Tetibola ho an'ny daholobe 2020
Mba ho fantatry ny olom-pirenena hoe aiza no alehan’ny volany

Lafiny mampahatanjaka
Ny Tetibolam-panjakana, izay fitaovana fototra ilaina amin'ny fampiharana ny politikam-panjakana, dia mitatitra momba ny fomba fampiasana ny volam-panjakana na ny vola miditra izany ny vola mivoaka. Ny antontan-taratasy ho an’ny olom-pirenena, antsoina hoe " Tetibolan’ny daholobe " dia anisan’ny fandraisan’andraikitra noraisin’ny Minisiteran'ny toekarena sy ny Tetibola (MEF). Ny tanjona amin’izany dia ny fampahafantarana ny olom-pirenena tsirairay ireo vaovao mahakasika ny teti-bolam-panjakana.
Ity antontan-taratasy ho an’ny olom-pirenena ity, izay mifandray amin'ny didy hitsivolana momba ny tetibolam-panjakana 2020, dia midika ho fampidirana ny tetibola mifandraika amin’ny fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena ho an’ity taona ity ao anatin’io tetibolam-panjakana io. Hasongadina amin’izany ireo fomba fijery lavitra sy mivelatra ary ireo fironana ara-tetibola lehibe ho an'ny taona 2020. Io antontan-taratasy io araka izany dia mampiseho ny laharam-pahamehan'ny governemanta izay misoratra ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny.
Ity fahavononana hisokatra amin'ny olom-pirenena ity dia manampy ireo ezaka rehetra efa notanterahina teo amin'ny lafiny fanavaozana ny fitantanam-panjakana. Hitohy ihany koa ny fampahalalana izany amin'ny alàlan'ny fanapariahana io antontan-taratasy io eny anivon’ny olom-boafidy maro kokoa. Araka izany, angatahina ny rehetra hizara izany Tetibola ho an'ny daholobe izany, mba hahatratrarana ny tanjon'ny fangaraharana ara-tetibola. Ny famokarana an'ity antontan-taratasy ity dia vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny UNICEF izay isaorantsika manokana.
