF eto Madagasikara. « Amin'ny alàlan’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amin'ny firenena dia hisitraka  fitsaboana tsara kokoa ny marary, ny zaza vao teraka ary ireo zokiolona. »

 

Concentrateurs d'oxygène

 

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram