Tsy mora ny mamonjy ireo mponina any amin'ny faritra saro-dalana sy mitokana
Tantara an-tsary ny fanamby atrehin'ireo mpisehatra amin'ny sehatry ny rano, fanadiovana sy fidiovana, anisan'izany ny UNICEF, mba hanafainganana ny ady amin'ny fanaovana maloto an-kalamanjana any amin'ny Faritra Analanjirofo.


Talohan’ny fandehanana any amin’ny tanànan’Analabe dia nisy ny fanofanana ireo mpanentana izay natao tany Vavatenina mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo hahafahany manatanteraka ny iraka sahaniny.

Zara raha nandeha kilometatra vitsivitsy ny fiaran’ny UNICEF dia tafahitsoka tao anaty fotaka nohon’ny faharatsian’ny làlana.

Ny fanamboarana ny simba tamin’ilay fiara dia narahan’ireo ankizy eo amin'ny tanàna iray nolalovana maso tsara. Farany dia voatery niverina tany Vavatenina ilay fiara ary namela ny ekipa handeha an-tongotra. Eo amin’io toerana io ihany no nanomezana fotoana ho an’ny ampitso mba hiverenenana any an-tanàndehibe.

Eulalie, mpilatsaka antsitrapo amin’ny sehatra WASH eo anivon’ny UNICEF sy ireo mpanentana dia voatery mandeha an-tongotra mba hamitana ny làlana ambiny, izay tena mideza.

Adiny enina ny hanaovan’izy ireo ny 30km manasaraka ny toerana hiaingana hatrany amin’ny tanànan’Analabe. Amin’ny fotoana fakàna aina kely dia manararaotra mifampiresaka fohy amin’ireo mponina avy eny amin’ny tanàna lalovana ihany koa izy ireo.

Rehefa afaka ora vitsivitsy dia itan’izy ireo ihany ireo mponina voalohany avy ao Analabe izay miborosy nify eo amin’ny renirano.

Raha vao tonga teo amin’ny tanànan’Analabe, i Justin – teknisiana mpanentana WASH, dia nitarika hetsika fanentanana teo amin’ireo vondrom-piarahamonina.

Ireo mponina dia mameno ny firaketana an-tsoratra ny fanatrehana, izay hatao fitaovana fanaraha-maso ho an’ny teknisianina. Ny tokantrano tsirairay dia antenaina mba hanamboatra kabone ho ampiasainy.

Jean Paul, 65 taona, manasa tanana amin’ny rano ary mampiasa fitaovana vita an-trano. Anisan’ireo olona nanorina lava-piringa voalohany izy, rehefa resy lahatra tamin’ny maha zava-dehibe ny fahasalamany.

Raha tsy misy savony dia ampiasaina ho famonoana otrik’aretina ny lavenona – vahaolana tsotra mifanaraka amin'ny zava-misy eo an-toerana.

Nanomboka tamin’ny volana jona 2021 dia voasokajy ho “vohitra tsy misy fanaovana maloto an-kalamanjana” ny tanàn’i Analabe noho ny ezaky ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ary indrindra ny fokonolona.