Sekoly fanabeazana fototra ao Mahazendana, efitrano fianarana ahafahana mianatra am-pahamendrehana

Efitrano fianarana miisa 8 no naorin’ny UNICEF miaraka amin’ny fanohanan’ny Komitin’i Belzika ho an’ny UNICEF any atsimo atsinanan’i Madagasikara, ka ny 2 amin’izy ireo dia ho an’ny Sekoly ambaratonga fototra ao Mahazendana.

Samuel Samuel
Ecole construite par l'UNICEF à Madagascar
UNICEF/UN0541369/Ramasomanana
09 Febroary 2022

Nandritra ny roa taona, tranon’olon-tsotra tsy lavitry ny Sekoly Fanabeazana Fototra (EPP) ao Mahazendana any atsimo atsinanan’i Madagasikara no natao efitrano fianarana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy T4 sy T5. Amin'ny toe-javatra toy izany dia tena sarotra ny mifantoka sy miomana amim-pahamendrehana amin'ny fanadinana ofisialy voalohany. Kely dia kely ny efitrano, mipetraka amin’ny lamba na tsihy ny ankizy satria tsy misy fanaka ihany koa. Ny solaitrabe napetraka eo amin'ny seza dia manampy amin'ny fianarana na dia tena tonta aza izy io.

Ho an’ireo mpianatra 225 ao amin’io sekoly ambaratonga fototra io dia iray ihany ny efitrano fianarana. Natao ho an'ireo ankizy ao amin’ny garabola izy io satria mbola tena madinika izy ireo. Eto indray dia mbola mampiseho ny faharatsian'ireo fotodrafitrasa ny zava-drehetra: vitsy dia vitsy ary tena ratsy ireo dabilio ampiasaina.

Ny UNICEF, miaraka amin’ny fanohanana sy ny fandraisan’anjaran’ny Komity nasionalin’i Belzika ho an’ny UNICEF (Natcom Belge), dia mampiasa vola ho amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy fanolorana fitaovana toy ny dabilio sy solaitrabe na koa fitaovam-pianarana any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Ankizy efa ho 400 no kendren’ity tetikasa ity, ka ny 45 isan-jato amin’izy ireo dia tovovavy izay niverina an-tsekoly ary afaka manakaiky kokoa ny nofinofin’izy ireo.

Ho an’ny EPP Mahazendana dia efitrano fianarana roa vaovao no naorina, ary koa efitra fidiovana mitokana ho an’ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Feno ny fivelarana sy ny fanabeazana hita ao nohon’ny fitsanganan’ny toerana fanaovana fanatanjahantena miaraka toy ny baolina kitra sy ny volley, ary koa ny zaridaina misy hazo fihinam-boa manodidina ny dimampolo isa.

Misaotra ny UNICEF izahay tamin’ny fanatanterahana ity tetik’asa fananganana efitrano fianarana ity”, hoy Rakotomahavonjy Jean Conant, Talen’ilay sekoly, nandritra ny fandraisana vonjimaika ireo zava-bita.