Sekolim-panjakana ambaratonga voalohany ao Ifaty: ny garabola toy ny fanoitran’ny fanabeazana
-
Nisy fanantenana vaovao teo anivon’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany (EPP) ao Ifaty tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, indrindra taorian'ny fisokafan'ny garabola. Ilay tranobe vaovao tokoa mantsy dia mahasarika olona hitsidika ity sekoly ity izay miorina anaty ala mikitroka.
« Ny fisokafan’ny efitrano fianarana handraisana ankizy 50 ao amin’ny garabola dia antony manosika ray aman-dreny maro. Nanatsara ny endriky ny sekoly izay efa tena nampahonena nohon’ny tsy fisian'ny latabatra, dabilio, efitrano fianarana sns izany, » hoy ny fanazavan'i Florine, talen'ny EPP Ifaty.
Rehefa miditra ao ianao dia mahatsapa fa ohatran’ny tsy any amin'ny tanàna ambanivohitra atsimon'i Madagasikara. Ny rindrina dia miloko tsara tarehy ary voaravaka mba hampamirapiratra ny efitrano; ireo dabilio dia maro loko. « Misy ny rehetra izay mahafinaritra ao. Ho fanampin'izany, vaovao avokoa ny fitaovana rehetra ao ary tena zava-mahagaga ho an’ny ankizy izany, » hoy ny fanazavan'ilay mpampianatra, Rasoanantenaina Nina, anisan’ireo mpampianatra nisitraka ilay fiofanana.
Ny trano ianaran’ireo zaza ao amin’ny garabola dia manaraka ny fenitra mahatohitra rivo-doza, ahitana fanaka, boky torolàlana, kitapo sy fitaovam-pampianarana. Ankoatr’izany, misy ihany koa ny fanolorana boky angano ho an'ny ankizy ao amin’ny garabola.
Ny EPP Ifaty dia iray amin'ireo sekoly misitraka ny fanohanan'ny UNICEF, indrindra amin'ny lafiny fotodrafitrasa, fitaovana ary fanofanana mpampianatra. Ity fanohanana ity dia nisy fiatrainkany tamin'ny vokatra any an-tsekoly, izay nihatsara be tamin'ity taona ity. Ity fanampiana avy amin'ny UNICEF ity dia ampahany amin'ny hetsika fanabeazana vatsian'ny mpiray ombon’antoka, toa an’i Norvezy.
Ho fanampin'izay, ny fanampiana avy amin’ny fanjakana Norvezianina, amin'ny alàlan'ny UNICEF, dia nahafahana nanofana mpampianatra, indrindra ho an'ireo mpampianatra ao amin’ny garabola, ho fanampin’ny fanomezana fitaovam-piofanana. Norvezy dia iray amin'ireo mpamatsy vola lehibe amin'ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Ny fandaharan’asa iombonany dia mikendry ny fanatsarana ny rafitry ny fanabeazana fototra, ny fidirana an-tsekoly, ny fihazonana an-tsekoly, ary ny famitana ny ambaratonga voalohany.